2020
Midika inona ny hoe manana ny anaran’i Kristy voasoratra ao am-pontsika?
Aprily 2020


Avia, hanaraka Ahy: Bokin’i Môrmôna

Midika inona ny hoe manana ny anaran’i Kristy voasoratra ao am-pontsika?

20–26 aprily Môzià 4–6

Sary
What Does It Mean to Have the Name of Christ Written in Our Hearts

Antsoina amin’ny anarana maro ny olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny Nefita, ny Lamanita, ary ny Antia-Nefia-Lehia dia vitsivitsy amin’izany fotsiny. Ny Mpanjaka Benjamina anefa dia naniry ny hiantsoana ny vahoakany tamin’ny anarana manan-danja sy masina kokoa, dia ny anaran’i Jesoa Kristy izany.

Izao no fomba azontsika hihazonana ny anaran’ny Mpamonjy ho “voasoratra mandrakariva ao am-po[ntsika]” (Môzià 5:12):

Fanekempihavanana amin’ny alalan’ny batisa

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy. Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao? (Jereo ny Môzià 18:8–9.)

Mandray ny fanasan’ny Tompo

Didina isika ny handray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Mandritra ny fanasan’ny Tompo dia manavao indray ny fanekempihavanantsika mba hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy isika (jereo ny Môrônia 4:3).

Mitondra tena toy ny mpianatr’i Kristy

Mitaky ny hitandremantsika ny didy ireo fanekempihavanana nataontsika. Tokony hahitana taratra ny faniriantsika hanaraka an’i Kristy sy ho tonga tahaka Azy ny asa ataontsika. Raha manao izany isika dia afaka ny ho antsoina amin’ny anarany hatrany. Toy izany no fomba ahafahantsika mihazona ny anaran’i Kristy ho voasoratra ao am-pontsika (jereo ny Môzià 5:12).