2020
Mahita fifaliana amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo
Aprily 2020


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Mahita fifaliana amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo

Maro ny zavatra atao eo amin’ny fiainana rehefa tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony. Tena betsaka ireo zavatra tokony hataonay: mandranto fianarana, mikaroka ilay ho vady mandrakizay, manapa-kevitra ny amin’ny asa ho atao, manorina fianakaviana. Miaraka amin’ireo zavatra tsara rehetra ireo dia namporisihana ihany koa izahay ny “ho hita mandrakariva eo am-panaovana ny asan’ny Tompo.”1

“Tonga ny fotoana mba hahatakarantsika rehetra tsara kokoa ny anjara asantsika ao anatin’ny fanafainganana ny asa famonjena. Rehefa raisintsika ho toy ny ampahan-javatra efa fanao mahazatra eo amin’ny fiainantsika ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, … ny fanaovana ny asa any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ny fampianarana ny filazantsara dia hiaina fifaliana lehibe isika ary hahazo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay ilaintsika mba hanamafisana orina ny Fiangonana.”2

Ireto misy tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony vitsivitsy izay be atao eo amin’ny fiainana kanefa mahita fifaliana amin’ny fanokanana fotoana amin’ny asan’ny Tompo.

Tantaram-pianakaviana: Atomboy fotsiny izao

“Nanao zavatra betsaka ho ahy manokana ny Famerenana amin’ny laoniny satria lasa nahafantatra aho fa afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviana,” hoy i Itumeleng Tlebere avy any Maseru, Lesotho. “Azoko sary an-tsaina ireo raibeko sy renibeko ary ireo razambeko izay efa nodimandry. Izay no antony tena hitiavako manao ny tantaram-pianakaviana. Tena maro ny asa ilaiko atao ho azy ireo satria taranaka voalohany ao amin’ny Fiangonana aho.”

Fantratr’i Itumeleng avy tamin’ny zavatra niainany fa ny fikarohana firaketana sy fampahalalana dia mety ho sarotra kanefa izy dia mamporisika ny tanora hafa mba hirotsaka hanao ny tantaram-pianakaviany: “Atombohy fotsiny ilay izy. … Nanampy ahy hahatsapa fankasitrahana ny zavatra ananako ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana.” Afaka ny ho toy izany koa ny fiantraikany eo aminao.

Fanompoana: Meteza ho tanan’Andriamanitra

I Lucy Fergeson avy any Utah, Etazonia dia mizara ny fomba nanampian’ny fanompoana azy nandritra ny herinandro iray izay tena ratsy teo amin’ny fiainany tamin’ny fomba izay tsy nampoiziny. Herinandro nisian’ny fanadinana farany tao an-tsekoly tamin’izay, izay feno zavatra natao, ary vao nisarahin’ny sakaizany izy tamin’izay. Dia hoy izy hoe: “Adinoko fa nanana drafitra izaho sy ny mpiara-manompo tamiko hanao mofomamy ho an’ireo rahavavy izay nampiandraiketina anay.”

Nihaino sy nangoraka ary nanome torohevitra an’i Lucy ilay mpiara-manompo taminy raha teo am-panaovana mofomamy izy ireo. “Ny fanaovana sy fanaterana ilay mofomamy dia tsy zavatra tena nanan-danja na mety tsy hanova zavatra firy” hoy i Lucy tany an’eritreritra. “Fa rehefa naterin’ilay mpiara-manompo tamiko tany an-tranoko aho dia tonga saina fa izany mihitsy no nilaiko mba hahatsaratsara ahy ary indraindray dia mandefa olona mba ho tanany Andriamanitra. Ny tena nahavariana ahy dia hoe avy tany amin’ilay mpiara-manompo amiko ilay fanampiana fa tsy avy tany amin’ireo rahavavy nampiandraiketina anay. Feno fankasitrahana aho fa nanampy ahy tsy hahatsapa ho irery izy ary misy mitia aho.”

Asa fitoriana ny filazantsara: Meteza ho ohatra

Tsy voatery ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno ianao vao afaka manaparitaka ny filazantsara. I Vennela Vakapalli avy any Andhra Pradesh any Inde dia manazava hoe: “Rehefa any anaty fiara fitateram-bahoaka aho na rehefa any anaty fiaran-dalamby dia manokatra sy mamaky ny Bokin’i Môrmôna. Dia manontany ahy momba izany ny ankamaroan’ny olona.”

I Ashlee Dillon avy any Utah any Etazonia dia mizara ny hoe: “Tsy midika akory hoe tsy mpitory ny filazantsara aho rehefa tsy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno . Raha tokony handao ny fianakaviako mba hanompo ny Tompo aho dia manompo ny Tompo miaraka amin’ny fianakaviako kosa aho. Manompo ny hafa aho ary manao izay hahatonga ahy ho ohatra amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.”

Ny maha ray aman-dreny: Ampianaro ny filazantsara ireo ankizy

I Ingrid de Bastian Ortiz avy any Veracruz any Mexique izay 26 taona dia renin-janaka telo. Manazava izy hoe: “amin’ny maha ray-aman-drenina zaza mbola kely ahy dia misy andro izay tena mila tsy ho zaka noho ireo raharaha ao an-trano izay toa tsy misy fiafarana sy ireo zaza mila ny fifantohako amin’izy ireo. Kanefa izahay dia mahatsapa fa andraikitra goavana ny mampianatra ny filazantsara an’ireo zanakay mba hahafantarany fa zanak’Andriamanitra izy ireo.

“Ny andraikitro amin’ny maha-reny ahy dia ny hanampy azy ireo hahatakatra manokana fa manana drafitry ny famonjena ho azy ireo ny Raintsika any An-danitra.”

Na dia mbola tsy ray aman-dreny aza ianao dia afaka ny hanana anjara amin’ny fampianarana ireo ankizy. “Tena manan-danja ny hahafantaran’ireo ankizy momba ireny fitsipika sy ireny fotopampianarana ireny,” hoy i Ingrid, “ka afaka ny hitondra anjara biriky isika amin’ny maha-tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony antsika ao amin’ireo antso sasantsasany ao amin’ny Kilonga sy ny Garderie.”

Samy tanora be zavatra atao avokoa isika. Fa na inona na inona toe-javatra misy anao dia afaka ny hahita fomba tsotra hanaovana ny asan’ny Tompo ianao na lehibe izany na kely eo amin’ny lafin’ny fiainanao rehetra.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Mandrapihaonantsika indray,” Liahona, nôv. 2013, 110.