2020
Afaka manaparitaka ny fahazavan’ny filazantsara isika
Aprily 2020


Tanora

Afaka manaparitaka ny fahazavan’ny filazantsara isika

Sary
smiling young adults

Sary nalain’i Weston C. Colton

Ny fahatanorana dia fotoana hivoarana, ahafahana manao zavatra maro, ary ahafahana manomboka manorina ny fiainanao. Ary mety ho sady mavesatra izany, no mampientanentana, no mampatahotra ihany koa (tena toy izay tokoa ilay izy ho anay).

Saingy na dia mety tsy fantatsika avokoa aza ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana, dia misy zavatra iray tena azontsika antoka tanteraka dia ny hoe ny tanora dia efa hery tena manan-danja foana hatramin’izay eo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo an-dalam-pitohizana.

Rehefa nanomana ny fizarana ho an’ity volana ity izahay dia niresaka tamin’ny tanora maro mikasika ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ary nampanetry tena anay tokoa ny fitiavana amin-kitsimpo sy ny fanolorantena ananan’izy ireo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toe-javatra iainan’izy ireo, dia takatr’ireo Olomasina tanora ireo ny anjara asa manan-danja ananan’izy ireo ao anatin’ity fotoampitantanana farany ity. Ao amin’ny “Ny fomba hitondran’ny tanora anjara biriky ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana” ao amin’ny pejy 44 dia afaka mamaky mikasika ny fomba hanomanan’ireo tanora avy ao Inde, Hongrie, Barbade, Australie, ary Etazonia an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany ianao.

Ao amin’ireo lahatsoratra amin’ny endrika nomerika ihany, dia mizara hevitra i Cesar ny amin’ny fomba ahafahantsika mahita ny tanjontsika sy hahatongavantsika ho mpitarika tsaratsara kokoa. I Lauri dia miresaka mikasika ireo fitahiana raisintsika rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany isika. Ireo tanora hafa dia mizara ny zavatra niainany tamin’ny fanompoana tany amin’ny tempoly, ny fanompoana, ny tantaram-pianakaviana, ary ny asa fitoriana. Ary izahay dia mizara ohatra iray avy amin’ny tanora iray ao Nouvelle-Calédonie izay mampiseho ny fomba hanaovan’ireo mpikambana tanora ny asan’ny Tompo any amin’ireo faritra kelin’ny Fiangonana.

Na aiza na aiza no misy anareo ary na inona na inona toe-javatra mety hisy anareo, dia afaka mitondra anjara biriky amin’ny fanangonana an’i Isiraely mihoatra lavitra izay eritreretinareo ianareo. Isika tanora no mpitarika an’ity Fiangonana ity amin’ny hoavy. Ary ny pitik’afon’ny ezaka ataontsika amin’izao fotoana izao no handrehitra sy hanaparitaka ny fahazavan’ny filazantsara manerana izao tontolo izao amin’ny hoavy.

Amim-panajana,

Chakell Wardleigh sy Mindy Selu

Mpiantoka ny famoahana ny fizarana ho an’ny tanora ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana