2020
Nahoana ny Mpanjaka Benjamina no manasa antsika mba ho lasa tahaka ny ankizy?
Aprily 2020


Avia, hanaraka Ahy: Bokin’i Môrmôna

Nahoana ny Mpanjaka Benjamina no manasa antsika mba ho lasa tahaka ny ankizy?

13–19 aprily Môzià 1–3

Sary
Why Does King Benjamin Invite Us to Become Like a Child

Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa nihanalefaka ny fonao rehefa nandinika ankizy iray ianao? Matetika ny ankizy no miresaka avy amin’ny fo sy maneho fitiavana ary milaza ny finoany amin’ny fomba tsotra. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka [ny] zazakely, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 18:4).

Izany no mety ho antony iray nangatahan’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany mba hanaisotra ny maha-olona araka ny nofo ary ho tonga tahaka ny ankizy (jereo ny Môzià 3:19).

Ahoana no fomba hahatongavantsika tahaka ny ankizy? Ampiasao ny Môzià 3:19 mba hamenoana ireo banga amin’ireo teny nampiasain’ny Mpanjaka Benjamina mba hamaritana ny olona iray manana toetra tahaka ny ankizy.

1.___________________________

2.___________________________

3.___________________________

4.___________________________

5.___________________________

6.___________________________

Herinandro 3

Ny fahatongavana tahaka ny ankizy kely dia manome fahafahana antsika mba hanakaiky kokoa an’i Kristy sy hiaina ilay fifaliana amin’ny fahatongavana ho Olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ny fanompoana an’ Andriamanitrareo, nataon’i Walter Rane