2020
Nanana fanantenana tao amin’ny fiavian’i Kristy izy ireo ary afaka manana izany koa isika
Aprily 2020


Nanana fanantenana TAO amin’ny fiavian’i Kristy izy ireo ary afaka manana izany koa isika

Nanana fanantenana ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ho avy i Kristy. Rehefa mamaky ny tenin’izy ireo isika dia afaka manana izany fanantenana ny amin’ny hiaviany indray izany koa.

Sary
Christ visiting the Americas

Ilay Fitsidihana, Sary hosodoko nataon’i Jorge Cocco Santangelo

Inona no teny tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ny Bokin’i Môrmôna ianao?

Nefita, Lamanita ary ireo -ita hafa?

Ady, tany foana, loza?

Fibebahana, fanavotana, fahamarinana?

Jesoa Kristy?

Fanantenana?

Ny Paska no fotoana tena tsara hisaintsainana indray ny hafatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny tena manan-danja indrindra tokony hosaintsainina dia ilay hafatra fa i Jesoa no Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Ho afaka amintsika amin’ny farany ireo fijalian’ny vatana sy ny fanahy noho ny Aminy. Hafahana amin’ny fahafatesana sy ny fahotana isika amin’ny farany noho ny Aminy. Afaka mandresy ireo zavatra ratsy rehetra izay atorak’izao tontolo izao ety amintsika isika.

Raha tsorina dia afaka manana fanantenana isika.

Ny fanantenana, ilay fanantenana marina mifototra amin’i Jesoa Kristy, dia namporisika ireo mpaminany fahiny mba hanao firaketana teo amin’ireo takela-bolamena izay lasa ny Bokin’i Môrmôna. Hoy i Jakôba amintsika hoe: “Satria noho izany fikasana izany no efa nanoratanay ireto zavatra ireto dia ny hahazoany mahafantatra fa izahay dia nahalala ny amin’i Kristy, ary nanananay ny fanantenana ny voninahiny taon-jato maro talohan’ny fiaviany” (Jakôba 4:4; nampiana fanamafisana).

Tian’i Jakôba ho fantatsika fa izy sy ireo mpaminany mpanao firaketana hafa dia nahafantatra ny fiavian’i Kristy. Taonjato maro talohan’ny fiaviany! Ary voaentana mba hanana izany fanantenana izany izy ireo tamin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany izay novakin’izy ireo. Nanazava i Jakôba hoe, “ary tsy izahay ihany no nanana ny fanantenana ny voninahiny fa ny mpaminany masina rehetra koa izay talohanay.

“Indro, nino an’i Kristy izy ireny sy nidera ny Ray tamin’ny Anarany, ary izahay koa dia midera ny Ray amin’ny Anarany. …

“Koa, manadihady ny mpaminany ary manana fanambarana maro sy ny fanahin’ny faminaniana izahay; ary satria manana ireo vavolombelona rehetra ireo izahay dia manjary mahazo fanantenana, ary ny finoanay dia tsy voahozongozona” (Jakôba 4:4–6; jereo koa ny 1 Nefia 19:21; Jakôba 7:11; Môzià 3:13; Helamàna 8:16).

Ny fanantenana azon’izy ireo avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo manokana sy avy amin’ireo faminaniana novakian’izy ireo tao amin’ny soratra masina dia nanomana azy ireo amin’ilay andro hiavian’i Kristy. Mamporisika antsika torak’izany koa ireo mpaminany amin’izao fotoana izao mba hiomana amin’ny fiavian’i Kristy indray. Raha te hanana izany fanantenana izany isika dia mila koa “manadihady ny mpaminany, ary [mikatsaka ny hanana] fanambarana maro sy ny fanahin’ny faminaniana.” Ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika an’i Jesoa Kristy dia tsy hampatanjaka ny antsika fotsiny fa hanampy antsika koa hiomana amin’ny Fiaviany.

Lehia

“Noho izany, dia manan-danja lehibe ery ny fampahafantarana ny mponina eto an-tany ireo zavatra ireo mba hahafantarany fa tsy misy nofo izay afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina izay manolotra ny ainy araka ny nofo sy maka izany indray amin’ny herin’ny Fanahy mba hahazoany manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty ka Izy no santatra izay hitsangana amin’ny maty.”

Nefia

“Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”

Mpanjaka Benjamîna

“Ary hantsoina hoe Jesoa Kristy Izy, Ilay Zanak’ Andriamanitra. …

“Ary indro tonga any amin’ny azy Izy mba hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona, noho ny finoana ny anarany; … 

“Ary hitsangana amin’ny maty Izy amin’ny andro fahatelo. …

“Fa indro, ary ny rany koa dia manonitra noho ny fahotan’ireo izay efa lavo noho ny fandikan-dalàn’i Adama, izay efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ny tsy fahalalana.”

Almà

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny Olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”

Amioleka

“Ary izany sorona lehibe sady farany izany dia ho ny Zanak’ Andriamanitra, eny, tsisy fetra ary mandrakizay.

“Ary dia toy izany no hitondrany famonjena ho an’ireo rehetra izay hino ny anarany; izany no anton’ity sorona farany ity, dia ny hahatanteraka ny kibon’ny famindram-po, izay mandresy ny fahamarinana ary mitondra fitaovana ho an’ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ny fibebahana.

“Ary arak’izany, ny famindram-po dia afaka manefa ny fitakian’ny fahamarinana sy mamihina azy ireo amin’ny sandrin’ny fiantohana, fa izay tsy mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana kosa dia mankahatra ny lalàna manontolon’ny fitakian’ny fahamarinana, koa ho an’izay manana finoana ho amin’ny fibebahana ihany no tanterahina ny drafitry ny famonjena lehibe sy mandrakizay.”

Sary
the Savior in Gethsemane

Gethsemane, by Jorge Cocco Santangelo

Samoela ilay Lamanita

“Fa indro, tsy maintsy ho faty marina tokoa Izy mba hahatongavan’ny famonjena; eny, takiana Aminy ary zary ilaina ny hahafatesany mba hahatanteraka ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty, fa amin’izany no hahazoana mitondra ny olona ho eo anatrehan’ny Tompo.

“Eny, indro, izany fahafatesana izany dia manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty sy manavotra ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana voalohany—ilay fahafatesana ara-panahy; fa ny olombelona rehetra, noho ny fahalavoan’i Adama, dia nesorina teo anatrehan’ny Tompo ary heverina ho toy ny maty raha ny amin’ny zavatra ara-nofo sy ny zavatra ara-panahy.

“Nefa indro, ny fitsanganan’i Kristy amin’ny maty dia manavotra ny olombelona, eny, dia ny olombelona rehetra, sy mitondra azy hiverina eo anatrehan’ny Tompo.”

Sary
Christ with children

Blessing the Children, by Jorge Cocco Santangelo

Môrmôna

“Fantaro fa tsy maintsy tonga amin’ny fahalalana ny razanareo ianareo ary mibebaka amin’ny fahotanareo sy ny helokareo rehetra sy mino an’i Jesoa Kristy, fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, ary novonoin’ny Jiosy Izy, ary tamin’ny herin’ny Ray no efa nitsanganany indray, tamin’izany no efa nahazoany fandresena tamin’ny fasana; ary tao Aminy koa dia voatelina ny fanindronan’ny fahafatesana.

“Ary Izy no manatanteraka ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty, ka amin’ny alalan’izany no tsy maintsy ananganana ny olona hijoro eo anoloan’ny toeram-pitsarany.

“Ary Izy no efa nanatanteraka ny fanavotana izao tontolo izao, ka tamin’izany, izay hita tsisy tsiny eo anoloany amin’ny andro fitsarana dia homena azy ny hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana mba hihira, miaraka amin’ny amboaram-peo any ambony, ny fankalazana tsy an-kiato ho an’ny Ray sy ho an’ny Zanaka ary ho an’ny Fanahy Masina, izay Andriamanitra iray ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay tsy manam-piafarana.”