2020
Fiarakaretsaka iray, zazalahy mpianatra iray ary valin’ny vavaka iray
Aprily 2020


Fiarakaretsaka iray zazalahy mpianatra iray, ary valin’ny vavaka iray

Mipetraka any Rivers State, Nigéria ny mpanoratra.

Nahazo bitsika izahay fa hahita azy, koa nahoana no tsy tanteraka izany?

Sary
A Taxi, a Schoolboy, and an Answer to Prayer. Missionaries in Ghana with a schoolboy in a taxi outside.

Indray andro, nahazo anaran’olona mba ho ampianarina izaho sy ny misiônera mpiara-mitory amiko, dia lehilahy nipetraka tany amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Tema, teo akaikin’ny tanàna tsara tarehin’i Accra, Ghana izany. Tsy dia marina loatra ny laharan’ireo trano ao amin’ilay tanàna ka nomena famaritana an-tsoratra izahay mba hanampiana anay hahita ilay trano.

Rehefa tonga tany amin’ilay tanàna izahay dia nanaraka ny fanoroan-dalana saingy tsy nahita ilay lehilahy satria toa maro ireo trano izay nitovy tamin’ilay famaritana nomena. Nisafotofoto ny sainay ka nanapa-kevitra ny handondona ny varavaravan’ireo mponina teo amin’ny manodidina izahay, saingy toa tsy nisy nahafantatra ilay lehilahy notadiavinay. Nisy nanosika ahy mba hangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra.

Rehefa avy nivavaka izahay dia nanana fahatsapana aho fa ho hitanay ilay lehilahy notadiavinay, ka nampitomboanay ny ezaka nataonay. Saingy tsy mbola hitanay ihany izy. Reraka izahay ary nanapa-kevitra ny hiverina any amin’ny faritra niasanay satria nanana fotoana hafa izahay. Rehefa tonga teo amin’ny fiantsonan’ny fiarakaretsaka izahay dia hitan’ilay mpamily fiarakaretsaka nitondra anay tany amin’ilay tanàna ny endrikay diso fanantenana ary nanontany anay izy raha hitanay izay notadiavinay. Mazava ho azy fa tsia ny valiny nomenay.

Nanoro hevitra anay izy mba hiditra ao amin’ny sekoly iray izay teo amin’ny kihon-dalana iray ary hanontany ao. Nolazainay izy fa tsy izany no famaritana nomena anay, saingy nisisika ny hanaovanay izany izy. Nivoaka tao amin’ilay fiarakaretsaka izahay ary nandeha teny amin’ilay sekoly, tsy nieritreritra ny hahita na iza na iza, fa mba hanomezana fahafaham-po an’ilay namanay te hanampy fotsiny.

Rehefa nanomboka nanatona an’ilay tranobe misahana ny fitantanan-draharaha tao amin’ilay sekoly izahay dia nisy ankizilahy iray nihazakazaka nanatona anay. Nitsiky izy ary nilaza fa izy sy ny rahalahiny ihany no hany mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mipetraka ao amin’io faritra io ary afaka manampy izy.

Nifampijery izaho sy ny mpiara-mitory amiko toy ny tsy nino. Fahagagana izany. Nampian’ilay ankizilahy izahay hahita an’ilay lehilahy notadiavinay ary nanaiky ny filazantsara izy sy natao batisa tamin’ny farany.

Nampianatra ahy io zavatra niainana io fa mamaly vavaka amin’ny fotoany sy amin’ny fombany ny Ray any An-danitra. Rehefa tsy mahazo ny valin’ireo vavaka ataontsika eo no ho eo ihany isika, dia afaka mampihatra finoana Aminy sy mianatra ny hanam-paharetana.

Sary nataon’i Corey Egbert