2020
Mihevitra ve ianao fa tsy manana tanjona hotratrarina ianao amin’izao fahatanoranao izao? Mieritrereta tsara aloha
Aprily 2020


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Mihevitra ve ianao fa tsy manana tanjona hotratrarina ianao amin’izao fahatanoranao izao? Mieritrereta tsara aloha

Mety hampatahotra ny mieritreritra hoe hitarika ny Fiangonana indray andro any, saingy misy fomba maro ahafahanao manomboka mitarika izao.

Amin’ireo andro mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany dia hisy “ady sy tabataban’ady.

“… Hitsangana ny firenena hamely firenena ary ny fanjakana hamely fanjakana; hisy mosary sy areti-mandringana ary horohoron-tany amin’ny toerana samihafa.

“Ary ankoatra izany, satria ho sesehena ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona” (Joseph Smith—Matio 1:28–30).

Ao anatin’ny korontana toy izany dia iza no hanampy ireo rahalahintsika sy rahavavintsika, ao anatiny sy ivelan’ny voaly, hiverina ho any amin’ny Raintsika any An-danitra?

Amin’izay fotoana izay mihitsy isika no tokony hirotsaka.

Ny fomba tokony hitarihantsika

Nantsoina hoe iray amin’ireo taranaka tanora izay matanjaka indrindra isika. Nofaritan’ny Filoha Russell M. Nelsona ho ireo olona “izay ananan’ Andriamanitra fitokisana ampy mba halefa ety ambonin’ny tany mandritra ny fotoampitantanana goavana indrindra eo amin’ny tantaran’ity izao tontolo izao ity” isika (“Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016, 46).

Koa ahoana ary no iainantsika ny fahafahantsika ho lasa mpitarika lehibe ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo? Rehefa mijery ny manodidina anao ianao dia ho tsikaritrao fa efa mpitarika lehibe ianao na manao ahoana na manao ahoana.

Mety hitarika ianao ao amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana. Amin’ny maha-misiônera anao dia mety hitarika fifanakalozan-kevitra ianao, na mety hiandraikitra asa fitoriana, na mety ho voatendry ho mpitarika ny faritra na rahavavy mpitarika. Afaka ny ho mpitarika ianao any amin’ny fianakavianao na eo anivon’ireo namanao. Afaka mitarika ireo razambenao mankany amin’ny fanavotana ianao amin’ny alalan’ny asan’ny tantaram-pianakaviana. Mety ho lasa mpitarika ara-politika mihitsy aza ianao, ary afaka mitarika foana amin’izay zavatra safidinao atao.

Saingy mipetraka ny fanontaniana hoe, ahoana no tokony hitarihantsika? Ny mpamonjy dia nitarika tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony. Raha nitarika Izy dia nanao hoe: “Avia hanaraka Ahy,” fa tsy hoe: “Ny lalako no tsara.” Nanompo Izy, nampianatra, nitia, ary nikarakara ny manodidina Azy. I Jesoa Kristy no ohatra voalohany indrindra amin’ny mpitarika. Ary mba ho taranaka mpitarika lehibe dia afaka manomboka isika amin’ny fiezahana ny ho tahaka ny Mpamonjy sy amin’ny fanaovana ireto zavatra madinika ireto:

  1. Mivavaha ho an’ireo izay sahirana, na ireo izay mila fanampiana, na ireo izay iandraiketanao, ary katsaho ny hahafantatra ny fomba hanampiana azy ireo. Mivavaha ho azy ireo tsirairay amin’ny fanononana ny anarany, tahaka ny nanompoan’ny Mpamonjy olona “tsirairay” (3 Nefia 11:15).

  2. Makà fotoana hikarohana ao amin’ny soratra masina ireo ohatra tsara momba ny fitarihana, indrindra avy amin’ny Mpamonjy.

  3. Mivavaha ho an’ny paroasinao sy ny tsatòkanao ary ireo mpitarika ambony ao amin’ny Fiangonana. Mivavaha ihany koa ho an’ireo mpitondra fanjakana, mba hoentanim-panahy sy hiasa ao anatin’ny fanahin’ny fiadanana sy firaisan-kina izy ireo.

  4. Fantaro ny olona manodidina anao. Tadiavo hoe inona ny zavatra mahaliana azy ireo, ny fianakavian’izy ireo, ny fianaran’izy ireo, ary ny fanirian’izy ireo sy ny zavatra mahafinaritra azy ireo amin’ny fiainana (jereo ny Efesiana 2:19).

  5. Vakio ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ary saintsaino ny fomba hahatratraranao ny tsara indrindra any aminao.

Rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hitarihana amim-pahamarinana dia ho lasa tena mpianatra sy mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy isika ary ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika. Rehefa manao sy manaja fanekempihavanana masina isika dia mendrika ny handray ny fiomanana sy ny fiarovana ara-panahy ilaina hoentina miady amin’ny fahavalo.

Azonao atao ny manomboka izao

Ho karazana mpitarika toy ny ahoana ianao? Na, raha hilaza ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy: “Koa tokony ho karazana [mpitarika] toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27).

Koa satria mihamanakaiky ny Fiaviana fanindroany isika dia mila mpitarika marina betsaka kokoa izay manaraka ireo mpaminaniny sy mirotsaka ao amin’ity ady ity ny Tompo. Mila antsika Izy. Efa eo amin’ny ora faha-11 isika ary manana zavatra betsaka tokony hatao. Afaka manomboka miomana ny ho lasa taranaka lehibe ana mpitarika isika izao. Tsy mbola tara mihitsy izao raha hanomboka. Raha misy zavatra tokony horesahinao amin’ny evekanao dia afaka manampy anao izy eo amin’ny lalan’ny fibebahana. Raha mila fitarihana ianao ny amin’ny fomba hivoaranao dia hatsarao ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka maneho anao ny tokony halehanao Izy ireo miainga avy eo amin’izay misy anao. Samy voantso izaho sy ianao izao mba hanao ny asan’ny Tompo sy hanampy ny mpaminanintsika hitarika ny fianakaviamben’i Isiraely ho any amin’ny toerana azo antoka, ary rehefa miezaka manao izay tsara indrindra vitantsika isika dia hahomby.