2020
Zatovo
Aprily 2020


Zatovo

Sary
Photo of Mikayla J from Fiji

Sary nalain’i Leslie Nilsson

Mpikambana niova fo tato amin’ny Fiangonana aho. Ny iray amin’ireo zavatra izay nanintona ahy voalohany dia ireo fiaraha-mientan’ny tanora. Na amin’izao fotoana izao aza dia mbola tiako ny miaraka amin’ireo namako ao am-piangonana izay mitondra karazana fahafinaretana tsara sy mampahery. Tiako indrindra indrindra ny mandeha miaraka amin’izy ireo isan-kerinandro any amin’ny Tempolin’i Suva Fidji.

Be dia be ny tsindry avy amin’ny namana ao Fidji. Tsy manontany matetika ny mombamomba ny tena manokana ireo toeram-pivarotana raha hividy zava-pisotro misy alikaola, sigara, sy ny zavatra toy izany. Mividy izany foana ny ankizy. Mety ho sarotra ny misafidy ny tsara.

Anisan’ny zavatra iray izay mihazona ahy mba hatanjaka ireo zandriko. Izaho no zokiny indrindra, ka noho izany dia mieritreritra azy ireo aho isak’izay alaim-panahy hanao zavatra tsy mety. Tsy tiako handray fanapahan-kevitra ratsy izy ireo noho ny fahitana ahy manao voalohany zavatra iray. Talohan’ny nahafatesan’ny reniko dia nasainy nampanantena aho ny hikarakara ireo mpiray tampo amiko sy mba ho eo foana ho azy ireo.

Hatreto aloha dia izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana amin’ireo mpiray tampo amiko. Saingy mivavaka ho azy ireo isan’andro aho. Misaotra ny Ray any An-danitra aho noho ny fanomezany azy ireo tombon’andro iainana, ary mivavaka aho mba handraisan’izy ireo ny fahalalana ny filazantsarany. Mihazona ahy hatanjaka izy ireo.

Mikayla J., 17 taona, Fidji