2020
Mampatanjaka ny finoanao amin’ny alalan’ny Fahitana Voalohany
Aprily 2020


Mampatanjaka ny finoanao amin’ny alalan’ny Fahitana Voalohany

Mivavaka aho mba hanarahanareo ny fomba fivavak’i Joseph, hianatra ireo fahamarinana izay nianarany ianareo, ary hampatanjaka ny finoanareo ny Rainareo any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Sary
Teenaged Elder Anderson shares his beliefs with friends Illustration of Elder Neil Anderson when he was 16 years old at a conference he traveled to the east coast to attend. He is in a informal group of people and he is explaining his beliefs to the group.

Fony aho 16 taona dia nandao ny tranoko tao Idaho aho mba handeha hamonjy fihaonambe iray tany amin’ny Morontsiraka Atsinanan’i Etazonia, izay natrehan’ny zatovolahy sy zatovovavy avy amin’ireo faritany rehetra miisa 50 sy firenena efa ho 40 isa. Talohan’izay dia an-kavitsiana ny fotoana niainako tao anatina toe-javatra izay nampiavaka ny zavatra inoako sy ny zavatra naharesy lahatra ahy tamin’ny an’ireo olona manodidina ahy.

Indray hariva tao anatina vondrona tsotra iray, dia nisy fifanakalozan-kevitra niainga mikasika ny sasany amin’ireo zavatra inoana sy fomba fanaon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nifantoka tamiko tampoka ny vondrona iray nahitana mpianatra maro ka nanomboka nametraka fanontaniana, ary ny sasany tamin’izany dia nitsikera ny zavatra inoantsika.

Nanampoka ahy izany. Saingy rehefa avy nieritreritra nandritra ny fotoana fohy aho dia nanomboka nizara fitsipika fototry ny filazantsara vitsivitsy. Nanazava aho fa manana Ray any An-danitra isika, fa zanany lahy sy zanany vavy isika, ary tonga eto an-tany isika mba hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy sy haneho ny fankatoavantsika amin’ny alalan’ny fisafidianana ny tsara fa tsy ny ratsy.

Ny fizarana ireo fitsipika ireo dia nitarika ahy ho amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith. Tsy nanontany momba an’i Joseph Smith ireo mpianatra hafa, kanefa lasa niresaka mikasika ny niavian’ny antony inoako ny zavatra inoako aho. Rehefa nitantara ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka tao amin’ny Ala kely Masina aho dia nangina tampoka ny rehetra. Nisy fahatsapana fahamasinana mahery vaika niditra ilay efitrano, ary nisy fahatsapana hery ara-panahy goavana nitoetra teo amiko sy tao anatin’ny teniko.

Taorian’izay dia nisaotra ahy ny mpianatra maromaro noho ny finoana mahery vaika ananako. Nangataka fampahalalana bebe kokoa momba ny Fiangonana mihitsy aza ny sasany. Rehefa niverina tao amin’ny efitranoko aho tamin’izay alina izay dia fantatro fa izaho no olona nahazo zavatra betsaka indrindra avy tamin’io zavatra niainana io. Izaho mihitsy no nahatsapa ny herin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary ny Fahitana Voalohany.

Hatramin’ny nitrangan’izay zavatra niainana izay 50 taona mahery lasa izay, dia nijoro ho vavolombelona in-jato kely momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Mpaminany Joseph Smith aho. Tao anatin’ireo zavatra niainana ireo dia nahatsapa mandrakariva ny fijoroana ho vavolombelona manamafy avy amin’ny Fanahy Masina aho.

Tiako ny hizara fitsipika dimy izay nianarako avy amin’ny fahatakarako ara-panahy ny Fahitana Voalohany. Ireo fitsipika ireo dia nampatanjaka ny finoako ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahy Malalany ary ny faniriako hanaraka Azy ireo. Manantena aho fa hampatanjaka anareo koa izany.

Sary
An illustration of the First Vision

1. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia olona telo miavaka tsara.

Nandritra ny taonjato maro dia niady hevitra ny amin’ny toetoetran’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ireo manam-pahaizana momba ny fivavahana sy ireo mpahaifotokevitra. Maro no nino fa olona iray Izy Ireo. Noho ny zavatra niainan’i Joseph Smith tao amin’ny Ala kely Masina 200 taona lasa izay, dia fantatsika ny fahamarinana faratampony momba ny toetoetra marin’ Andriamanitra.

Voalohany indrindra dia velona Izy! Faharoa, ny Ray sy ny Zanaka dia olona roa misaraka, be voninahitra, efa nitsangana tamin’ny maty ary samy miavaka tsara. Taty aoriana dia fantatr’i Joseph fa “ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy. Fa raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22).

2. Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika

Nianaran’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny Fahitana Voalohany sy ny zavatra niainana hafa fa tsy hery any lavitra any izay nahary an’izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy Andriamanitra ary avy eo dia nanadino ny momba azy ireo. Raha ny zava-misy marina, isika tsirairay avy dia “zanakavavy [na zanakalahy] malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”1

Ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia milaza hoe: “Ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”2 Efa nambaran’ny Raintsika mazava tsara izany anjara izany hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Ny tena maha-izy antsika dia avy amin’ Andriamanitra, ary tonga eto an-tany isika mba ho lasa tahaka Azy bebe kokoa. Io fahatakarana avy amin’ny Fahitana Voalohany io dia namela ahy tamin’ny naha-zatovolahy ahy mba hahafantatra fa manana Ray any An-danitra ahy manokana izay tia ahy aho ary maniry ny hiverenako any Aminy.

3. Afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika isika

Isan’ny olana lehibe indrindra nananan’i Joseph ny mba ho voavela amin’ny fahotany. Ao amin’ny fitantarana iray momba ny Fahitana Voalohany dia niresaka tamin’ilay tanora mpikatsaka fahamarinana tamin’ireto teny ireto ny Tompo hoe: “Ry Joseph zanako lahy, voavela ny fahotanao. Mandehana, araho ny lalàko, ary tandremo ny didiko. Indro, izaho no Tompon’ny voninahitra. Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana ho an’izao tontolo izao aho, mba hahazoan’izay rehetra mino ny anarako ny fiainana mandrakizay.”3

Nianaran’i Joseph fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izy dia afaka ny ho voavela amin’ny fahotany ary ho lasa madio sy tsisy pentina eo anatrehan’ Andriamanitra. Nomena fahalalana azo antoka izy fa nitondra teo Aminy ny fahotana sy ny enta-mavesatr’ireo rehetra izay efa niaina sy mbola hiaina eto an-tany i Jesoa Kristy.

Fantatsika avy amin’ny Fahitana Voalohany fa noho ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika, dia afaka ny ho voavela amin’ny helotsika ihany koa isika ary indray andro any dia hijoro tsy misy pentina eo anoloan’ Andriamanitra.

4. Maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra

Tao amin’ilay ala kely tamin’izay andro izay, tamin’ny taona 1820, dia nianaran’i Joseph fa maheno sy mamaly vavaka ny Ray any An-danitra. Taty aoriana dia hoy i Joseph hoe: “Nananako tanteraka ny fahatokiana ny hahazo toromarika avy amin’ Andriamanitra, toy izay efa azoko teo aloha” (Joseph Smith—Tantara 1:29). Ny ohatra nasehony dia mampianatra antsika fa afaka manatona ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka isika mba hahazoantsika ny valin’ny vavaka ho antsika manokana.

Namerimberina io fomba fivavaka io foana i Joseph. Natoky izy fa handre sy hamaly ny vavaka nataony ny Tompo. Nivavaka momba ireo zavatra izay azo antoka fa nentinareo am-bavaka izy.

Nangataka ny hahazo fahendrena izy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:12–13).

Nivavaka momba ny batisa izy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68).

Nivavaka mba hahazo fanafahana izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–4).

Nivavaka ho an’ireo misiônera izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22).

Nivavaka ho an’ny Fiangonana sy ny mpikamban’ny Fiangonana, ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:71–76).

Ary nivavaka ho an’ny fianakaviany izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:68–69).

Fomba fivavaka natao ho antsika izany. Nampiseho tamintsika i Joseph fa afaka manatona ny Raintsika amin’ny alalan’ny vavaka daholo isika.

5. Mahafantatra antsika manokana ny Ray sy ny Zanaka

Fantatsika avy amin’ny Fahitana Voalohany fa mahafantatra antsika manokana ireo Olona selestialy ireo, tahaka ny nahafantaran’Izy Ireo an’i Joseph. Niantso an’i Joseph tamin’ny anarany ny Ray sady “nanondro ilay anankiray,” dia niteny hoe: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17).

Fantatry ny Ray sy ny Zanaka ny zavatra nilain’i Joseph, ny ahiahiny, ary ny zavatra niriny, tahaka ny ahafantaran’ Izy Ireo ny antsika. Fantatr’Izy Ireo ihany koa ny fahombiazantsika sy ny alahelontsika.

Nandritra ny naha-zatovo ahy dia nangataka zavatra maro am-bavaka aho. Rehefa manao jery todika aho ankehitriny dia toa tsy dia manan-danja loatra ny sasany tamin’ireo zavatra ireo. Saingy nanan-danja tamiko izany tamin’izany fotoana izany, ary takatro hatramin’ny naha-mbola kely ahy fa nanana Ray any An-danitra izay nihaino ahy aho. Tsy nahazo valiny avy hatrany foana aho, kanefa tsapako fa hovaliny amin’ny fotoany sy ny fombany manokana ny vavaka nataoko araka ny fomba izay mety ho ahy.

Matokia fa hiresaka aminao Andriamanitra. Inoy ireo fahatsapana izay milatsaka ao anatin’ny fonao. Lasa mino ny vavaka sy mahatakatra ny herin’izany aho satria fantatro ny zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith. Fantatro fa nahafantatra ny anarako Andriamanitra ary hamaly ahy Izy, tahaka ny ahafantarany ny anaranareo sy hamaliany anareo koa.

Fijoroana ho vavolombelona

Nandritra ny maro tamin’ireo 68 taona niainako teto an-tany, dia nivavaka tahaka ny nataon’i Joseph aho. Tahaka ireo mpianatra mahatokin’ny Mpamonjy rehetra dia nahazo valiny avy any an-danitra koa aho. Fantatro fa i Jesoa no Kristy. Zanak’ Andriamanitra Izy. Nitsangana tamin’ny maty Izy ary velona amin’izao fotoana izao. Manana ny hery hamelana ny fahotantsika Izy. Afaka mitondra antsika miverina soa aman-tsara any amin’ny fonenantsika any an-danitra Izy amin’ny alalan’ny finoantsika, ny fankatoavantsika, ary ny fibebahantsika.

Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy sy amin’ny maha-vavolombelony voatendry ahy, dia mijoro ho vavolombelona tsy amim-pisalasalana sy amin’ny faharesen-dahatra izay hamafisin’ny Fanahy Masina aho fa niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny Ala kely Masina ny Ray sy ny Zanaka. Mivavaka aho mba hanarahanareo ny fomba fivavak’i Joseph, hianatra ireo fahamarinana izay nianarany ianareo, ary hampatanjaka ny finoanareo ny Rainareo any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Fanamarihana

  1. “Fanevan’ny Zatovovavy,” youngwomen.ChurchofJesusChrist.org.

  2. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2017, 145.

  3. “Joseph Smith’s Accounts of the First Vision,” josephsmithpapers.org.

Sary nataon’i David Malan

Sary nataon’i Kendall Ray Johnson