2020
Naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Aprily 2020


Naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy!

Sary
children looking at sky

Niaina niaraka tamin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra isika talohan’ny nahatongavantsika tety an-tany. Tian’ Izy Ireo isika! Nanana drafitra tena tsara ho antsika ny Ray any An-danitra. Handeha ety an-tany isika mba hahafahantsika mahazo vatana sy mianatra ary mivoatra. Avy eo isika afaka miverina miaina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra. Saingy tsy hahavita irery izany isika. Mila fanampiana isika.

Sary
Jesus reaching out to man

Nisafidy an’i Jesoa Kristy zokintsika lahimatoa ny Ray any An-danitra mba ho tonga ety an-tany hanampy antsika. Nampisehon’i Jesoa antsika ny fomba hitiavantsika ny hafa sy hanarahantsika ireo didin’ny Ray any An-danitra. Nifidy Apôstôly Izy hitarika ny Fiangonany.

Sary
girl looking out the window

Nijaly ho antsika avy eo i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Nahatsapa ny fanaintainantsika sy ny fijaliantsika rehetra Izy. Maty ho antsika teo amin’ny hazofijaliana Izy. Noho izany dia afaka mitodika any Aminy isika rehefa maratra na malahelo na mila fanampiana. Afaka mibebaka isika rehefa manao zavatra tsy mety.

Sary
Jesus and Mary at the tomb

Ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Jesoa, dia nitsangana tamin’ny maty Izy. Velona indray i Jesoa! Hitsangana amin’ny maty koa isika noho izany. Afaka miaina any an-danitra indray isika aorian’ny fahafatesantsika.

Sary
girl getting baptized

Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nitsidika an’ireo mpianany tany Jerosalema sy tany Amerika i Jesoa. Nangataka ny Apôstôliny Izy mba hanohy hampianatra ny olona momba ny filazantsara. Maro ireo olona naheno ireo Apôstôly no natao batisa sy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
man with hand on his head

Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôly dia nanomboka nanadino ireo ampahany sasantsasany manan-danja ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa ny olona. Nitsahatra nino izy ireo fa ny Ray any An-danitra dia hanentana foana ny fanahin’ireo zanany ety an-tany. Hadinon’izy ireo fa ny olona rehetra ety an-tany dia hanana fahafahana ny hatao batisa. Nitsahatra nino izy ireo fa ireo mpaminany sy apôstôly dia hitarika foana ny Fiangonana.

Sary
Joseph Smith

Nandeha ny taona maro. Farany dia tonga ny fotoana hamerenana ireo ampahany nanjavona tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa. Tonga ny fotoana hamerenana ny Fiangonany! Nila olona iray mba ho mpaminany ny Ray any An-danitra sy hamerina izany ety an-tany. Nifidy zatovolahy iray nantsoina hoe Joseph Smith Izy.

Sary
Bible

Indray andro, namaky ny Baiboly i Joseph. Milaza ny ao amin’ny Jakoba 1:5 fa hamaly ireo fanontaniantsika ny Ray any An-danitra rehefa mangataka amim-pinoana isika. Tena nanana fanontaniana i Joseph! Fantany fa maro ireo fiangonana izay nampianatra mikasika an’i Jesoa. Saingy te hahafantatra izy raha toa ka misy anankiray toy an’ilay Fiangonan’i Jesoa ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Sary
Joseph praying

Indray marainan’ny lohataona, nanodidididina ny vanim-potoan’ny Paska dia nandeha tany an’ala teo akaikin’ny tranony i Joseph. Nandohalika izy ary nanomboka nivavaka. Nisy zavatra maizina tsapan’i Joseph avy eo. Niezaka nanakivy azy i Satana. Saingy nanohy nivavaka tamin’ny heriny rehetra i Joseph.

Sary
First Vision

Avy eo dia nisy hazavana tena kanto nidina. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Joseph. Nantsoina hoe Fahitana Voalohany izany. Nilaza Izy Ireo fa tsy teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa. Fa ho tonga tsy ho ela izany. Ny Famerenana amin’ny laoniny no fiantombohan’izany!

Sary
Angel Moroni

Naniraka anjely ny Ray any An-danitra mba hamerina amin’ny laoniny ireo ampahany manan-danja ao amin’ny filazantsara. Nomen’ny anjely Môrônia an’i Joseph ireo takela-bolamena mba hahafahantsika mahazo ny Bokin’i Môrmôna mba hanampy antsika hianatra momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
little girl being confirmed

Naverin’i Jaona Mpanao Batisa ny Fisoronana Aharôna. Nentin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ny Fisoronana Melkizedeka mba hahafahantsika mandray ny Fanahy Masina sy mahazo tsodrano rehefa marary.

Sary
family in front of the temple

Tonga i Elia mba hahafahantsika ho voafehy amin’ny fianakaviantsika any amin’ny tempoly.

Sary
family going to church

Naorina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Midika izany fa niverina eto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa! Ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny daholo ireo zavatra rehetra ireo.

Sary
serving

Mbola mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao fotoana izao. Mizara ny vaovao mahafalin’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao ireo mpaminany, apôstôly sy misiônera ary mpikambana. Aorina any amin’ny tany maro ireo tempoly mba hahafahan’ny olona ho voafehy mandrakizay amin’ny fianakavian’izy ireo. Ary manampy ny olona any amin’ireo toerana ianjadian’ny mosary na loza ny Fiangonana.

Sary
temple, family history, tithing

Afaka manao zavatra ny olona rehetra mba hanampiana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Afaka manampy ianao amin’ny alalan’ny famantarana ny momba ny tantaram-pianakavianao sy ny fanaovana batisa any amin’ny tempoly. Afaka manome fahafolonkarena ianao mba hanorenana fiangonana sy tempoly. Afaka manolotra fanatitra amin’ny fifadian-kanina ianao mba hanampiana ireo olona sahirana. Afaka miresaka amin’ny olona momba an’i Jesoa Kristy ianao.

Sary
boy taking the sacrament

Nomen’i Jesoa antsika ny Fiangonany mba hanampiana antsika hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Afaka mandray ny fanasan’ny Tompo isika ary mahatsiaro mandrakariva ny zavatra nataony ho antsika. Afaka mampiseho fitiavana ny hafa toy ny nataony isika. Afaka manampy ny olona rehetra hianatra momba ny filazantsarany isika! ●

Sary nataon’i Apryl Stott