2020
Manatsara ny zavatra iainantsika any amin’ny tempoly
Aprily 2020


Manatsara ny zavatra iainantsika any amin’ny tempoly

“Ny tempoly masina no ampahany manan-danja indrindra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Manan-danja amin’ny fanomanana ny olona izay vonona ny handray ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany fanindroany ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny tempoly.”1

Indraindray ny Fiadidiana Voalohany dia nanao fanovana mikasika ireo fitafiana sy fizotran’ny zavatra atao any amin’ny tempoly mba hanatsarana ny zavatra iainan’ireo mpikambana any amin’ny tempoly sy mba hanampiana ny rehetra izay miditra ao anatin’izany hahatsapa fifandraisana akaiky kokoa amin’ Andriamanitra ao anatin’izany toerana masina izany.

Anisan’ny ao anatin’ny zavatra iainana ao amin’ny tempoly ny fanaovan’ny mpikambana fitafiana fanao rehefa manao ireo fombafomba ao amin’ny tempoly izay misy dikany ara-potopampianarana ary ara-tandindona, izay azo soritana miverina mankany amin’ny fitsaohana ao amin’ny tempoly ao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny Levitikosy 8 sy ny Eksodosy 28).

Nisy fanovana vitsivitsy natao mikasika ny fitafiana fanao rehefa manao ireo fombafomba ao amin’ny tempoly. Tsy maneho fanovana momba ireo tandindona sy fotopampianarana ao amin’ny tempoly akory ireo fanovana ireo fa natao mba hahatonga ny zavatra iainana ao amin’ny tempoly ho tsotra sy mampahazo aina ary mora takatra kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana ny fitafiana ho mora hanaovana sy ho mora karakaraina sy ho mora azo.

Ny sasany amin’ireo fanovana ireo dia ahitana:

  • Fanatsorana kokoa ny endriky ny voaly sy ny akanjo lava.

  • Fanesorana ilay fanenjanana vita amin’ny plastika eo amin’ny satroka sy ilay tady kely famatorana eo amin’ny satroka sy ny voaly.

  • Fampiasana lamba izay maharitra kokoa ka mitovy izany ho an’ireo akanjo lava sy satroka ary ny fehikibo mba hampateza azy ireo kokoa sy mba hahamora karakaraina azy ireo.

Manantena izahay fa ireo fanovana ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana izany zavatra masina iainana izany ho anao rehefa mampiditra ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho anisan’ny zavatra atao tsy tapaka eo amin’ny fiainanao ianao.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2019, 120.