2020
Ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tao anatin’ireo taona maro nifandimby
Aprily 2020


Ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tao anatin’ireo taona maro nifandimby

Sary
tabernacle and conference center

Amin’izao faha-190 taonany izao, dia fomba fanao hatry ny ela isaky ny aprily sy ôktôbra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, saingy nisy fiovana vitsivitsy mahaliana rehefa nandeha teny ny taona:

  • 1830

    Roa volana taorian’ny nanorenana ny Fiangonana dia i Joseph Smith no niahy ny fihaonamben’ny Fiangonana voalohany tao Fayette, New York. Mpikambana teo amin’ny 30 teo sy olona hafa maro no nanatrika izany.

  • 1850

    Namoaka ny tatitra feno voalohany momba ny fihaonambe ny Deseret News satria afaka nandika ireo lahateny tamin’ny sorapohy i George D. Watt, izay mpanao gazety tanora iray.

  • 1867

    Natao nandritra ny efatra andro ny Fihaonamben’ny Fiangonana fa tsy telo andro toy ilay nahazatra satria nisafidy ny mbola hijanona iray andro ankoatra izay ny mpiangona.

  • 1924

    Izay no fotoana voalohany nampiasana mikrao teny amin’ny polipitra tao amin’ny Tabernakely. Teo aloha dia niantehitra tamin’ny hamafin’ny feony ireo mpandaha-teny mba handrenesan’ny olona azy ireo.

  • 1949

    Noho ny fampiasana fakan-tsarimihetsika tao amin’ny Tabernakely dia nampitaina voalohany tamin’ny fahitalavitra ny fihaonambe.

  • 1962

    Nadika voalohany tamin’ny fiteny hafa tao amin’ny Tabernakely ireo lahateny, dia ny Alema, ny Danoa, ary ny Espaniôla izany. Ankehitriny dia adika amin’ny fiteny mihoatra ny 90 ireo lahateny.

  • 1967

    Nampitaina tamin’ny fahitalavitra tamin’ny sary maro loko ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nisalotra palitao manga tanora ireo lehilahy tao amin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely, ary nanao lobaka miloko saumon ireo vehivavy.

  • 1977

    Ny fihaonambe izay naharitra telo andro ary nahitana fivoriana maneran-tany miisa enina dia lasa niova ho nandritra ny roa andro ary nahitana fivoriana maneran-tany miisa dimy.

  • 2000

    Nampiantrano ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voalohany tao aminy ny Ivon-toeran’ny Fihaonambe vaovao ao Salt Lake City, izay nahazaka olona 21,000.

Sary fanehoana fitoerana mitohatohatra nataon’i David Green; sarina fahitalavitra avy amin’ny Getty Images