2020
Sary efatra avy amin’ny herinandron’ny Paska
Aprily 2020


Sary efatra avy amin’ny herinandron’ny Paska

Sary
A crown of thorns.

“Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao” (Jaona 18:36).

Satroka tsilo

Jereo ny Matio 27:29; Marka 15:17; Jaona 19:2.

Nosatrohin’ireo miaramila Rômana satroka tsilo ny Mpamonjy. “Io fihetsika tsy mifaditrovana io angamba dia fikasana haka tahaka amin-karatsiam-panahy ny fametrahana ravintsara eo amin’ny lohan’ny amperora. … Tena nandratra fanahy tokoa izany rehefa mieritreritra fa ny tsilo dia midika ho tsy fahafalian’ Andriamanitra rehefa nanozona ny tany noho i Adama Izy mba haniry tsilo izany nanomboka tamin’izay. Saingy rehefa nanao ilay satroka i Jesoa dia navadiny ho tandindon’ny voninahiny ireo tsilo” (Filoha James E. Faust, Apr. 1991 general conference).

Lamba volomparasy

Jereo ny Matio 27:28; Marka 15:17; Jaona 19:2.

Ny volomparasy dia loko natao ho an’ny mpanjaka, ary ireo miaramila dia nampitafy an’io lamba io an’i Jesoa tamim-panesoana satria nilaza ho mpanjakan’ny Jiosy Izy. Marina tokoa fa raha ny tena izy dia mihoatra lavitra izany Izy: Izy no “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (1 Timoty 6:15; Apokalypsy 19:16).

Sary
Oil on canvas painting of Christ standing with hands bound in front, and dressed in a purple robe. Pilate is seated and dressed in gold and white. Artist signed and dated painting in lower left hand corner.

“Mivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra, fa ho lehibe loatra ny fitaintainany” (Môzià 3:7).

Famotsehana oliva

Jereo ny Matio 26:36; Marka 14:32; Lioka 22:39–40; Jaona 18:1.

“Tena tandindona mampihetsi-po ny hoe -[n]ivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra- [Môzià 3:7] raha nijaly i Jesoa tao Getsemane, ilay toerana izay midika hoe famotsehana oliva. Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, mba hahazoana menaka oliva dia nopotsehana aloha ireo oliva tamin’ny fampandalovana vato lehibe teo ambonin’izy ireo. Ny -potsitr’oliva- azo avy eo dia natao anaty harona malefaka voarandrana malaladalaka, izay nampifampitaingenina. Ny havesatr’izy ireo no namoaka ilay menaka voalohany sy tsara indrindra. Ary avy eo dia nasiana vesatra fanampiny tamin’ny fametrahana vatan-kazo lehibe teo ambonin’ireo harona mifampitaingina ka mamoaka menaka bebe kokoa. Farany, mba hamoahana ny ambina menaka farany dia novesarana vato ilay vatan-kazo mba hahazoana ny fanapotserana mafy indrindra. Ary eny, toy ny lokon-dra ilay menaka raha vao mivoaka iny izy amin’ny voalohany” (Loholona D. Todd Christofferson, fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt 2016).

Sary
A stone olive press

“Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Lioka 24:6).

Fasana foana

Jereo ny Matio 28:1–8; Jaona 20:1–18.

“Ilay fasana foana tamin’izany maraina voalohan’ny Paska izany no valin’ny fanontaniana napetrak’i Joba hoe -Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?- [Joba 14:14]. Ho an’ireo izay mandre ny feoko no hanambarako fa raha maty ny olona dia ho velona indray izy. Fantatsika izany satria manana ny hazavan’ny fahamarinana nambara isika” (Filoha Thomas S. Monson, “Efa nitsangana Izy!” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily, 2010).

Sary
Jesus Christ's empty tomb - set at Goshen, Utah

Sary maneho satroka tsilo nataon’i Dilleen Marsh

Kristy sy Pilato, nataon’i Marcus Vincent, nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoky ny Fiangonana

Sarina famotsehana oliva avy amin’ny Getty Images