2020
Ry ray aman-dreny malala
Aprily 2020


Ry ray aman-dreny malala,

Sary
Dear Parents

Tany am-piandohan’ny lohataonan’ny taona 1820, dia nivavaka ary nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith. Miresaka momba izany fotoana miavaka izany ity gazetiboky ity. Ireto misy pejy vitsivitsy tsara jerena:

  • Misy sary maneho tantara izay milaza ny mahatonga ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ho anisan’ny ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra (N4–10).

  • Milaza ny fomba ahafahantsika mitondra fanampiana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filoha Nelson (N2).

  • Misy hira iray vaovao izay mampianatra momba ny Fahitana Voalohany (N16–17).

  • Misy tantara iray izay mampianatra ny fomba ahafahan’ny Famerenana amin’ny laoniny mitahy ny fianakaviantsika (N20–21).

Tsy mahafinaritra ve izany hoe afaka ny ho isan’ny mpikambana ao aminʼ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany isika? Ndeha hozaraintsika amin’izao tontolo izao ny vaovao mahafalin’i Jesoa sy ny Fiangonany!

Arahabaina tratry ny Paska,

Namana

© 2020 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved

Tadiavo ilay Liahona miafina ato!