2020
Ianao sy ny tempoly
Aprily 2020


Ianao sy ny tempoly

Sary
The Temple and You

Talohan’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana dia nino ny olona fa raha misy olona maty ao amin’ny fianakaviany kanefa tsy vita batisa, dia tsy ho hitan’izy ireo intsony izy ireny. Saingy noho ny Famerenana amin’ny laoniny dia azo atao batisa ho azy ireo any amin’ny tempoly isika. Afaka ny hofehezina miaraka mandrakizay isika!

Toa an’i Joseph Smith, dia efa voafidin’ny Ray any An-danitra ihany koa ianao mba hanao asa manan-danja eo amin’ny fiainanao. Azo atao any amin’ny tempoly ny sasany amin’izany asa izany. Azonao angonina ny anaran’ireo razambe izay tsy vita batisa fony izy ireo niaina teto an-tany. Ary rehefa avy mandray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao dia afaka mankany amin’ny tempoly mba hatao batisa ho azy ireo.

Rehefa manao ity asa ity ianao dia mivavaha amin’ny Ray any An-danitra mba hitarihany anao. Afaka manampy anao koa ireo razambenao. Ho fitahiana lehibe sy masina ho anao sy ho azy ireo tokoa izany!

Mety tsy afaka hanao asa atao any amin’ny tempoly ny sasany aminareo amin’izao fotoana izao, fa ho afaka ianareo indray andro any. Tsarovy mandrakariva fa zanak’ Andriamanitra ianareo. Tiany tanteraka ianareo.

Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina dia miomàna hankany amin’ny tempoly indray andro any. Ny fanaovana izany dia hanampy anareo hanorina fiainana mahatalanjona ho anareo manokana sy ho an’ireo fianakavianareo tany aloha sy ankehitriny ary ho avy. Hanampy anao ny Tompo rehefa manao ny asany ianao. Iray amin’ireo fanahy mahery fo indrindra izay Azy ianao. ●

Sary nataon’i Jared Matthews