2020
Midika inona amiko ny Paska?
Aprily 2020


Avia, hanaraka Ahy: Bokin’i Môrmôna

Midika inona amiko ny Paska?

30 martsa–12 aprily Paska

Sary
What Does Easter Mean for Me

Ankalazaintsika amin’ny Paska “ny andro manan-danja indrindra ara-tantara”1 dia ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika tamin’ny maty. Ivon’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra izany zava-nitranga izany.

Voafidy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba ho Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Nampanantena Izy fa hanolotra fomba mba hahavoavela ny fahotantsika sy mba hiverenantsika any amin’ilay fonenantsika any an-danitra.

Nanatanteraka ilay fampanantenany i Jesoa tamin’izany maraina voalohan’ny Paska izany. Nandresy ny fahafatesana Izy. Vokatr’izany dia “Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; eny, fahazavana tsisy fiafarany izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana; eny, ary koa fiainana izay tsisy fiafarany mba tsy hisian’ny fahafatesana intsony” (Môzià 16:9).

Inona avy ireo fitahiana entin’ny Fitsanganana amin’ny maty ho anao?

Fibebahana

Manontany antsika tsirairay i Jesoa Kristy hoe: “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?” Mampanantena Izy hoe: “Na zovy na zovy no ho avy, dia Izy no horaisiko” (3 Nefia 9:13–14). Inona no tsapanao rehefa mibebaka ianao?

Fitsanganana amin’ny maty

Tsy azo ihodivirana ny fahafatesana saingy ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana dia manome antoka antsika fa hitsangana amin’ny maty ny rehetra, ka hakambana indray ao amin’ny endriny tomombana ny fanahy sy ny vatana (jereo ny Almà 11:43). Ahoana no ahafahan’ny Fitsanganana amin’ny maty mitondra fanantenana ho anao?

Fiainana mandrakizay

Manome fahafahana ny hahazoana ny fiainana mandrakizay na ny fisandrantana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Tsy maintsy mankatò ireo didy isika mba hahazoana izany fitahiana izany. Nantsoin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “ny lalan’ny fanekempihavanana”2 ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanarahana izany lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay izany?

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Indro ny lehilahy!” Liahona, mey 2018, 108.

  2. Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 7.