2020
Ny fianakaviana mandrakizain’i Alonso
Aprily 2020


Ny fianakaviana mandrakizain’i Alonso

“Satria ao no hamehezana ny fianakavianay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99).

“Afaka ny hiaraka amin’i Dada sy i Neny indray ve aho?”

Sary
Alonsos Forever Family

“Ny Paska dia fotoana tsara hieritreretana momba an’i Jesoa sy hahatsiarovana ny Fitsanganany tamin’ny maty,” hoy Rahavavy Rojas. Nihazona sarin’i Jesoa Kristy izy. “Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho velona indray ny olona efa maty.”

Nitraka i Alonso rehefa nilaza izany ny mpampianatra azy tao amin’ny Kilonga. Midika ve izany fa afaka ny hahita indray ny ray aman-dreniko aho? Nanontany tena i Alonso.

Efa maty taona maro lasa i Neny. Tsy dia tadidin’i Alonso tsara izy saingy tiany ny mijery ny sariny. Dia maty koa i Dada.

Mipetraka any amin’i Abuela renibeny i Alonso amin’izao fotoana izao. Nampianariny azy ny momba ny fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hatao batisa sy horaisina ho mpikambana izy ny taona manaraka rehefa ampy taona.

Nihazona sarina tranobe fotsy iray rahavavy Rojas avy eo. “Ny tempoly no fanomezana iray hafa mahatalanjona avy amin’i Jesoa. Iray amin’ireo tempoly any Chili ity.”

Nojeren’i Alonso ilay sarivongana volamena teny amin’ny tampon’ilay tranobe. Tena tsara tarehy ilay izy! Nanontany tena ny amin’ny zavatra mitranga ao anatin’izany izy.

“Ny tempoly dia toerana izay hamehezana miaraka ireo fianakaviana mba haharitra mandrakizay,” hoy rahavavy Rojas. “Tao amin’io tempoly ao Santiago io no namehezana ahy sy ny ray aman-dreniko taorian’ny naha-mpikambana ny Fiangonana anay. Noho izahay nofehezina dia afaka ny hiaraka amin’izy ireo na dia aorian’izao fiainana izao aza aho.”

Tena faly i Alonso rehefa naheno izany. “Afaka ny hofehezina amin’ny ray aman-dreniko koa ve aho?” hoy izy nanontany. “Na dia efa maty aza izy ireo?”

Naneho eny tamin’ny lohany rahavavy Rojas. “Eny! Anisan’ny antony iray maha-manan-danja tokoa ny tempoly izany. Mitahy ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviantsika izany, tafiditra ao anatin’izany ireo izay efa nodimandry.”

Nieritreritra foana mikasika ny tempoly i Alonso mandra-pahatapitr’ilay andro. Nangatahiny mba hampianatra azy bebe kokoa i Abuela. Niresaka mikasika ireo akanjo fotsy hanaovan’ny olona ao anatin’izany sy ireo zava-kanto tsara tarehy eny amin’ny rindrina izy.

“Fa ny tena tsara indrindra dia ao no ahafahanao ho voafehy amin’ny ray aman-dreninao,” hoy i Abuela. “Hangataka olona roa avy ao amin’ny paroasy isika mba hijoro eo amin’ny toeran’izy ireo mandritra ilay famehezana.”

“Azo atao rahampitso ve izany?” Hoy i Alonso nanontany. “Te hiaraka amin’i Dada sy i Neny mandrakizay aho?”

Nitsiky i Abuela. “Faly aho fa te handeha ho any ianao,” hoy izy. “Saingy any Concepción no tempoly akaiky indrindra. Tsy manana vola ampy hividianana tapakila handehanana fiara fitateram-bahoaka isika.”

“Hanampy amin’ny fanangonam-bola hanaovana ilay dia aho!” Hoy i Alonso.

Nanomboka tamin’izay isaky ny mahita vola madinika eny an-dalana na manana fahafahana hahazoana vola i Alonso dia mandoa fahafolonkarena izy ary avy eo ampidiriny ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny tempoly ny ambiny.

Volana maro taorian’ny fanangonam-bola dia nanana vola ampy ihany i Alonso sy i Abuela hanaovana ilay dia mankany amin’ny tempoly. Nangataka an-drahalahy sy rahavavy Silva izy ireo mba hiaraka amin’izy ireo. Nandeha nandritra ny fotoana maharitra tamin’ny fiara fitateram-bahoaka nankany Concepción izy ireo ny andro nanaovana ilay dia. Efa hody ny masoandro raha nahita zavatra toy ny volamena teny lavidavitra i Alonso.

“Mahita ny anjely Môrônia aho!” Hoy i Alonso nanondro ilay sarivongana teny amin’ny tampon’ilay tafo boribory miloko manga an’ny tempoly.

Nipetraka tao amin’ny trano fonenana iray teo akaikin’ny tempoly izy ireo nandritra ny alina. Niditra ny tempoly vao voalohany indrindra i Alonso ny ampitson’izany. Nahita sarin’i Jesoa Kristy lehibe iray izy. Nanao akanjo fotsy izy sy i Abuela. Nahatsapa fifaliana sy fiadanana izy.

Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny famehezana dia niditra ilay efitrano tsara tarehy nahitana fitaratra maro teny amin’ny rindrina i Alonso. Nasehon’ny mpiasa iray ao amin’ny tempoly an’i Alonso, sy i Abuela ary an-dry Silva mivady ny fomba fandohalihana manodidina an’ilay latabatra miavaka antsoina hoe alitara. Voafono ravindamba malefaka izany.

Nisolo tena ny ray sy ny renin’i Alonso ny Rahalahy sy Rahavavy Silva. I Abuela dia nisolo tena ny anabavin’i Alonso izay maty talohan’ny nahaterahan’i Alonso.

Naka sary an-tsaina an’ilay fianakaviany rehetra tafaraka i Alonso teo am-panakimpiana ny masony.

Tsy andriko izay ahitana azy ireo indray, hoy i Alonso tany an-tsainy. Feno fankasitrahana aho fa afaka hiaraka mandrakizay ny fianakaviana!

Sary nataon’i Mark Jarman