2020
Ny fomba hitondran’ny tanora anjara biriky ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana
Aprily 2020


Tanora

Ny fomba hitondran’ny tanora anjara biriky ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana

Nanana anjara asa manan-danja foana ny tanora tao anatin’ny asa famonjena.

Sary
young adults

Isaky ny maheno fanasana avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ianao mba handray anjara ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana na mba hanangona an’i Isiraely, dia moa ve ianao efa mba nieritreritra hoe, “Inona no azoko atao? Olona iray monja aho,” “Mbola tanora loatra aho,” “Tsy mbola manambady aho,” na “Tsy ampy ny fahalalako. Inona no anjara biriky azoko entina?”

Indraindray tonga ao an-tsaintsika tsirairay avy ireo karazana eritreritra ireo. Saingy miezaha mampangina izany ahiahy ananan’ny tena izany rehefa mamaky ireto fehezan-teny vitsivitsy manaraka ireto ianao:

  • 22 taona monja i Joseph Smith tamin’ny fotoana nanombohany nandika ny Bokin’i Môrmôna.

  • I Oliver Cowdery dia 22 taona koa ary i John Whitmer 26 taona (ary samy tsy nanambady!) rehefa nanomboka niasa ho mpitantsoratr’i Joseph izy ireo.

  • Tamin’ny 1835 rehefa nantsoina ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo voalohany dia teo amin’ny 23 taona ka hatramin’ny 35 taona ny taonan’izy ireo.

  • Maro tamin’ireo Olomasina tany am-piandohana no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana sy nampiely ny filazantsara tao anatin’ny fahatanoran’izy ireo.

Raha fehezina dia niasa tamin’ny alalan’ny tanora Andriamanitra tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Olona tahaka anao mihitsy.

Diniho tsara izany.

Tsy ho niely nanerana izao tontolo izao ny Fiangonana amin’izao fotoana izao raha toa ka nieritreritra ny olona rehetra fa tsy afaka mitondra anjara biriky izy ireo. Ary ianao, eny ianao, dia anisan’ny ao anatin’ny taranaka iray voafidy mba hanohy ny famerenana amin’ny laoniny sy hitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao.

Nalefa tety ianao. Amin’izao fotoana izao. Noho ny antony iray.

Rehefa niresaka mikasika ny taranaka misy antsika ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe, “Miaina ao anatin’ny -ora fahiraika ambin’ny folo ianareo.- Nambaran’ny Tompo fa izao no fotoana farany hiantsoany mpiasa ho ao amin’ny tanimboalobony mba hanangona ireo voafidy avy amin’ny vazan-tany efatra. (Jereo ny F&F 33:3–6.) Ary nirahina handray anjara amin’izany fanangonana izany ianareo.”1

Eritrereto ireo tafiky ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno miisa 65,000 izay mizara ny filazantsara mandritra ny andro iray manontolo, isan’andro, manerana an’izao tontolo izao. Eritrereto ireo tanora manao fanekempihavanana any amin’ny tempoly, mahazo tombontsoa amin’ireo fitahiana naverina amin’ny laoniny avy amin’ny fisoronana sy ny tempoly ary manao fanekempihavanana mba ho mahatoky sy hanamafy orina ny fianakaviany ary hanorina ny fanjankan’ Andriamanitra eto an-tany. Eritrereto koa ireo tanora izay manompo manerana izao tontolo izao amin’ny maha-mpitarika azy ireo ao amin’ny Fiangonana. Eritrereto ireo mibosesika mandroso mba hanaraka an’i Jesoa Kristy na dia eo aza ireo zava-tsarotra rehetra niainan’izy ireo. Efa ampahany manan-danja ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny hatrany am-piandohana ireo tanora. Ary ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana dia ampahany manan-danja ao anatin’ny fiainan’ireo tanora tsy tambo isaina izay mpikamban’ny Fiangonana.

Ny lanjan’ny Famerenana amin’ny laoniny ho antsika

Ho an’ny maro amintsika dia vokatry ny zavatra nampianaran’ny Famerenana amin’ny laoniny antsika ny fandraisantsika anjara ao anatin’izany. Ho an’i Vennela Vakapalli, izay tanora mpikambana avy any Andhra Pradesh, Inde, dia “resaka fikatsahana fanambarana ny Famerenana amin’ny laoniny. Nikatsaka fanambarana tany anaty ala i Joseph Smith. Naka hevitra tamin’ny Tompo izy, ary niandry ny valiny. Nanana faharetana izy. Izay no zavatra tiako.” Nanazava i Vennela hoe: “Nialoha ny nandrenesako mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny, dia tsy nahafantatra be loatra mikasika ny fikatsahana fanambarana aho. Ny iray amin’ireo zavatra lehibe indrindra mahavariana ahy dia ny habetsahan’ny fotoana nolaniany mba hahazoana fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Izany no nianarako avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny.”

I Emma sy i Jacob Roberts, izay mpivady vao herotrerony avy any Utah, Etazonia dia manaiky fa ny Famerenana amin’ny laoniny dia resaka “fanambarana eo an-dalam-pitohizana,” ho antsika sy ho an’izao tontolo izao,” fa isika dia afaka manana mpaminany iray eto an-tany, izay mpitondra teny eto an-tany avy amin’ Andriamanitra, izay manome antoka fa na inona na inona olana entin’izao tontolo izao, dia manana olona iray izay miasa miaraka amin’ Andriamanitra sy mivavaka ary miresaka Aminy isika ary mba hanaovana izay hahavonona antsika sy hananantsika fahafahana hiatrika ireo fanamby entin’izao tontolo izao noho ny fiovan’izany.”

“Manamora sy manamaivana kokoa ny fiainako ireo fahalalana maro dia maro avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny,” hoy i Jacob. Tonga ao anatin’ny fanomezana antoka ny zava-drehetra fa “misy Andriamanitra izay tia antsika ary miambina antsika,” hoy i Emma. “Ny hahazoantsika fifaliana no tanjony. Amin’ny maha-tanora antsika dia afaka miantehitra sy manaraka Azy tanteraka isika satria fantatsika fa ny tanjony dia ny hahazoantsika fifaliana. Fantatsika fa olona misy mandrakizay isika ary izany dia manome fanantenana sy finoana lehibe ho ahy fa na inona na inona zavatra ataoko amin’izao fotoana izao ary na inona na inona fahadisoana ataoko amin’izao fotoana izao, dia mbola afaka mibebaka aho ary manana izao fotoana izao mba hivoarana sy hianarana.”

Izany karazana fanomezan-toky izany koa dia nanampy an’i Ramona Morris, izay tanora iray avy any Barbade, rehefa nahafantatra vao voalohany mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny izy. Ankoatra ireo zavatra hafa, dia nahazo fijoroana ho vavolombelona izy fa “eo ny Ray any An-danitra ho antsika. Mitondra fiadanana ho an’ireo izay mametra-panontaniana mikasika ny tanjon’ny fiainany sy ny drafitr’ Andriamanitra ho azy ireo ny Famerenana amin’ny laoniny.”

Saingy na dia nitondra fahazavana teo amin’ny fiainany aza ny Famerenana amin’ny laoniny dia niaiky izy hoe, “rehefa lavitra ny foiben’ny Fiangonana dia sarotra ny mifandray amin’ny filazantsara, saingy noho ny fananako fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, dia fantatro fa na dia lavitra aza aho, dia mbola afaka mahatsapa ho anisan’ny ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ary tsy irery aho.”

Ary tsy irery tokoa izy. Ny tanora manerana izao tontolo izao dia mandray anjara ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny asa fanompoana any amin’ny tempoly, sy ny tantaram-pianakaviana ary ny asa fitoriana. Miaraka amin’ny fahatakarana ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay azontsika avy amin’ny fahafantarana mikasika ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny, dia afaka manohy mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny anjara asa azontsika atao ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana isika rehetra.

Sary
world map

Sarintany avy amin’ny Getty Images

Tanora mitarika ny Fiangonana

Mety ho tanora isika saingy afaka ny ho mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Na dia izy irery aza no hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviany dia mahazo hery avy amin’ny fandraisan’ireo tanora namany anjara ao anatin’ireo lafiny hafan’ny Famerenana amin’ny laoniny i Janka Toronyi avy any Győr, Hongrie: “Maro tamin’ireo namako no nanao asa fitoriana ary tena mahafinaritra ny nahita ny fivoaran’izy ireo, dia niverina izy ireo avy eo ary tena nivoatra tokoa tao anatin’ny zavatra rehetra niainan’izy ireo. Traikefa tsara ho anay rehetra izany. Ary mahafinaritra foana ny mahita ireo tanora tokan-tena namako manompo ao amin’ny antson’izy ireo ary indraindray aza ao anatin’ireo fahafahana manao zavatra izay foronon’izy ireo toy ny firotsahana an-tsitrapo ho mpanolotsaina mandritra ny fihaonamben’ny RTM (Ry Tanora Mahereza). Tsapako fa tsy voatery ho resaka fampianarana ny olona momba ny filazantsara foana ny Famerenana amin’ny laoniny, fa resaka fanamafisana orina ireo mpikambana ao amintsika koa izany.”

Takatry ny tanora ao Hongrie fa izy ireo no ho mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny hoavy. “Ilaina izahay ary mila manana ny fahaiza-manao hanatanterahana ilay asa izahay, izay indraindray mavesatra,” hoy i Janka niaiky. “Manafaingana ny asa ny Tompo ary mandray anjara ao anatin’izany izahay. Indraindray izahay mieritreritra hoe, -Ahoana no fomba tokony hanaovako an’ity?- Saingy mahafinaritra ny mahita fa tena matoky anay ireo mpitarika anay. Mandrisika an’ireo izay tia ny Fiangonana izany sy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka, satria fantatray fa indray andro any dia izahay no ho tompon’andraikitra. Mila mandray andrakikitra amin’ny fivoaranay manokana ara-panahy izahay.”

I Sean sy i Stefany Joseph avy any amin’ny faritra andrefan’i Australie dia mandray anjara ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny fitarihana ny zatovo ao amin’ny paroasin’izy ireo. “Ho ahy ny atao hoe mandray anjara ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia ny fanampiana ny taranaka vao misondrotra hahatakatra ny dikan’ny filazantsara sy ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo sy ny hafa eo amin’ny fiainan’izy ireo,” hoy i Stefany. “Afaka manampy amin’ny famoronana fototra mafy orina ho an’ny Fiangonana any aoriana ao amin’ny firenenay izahay.”

“Te hanampy ny zatovo izahay hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy momba an’i Joseph Smith ary hahalala manokana fa tena zanak’ Andriamanitra izy ireo,” hoy i Sean nanazava. “Tsy tianay ho hira tsotra fotsiny hirain’izy ireo any amin’ny Kilonga izany fa tianay izy ireo tena hahafantatra fa marina izany.”

Raha ho an’i Vennela, dia tsy mora foana ny fiainana ny filazantsara any Inde, saingy fantany fa ny tanjaky ny tanora mpikambana any dia hanentana ny hafa ary hanampy ny Famerenana amin’ny laoniny mba handroso. “Tena mahatoky ireo tanora aty. Mitady fahafahana hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo izy ireo,” hoy izy. “Toy ny mpamaky lay izahay aty Inde. Mifindra avy any amin’ny toerana samihafa izahay ary ny sasany aminay aza mandao ny fianakavianay. Sarotra ny fiainana aty indraindray saingy mbola misafidy ny hiaina ny filazantsara izahay. Manome ahy fanantenana sy tanjaka sy herim-po lehibe ny soratra masina.”

Na aiza na aiza misy antsika amin’ny maha-tanora antsika dia afaka manana hery mitarika mahery vaika hatrany eo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana isika amin’ny alalan’ny finoantsika sy ny fanolorantenantsika ho an’ny filazantsara.

Ny hoavin’ny Fiangonana: Miankina amintsika izany

Isika no hoavin’ny Fiangonana. Ao anatin’ny tolona farany isika. Miantehitra amintsika ny Ray any An-danitra mba hanampy Azy hanao ny asany, ilay asany manova mandrakizay ny fiainana. Fantany fa ampy ny tanjaka ananantsika mba hibosesehana mandroso sy hiadiana amin’ny zavatra rehetra izay omanin’ny fahavalo. Ary mihakivy i Satana. Fantany fa mitolona amin’ny ady tsy hahazoany fandresena izy satria miroborobo ny asan’ny Tompo.

“Fantatsika fa manafaingana ny asa ny Tompo ary tsy misy olona afaka mampitsahatra an’izany,” hoy i Janka. “Fantatsika fa hitranga izany na inona na inona miseho. Saingy mila manapa-kevitra isika raha toa ka handray anjara ao anatin’izany sy hanampy amin’ny fampandrosoana izany na hiraviravy tanana fotsiny. Manana fahafahana misafidy ny handray anjara ao anatin’izany isika, ary manana fijoroana ho vavolombelona momba ny fisafidianana ny tsara sy hanaraka an’i Kristy. Tokony handray anjara ao anatin’izany isika.”

Noho izany dia anjarantsika ny misafidy hoe aiza no hisy antsika.

Miankina amintsika ny hanana herim-po na tsia hijoro amin’ny zavatra izay inoantsika.

Miankina amintsika ny hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana eo amin’ny fiainantsika na tsia.

Miankina amintsika ny manome fahafahana na tsia ireo olana sarotra atrehantsika mba hanamafy orina ny finoantsika ny Mpamonjy.

Miankina amintsika ny hanaraka Azy na tsia sy hanao na tsia izay azontsika atao rehetra mba hitondrana ny hafa ho eo Aminy.

Miankina amintsika ny haharitra hatramin’ny farany na tsia araka izay vitantsika.

Tena ao anatin’ny andro farany isika. Ary ny fitarihana ny Fiangonana ao anatin’ny nantsoin’ny Filoha Nelson hoe “fotoampitantanana faran’izay miavaka eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao”2 dia toy ny andraikitra mavesatra. Kanefa eritrereto fa ampy ny fahatokian’ny Ray any An-danitra antsika ary natokany mba ho ety an-tany amin’ny fotoana iray manokana isika, dia izao fotoana izao izay iatrehantsika fakam-panahy sy zavatra mahavarimbariana tsy tambo isaina ary hevitra mifanohitra maro dia maro.

Raha nalefan’ny Ray any An-danitra ety ao anatin’ilay fotoampitantanana tena manan-danja isika dia tsy hanao zavatra izay tsy hahitantsika fahombiazana mihitsy Izy. Fantany ny hery anaty ananantsika, ny tanjatsika, ny herim-po ananantsika ary fantany indrindra indrindra fa afaka mitondra anjara biriky ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana isika na firy taona na firy taona ary na manambady na tsia. Na dia sarotra toy ny inona aza ny fitsapana atrehantsika, na sarotra toy ny inona aza ny fitondrana sy ny fizarana ny filazantsara manerana ny tany, dia iza moa no sahy hiady amintsika rehefa miaraka amintsika Izy? Hanampy antsika hanatontosa ny zavatra izay heverina fa tsy ho vita velively Izy.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016, 48.

  2. Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, 46.