2020
Ahoana no nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna?
Aprily 2020


Ahoana no nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna?

Sary
Restoration Project: 213 Translation begins. (Joseph and Oliver working on translation).

Talohan’ny nanafenany ireo takela-bolamena dia nanoratra teo amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia, izay mpaminany farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, fa hadika “noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” ilay boky. Mbola io hatrany no fomba tsara indrindra hamaritana ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

Nanonona ireo teny ho an’ny dikanteny tamin’ny mpitantsoratra i Joseph Smith, ary i Oliver Cowdery izany tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. Koa satria nandika fiteny iray izay tena tsy fantatra mihitsy i Joseph, dia nila niantehitra tamin’ny Tompo izy. Fomba iray nanampian’ny Tompo azy ny fanolorana fitaovana azo tsapain-tanana mba hanampiana an’i Joseph tamin’ny fandikana. Nilaza ireo vavolombelona fa nijery tao amin’ireo fitaovana i Joseph dia niseho taminy tamin’ny teny anglisy ireo teny. Anisan’ireo fitaovana fandikan-teny ireo “fandikan-teny” na “Orima sy Tomima”, izay vato mazava miisa roa nasiana sisiny vy toy ny solomaso mba hahafahan’i Joseph mijery ao anatin’izy ireo. Nomena an’i Joseph niaraka tamin’ireo takelaka izany. Fitaovana iray hafa nampiasain’i Joseph ny “vato mpahita” iray izay nojereny, ary matetika ilay izy no napetrany tao anaty satroka rehefa nanao izany izy. Hitan’i Joseph tany aloha tany io vato io ary nampiasainy mba hitadiavana zavatra miafina na very. Samy nampiasainy ireo fandikan-teny sy ilay vato mpahita rehefa nandika teny izy, ary niantehitra hatrany tamin’ny fitaomam-panahy avy any an-danitra.

Tena mahagaga tokoa ny Bokin’i Môrmôna ary natao “noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” izany.