2020
Tsodrano ihany no hany azoko nomena
Aprily 2020


Tsodrano ihany no hany azoko nomena

Jonathan Mafra Sena de Santana

Santa Catarina, Brésil

Sary
father giving daughter a blessing

Sary nataon’i Allen Garns

Nahavita ny fianarako tao amin’ny sekoly mampianatra momba ny lalàna aho nanodidididina ny fankazalana voalohany ny tsingerintaona nahaterahan’ny zanako vavy. Niandrandra fatratra ny fankalazana ny fahazoako ny mari-pahaizana sy ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny zanakay vavy ary ireo fahafahana manao zavatra vaovao izay ho avy aminay izahay, saingy tsy nisy nizotra araka ny nandrafetana azy izany.

Tsy nanana asa aho fotoana fohy taorian’ny nahazoako ny mari-pahaizako ary sahirana tamin’ny fitadiavana asa. Vetivety foana dia tonga ny olana ara-bola. Na ny hanao fankalazana tsotsotra ny tsingerintaona nahaterahana aza dia ho sarotra.

Nanaiky ny toe-javatra niainanay izahay taorian’ny fifampiresahana maro teo aminay sy ny vadiko. Tsy mora ho ahy amin’ny maha-ray ahy ny tsy fahafahana nividy na dia fanomezana tsotra iray ho an’ny zanako vavy ary tsy mora ho ahy ny nahita ny vadiko diso fanantenana.

Tsy takatry ny saiko ny zavatra nitranga. Nivavaka sy nangataka tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hanampy ahy hahatakatra ny zavatra andrasany amiko. Tampoka teo, naheno ireto teny manaraka ireto aho toy ireny nisy feo iray niteny tao an-tsaiko ireny: “Manana zavatra sarobidy kokoa noho ny fananana ara-nofo eto amin’ity tany ity ianao. Mihazona ny fisoronana ianao. Fanomezana tsara kokoa inona noho ny tsodranon’ny fisoronana indray no azonao atolotra ny zanakao vavy?”

Nanganohano aho rehefa nieritreritra ny lanjan’ny fisoronana ho ahy. Feno fankasitrahana ny foko rehefa nandinika fa ny fisoronana no hery afaka mampiray ny fianakaviako mandrakizay.

Nozaraiko tamin’ny vadiko izany fahatsapako izany. Nolazaiko taminy fa ny fanomezana tsodrano ny zanakay vavy no hany azoko atolotra. Samy nanapa-kevitra izahay fa hitondra fifaliana sy fiadanana ho azy izany ary ho ampy.

Nitondra mofomamy sy fanaingoana tsotra ireo namana sy havana ary mpifanolobodirindrina tamin’ny andro fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny zanakay vavy. Feno fankasitrahana izahay nankalaza izany andro miavaka izany niaraka tamin’ireo olona tianay. Napetrako teo amin’ny lohan’ny zanako vavy ny tanako tamin’io hariva io ary nomeko tsodrano izy. Nomeko azy ny tsodrano rehetra izay nasain’ny Fanahin’ny Tompo nolazaiko.

Mbola mandalo fotoam-piovana sy fotoan-tsarotra izahay mahakasika ny tsy fananana asa sy ny lafiny ara-bola. Saingy na dia ao anatin’ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana aza, dia tonga eo amintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ny fiadanana sy ny fampaherezana. Tsy isalasalako fa fitahiana ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany miaraka amin’ny fananana ny herin’ny fisoronana. Izany no hany azoko nomena ny zanako vavy tamin’ny tsingerintaona nahaterahany ary nihoatra noho ny ampy izany.