2020
Manompo amin’ny alalan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Aprily 2020


Ireo fitsipika momba ny fanompoana

Manompo amin’ny alalan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Manome antsika fomba maro mba hanompoana, mialoha ny faran’ny herinandro hanaovana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy mandritra izany ary aorian’izany, ireo teny nambara manentana ny fanahy, ireo fomba fanaon’ny fianakaviana ary ireo fampianarana avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo rehetra!

Sary
scenes from general conference

Amin’ny maha-mpampianatra ny kilasy fiomanana hanao asa fitoriana azy ireo, dia mampanao fanamby tsy tapaka an’ireo olona ao amin’ny kilasiny i Susie sy i Tom Mullen mba hanasa olona hijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

“Ampahany iray tanteraka ao amin’ny asa fitoriana ny fanasana olona iray hanao zavatra, ary mihatra amin’ny fanompoana koa izany,” hoy izy. “Manao tatitra tsy tapaka mikasika ny vokatr’izany teo amin’izy ireo sy teo amin’ilay olona nasain’izy ireo ny mpianatray.”

Ireto dia fomba vitsivitsy nentin’ireo mpianatra nitatitra ny fanoloran-tanana nataon’izy ireo:

  • “Nanompo namana iray izay niatrika olana vitsivitsy izahay. Nanasa azy izahay mba hihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hahazoana ny valin’ny fanontaniana nananany. Rehefa nitsidika azy izahay taorian’ny fihaonambe dia nilaza taminay izy fa naheno hevitra maro dia maro izay hanampy.”

  • Nanao hetsika momba ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izahay ary nitondra sakafo maivana mba hozaraina ny rehetra. Tena nahafinaritra izany ka nanapa-kevitra izahay fa hanao izany indray.”

  • “Nanasa namana iray aho mba hiaraka hijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amiko. Rehefa niresaka momba izany izahay dia nanapa-kevitra fa hitondra fiara mankany amin’ny trano fiangonana mba hijery izany any. Nataonay izany ary niaina zavatra tena tsara izahay tany!”

Maro ireo fomba hanompoana amin’ny alalan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany araka ny zavatra nianaran-dry Mullen mivady sy ny mpianatr’izy ireo. Fomba tena tsara mba hizarana ireo teny nambara manentana ny fanahy, ireo fomba fanaon’ny fianakaviana sy hanaovana fifanakalozan-kevitra mafonja ary hizarana ireo fampianarana avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo izany!

Asao ho any an-tranonao ny hafa

Ny Mpamonjy dia nandidy ireo mpanara-dia Azy mba -hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo- (Jaona 13:34). Noho izany dia mijery ny fomba nitiavany antsika isika. … Raha ataontsika ho fakan-tahaka Izy, dia tokony hiezaka foana isika mba hanolo-tanana mba hampidirana ny olona rehetra.” —Filoha Dallin H. Oaks1

Nahatsikaritra i Mike ilay mpampianatra isan-tokantranonay mahafinaritra taona maro lasa izay fa solosaina kely iray ihany no nanananay sy ny zanako telo mba hijerena ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Tonga dia nanasa anay izy mba ho tonga any an-tranony mba hiaraka hijery izany aminy sy i Jackie vadiny ary nanamafy izy ireo fa tena tian’izy ireo ny hiaraka hijery izany amin’olona. Tena faly ny zanako nijery ny fihaonambe tamin’ny fahitalavitra tena izy. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahazoana izany fanampiana izany ary nankafizinay rehetra ilay fotoana niarahanay.

Lasa fomba fanao mahazatra ny fiarahana mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany taorian’izay. Na dia nahazo ny fahitalavitray manokana aza izahay dia mbola nandeha tamim-pifaliana tany amin-dry Mike sy i Jackie izahay niaraka tamin’ny ondanay sy ny karine ary sakafo maivana hijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny Fihainoana miaraka ny tenin’ireo mpaminany dia nahatonga izany hiavaka kokoa. Lasa toy ny fianakaviana iray izahay. Lasa anisan’ny sasany amin’ireo namako akaiky indrindra i Mike sy i Jackie ary ray aman-drenibe faharoa ho an’ireo zanako. Fitahiana lehibe ho an’ny fianakaviako ny fitiavana sy ny finamanana natolotr’izy ireo. Feno fankasitrahana aho noho ny fahavononan’izy ireo hanokatra ny tranon’izy ireo sy ny fon’izy ireo taminay.

Suzanne Erd, Californie, Etazonia

Fitsipika hodinihina

“Nahatsikaritra”

Nanokana fotoana tamim-pitiavana mba hizahana ireo zavatra nilain’ny hafa ny Mpamonjy ary nandray andraikitra teo anatrehan’izany mba hanomezana ireo zavatra nilaina ireo (jereo ny Matio 9:35–36; Jaona 6:5; 19:26–27). Afaka manao toy izany koa isika.

“Tonga dia nanasa”

Rehefa avy mahatsikaritra ny zavatra ilain’ireo olona tompointsika isika dia ny mandray andraikitra eo anatrehan’izany no dingana manaraka.“Fihainoana ny tenin’ireo mpaminany”

Tokony “[hi]haona miaraka matetika” (Môrônia 6:5) isika mba hiara-hianatra, hiara-hivoatra ary hiresaka mikasika ireo zavatra ara-panahy izay tena manan-danja ho an’ny fanahintsika.

Ilay hira hoe “Andao hihaino ny feon’ny mpaminany sy handre ny tenin’ Andriamanitra”2 dia mety iray amin’ireo fanasana manan-danja indrindra azontsika atolotra an’ireo izay tompointsika.

“Fitiavana sy finamanana”

Mba hanampiana sy hitarihana marina ny hafa dia tsy maintsy manorina fifandraisana omban’ny fangorahana sy “fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41).

Sary
looking at a tablet

Mizarà zavatra ao amin’ny internet

“Ireo tambazotran-tserasera dia fitaovana azo ampiasaina amin’ny ankapobeny izay afaka ny hisy fiantraikany amin’ny fomba manokana sy tsara amina olona sy fianakaviana marobe. Ary mino aho fa tonga ny fotoana ho antsika mpianatr’i Kristy hampiasana ireo fitaovana tena tsara ireo araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba mahomby kokoa mba hijoroana ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay, sy ny drafitry ny fahasambarana ho an’ny zanany ary momba ny Zanany, dia i Jesoa Kristy, amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy.” —Loholona David A. Bednar3

Manome fahafahana antsika mba hizara ny filazantsara amin’izao tontolo izao ny internet. Tiako izany! Mizara asa atao vitsivitsy momba ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho fa amin’ny ankapobeny dia miezaka manampy ny hafa mba hanorina fifanakalozan-kevitra avy amin’ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny fahitana fanontaniana avy amin’ny hafa dia matetika afaka manampy antsika hahita zavatra amin’ny fomba vaovao sy afaka ny ho fanombohana fifanakalozan-kevitra tsara mahakasika ireo fanontaniantsika manokana.

Nahita aho fa rehefa mampiasa fanontaniana ianao mba hifanakalozana hevitra momba ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany miaraka amin’ireo fianakaviana tompoinao, dia manampy anao izany hahita ny tanjaka ananan’izy ireo ary koa ny zavatra ilain’izy ireo. Ny iray amin’ireo fanontaniana tena tiako ny mametraka azy dia ny hoe, inona araka ny tsapanao no lohahevitra iray avy tao amin’ny fivorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra?

Manome fahafahana anao foana ny valin’izany mba hahita ny zava-miseho eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny zava-manan-danja ho azy ireo. Manome fahafahana anao mba ho lasa rahalahy na rahavavy mpanompo tsara kokoa izany satria mahita azy ireo mazava kokoa ianao.

Camille Gillham, Colorado, Etazonia

Fitsipika hodinihina

“Zarao ny filazantsara”

Nanao fanekempihavanana isika mba “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Mozià 18:9).

“[M]anorina fifanakalozan-kevitra”

Afaka miteraka fifanakalozan-kevitra mahavariana sy manan-danja ary miompana amin’ny ara-panahy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ary ireny karazana fifanakalozan-kevitra ireny dia afaka manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny hafa, sy mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary mitondra fifaliana ho anao! (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22).

“Mampiasa fanontaniana”

“Hanampy anao hahatakatra ireo zavatra mahaliana ny hafa na ny olan’izy ireo na ny fanontaniana ananan’izy ireo ireo fanontaniana tsara. Afaka manatsara ny fampianaranao izany sy manasa ny Fanahy ary manampy ny olona hianatra.”4

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “Love and the Law” (video), mormonandgay.ChurchofJesusChrist.org.

  2. “Viens écouter la voix de Dieu,” Cantiques, no. 12.

  3. David A. Bednar, “Flood the Earth through Social Media,” Liahona, Aug. 2015, 50.

  4. Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2004), 185.