2020
Manorina ny Fanjakana any Nouvelle-Calédonie
Aprily 2020


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Manorina ny Fanjakana any Nouvelle-Calédonie

Mamaly ilay antso mba hanompo ary ho lasa mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo tanora any Nouvelle-Calédonie sy manerana izao tontolo izao.

“Ny fahafahana manompo dia anisan’ireo fitahiana lehibe amin’ny maha-mpikambana ato amin’ny Fiangonana.”1 Amin’ny maha-tanora dia afaka ny ho fahafahana mampientam-po amin’ny fivoarana sy fitarihana ary fanatanjahana ny hozatrao ara-panahy ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana. Fa manoloana ireo andraikitra maro sahanina amin’ny maha-tanora olon-dehibe dia mety ho fanamby izany indraindray, indrindra any amin’ny faritra izay somary mbola kely ny Fiangonana. Ohatra, inona no ataonao rehefa voantso ho Filohan’ny Zatovovavin’ny tsatòka ianao kanefa sady miomana hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ianao sady mpianatra any amin’ny Oniversite no manampy mandrindra ny institiota, ary hay moa, 21 taona monja ianao?

Ho an’ny faritra maro misy ny Fiangonana dia tsy toe-javatra tsy mahazatra izany. Any Nouvelle-Calédonie, izay faritanin’i Frantsa any ampitan-dranomasina ary misy mpikamban’ny Fiangonana miisa 2400, dia matetika omena andraikitra tena goavana eo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ny Tompo ireo tanora mpikamban’ny Fiangonana. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson indray mandeha tamin’ny tanora hoe: “Ianareo no ho mpitarika ny Fiangonan’ny Tompo amin’ny ho avy! Vonona ve ianareo handray ny fitarihana?”2 Noho ny faneren’ny zava-misy ary noho ny fitiavana ananan’izy ireo ho an’ny Mpamonjy dia vonona hanompo sy hitarika ireo tanora manerana izao tontolo izao.

Manompo Azy mandritra ity fiainana ity

Ho an’ny maro amin’ireo tanora any Nouvelle-Calédonie dia manampy azy ireo hiomana amin’ny fanompoana mandritra ny fiainan’izy ireo ao amin’ny Fiangonana ny fanompoan’izy ireo tamin’ny fotoana feno. Nandray antso hanompo ho mpanolotsaina faharoa ao amin’ny episkôpà i Syoelanne (Syo) Ulivaka herinandro monja taorian’ny nisaorana azy tamin’ny naha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno azy. “Vao nahavita ny asa fanompoana tamin’ny fotoana feno aho,” hoy i Syo. “Vizana aho ary niteny anakampo hoe hiala sasatra aho izao.” Kanefa dia nekeny ihany ilay antso. “Tsapako fa handeha amin’izay tian’ny Tompo handehanako. Manompo azy aho, tsy mandritra ny roa taona ihany fa mandritra ny androm-piainako manontolo.”

Nanomboka tamin’izay fotoana nanompoany tao amin’ny episkôpà izay dia nanambady i Syo sy manan-janaka iray ary nifindra any amina paroasy hafa. Kanefa dia manohy manompo izy ary manatanteraka ny antsony ao amin’ny Fiangonana.

Ny Loholona Earl C. Tingey, Fitopololahy Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra dia nilaza tamin’ny tanora hoe: “Ny antso ao amin’ny Fiangonana dia anisan’ireo fitahiana mahafinaritra indrindra izay azonao ankafizina amin’izao fotoana misy anao eo amin’ny fiainanao izao. Tena betsaka ny anjara biriky azonao entina eo amin’ny paroasy na sampana misy anao. Ilain’ny Fiangonana izay mitombo ny talenta sy ny fahaiza-manao anananao.”3 Tsy i Syo irery no tanora ao amin’ilay nosy izay nanana fahaiza-manao nampiasaina mba hanampiana ny Fiangonana hiroborobo, misy ireo tanora hafa izay manompo saika amin’ny toerana rehetra misy eo anivon’ny paroasy sy tsatòka. Hoy i Syo hoe: “Miezaka mamerina ireo zavatra nianaranay nandritra ny fotoana nanompoanay tamin’ny fotoana feno izahay mba hampatanjaka ny tsatòka sy ny paroasinay”. Manao fahafoizan-tena betsaka ireo tanora ireo mba hampatanjaka ny fanjakana any amin’ny firenena niavian’izy ireo kanefa araka ny tsikaritr’i Syo dia: “ny fotoanay no tena afoinay indrindra”.

Misy tanora sasantsasany izay manana antso roa na telo mihitsy aza. “Mety ho fitahiana ho azy ireo izany kanefa mety ho vesatra ihany koa” hoy i Syo, satria maro no manana fahasahiranana amin’ny fandanjalanjana ny zavatra takin’ny maha-tanora olon-dehibe sy ny andraikitra ao amin’ny Fiangonana. “Sarotra ny manenjika zavatra maro ao anatin’ny fotoana iray.” Fa nahita kosa anefa i Syo fa rehefa mametraka ny Tompo ho voalohany izy dia mora ny manantanteraka ny sisa ambiny. Hoy izy: “Nanampy tamin’ny zavatra hafa rehetra ny Tompo—ny fianarana, ny fitadiavana vady—teo am-pelatanan’ny Tompo avokoa izany rehetra izany.”

Ny hoavin’ny Fiangonana

Tena resy lahatra tanteraka ny amin’ny fahaiza-manao sy ny asa fanompoana azon’ny tanora atao ao amin’ny Fiangonana ireo mpaminany sy ireo apôstôly: “Mila ny fo sy ny fanahinareo manontolo izahay. Mila tanora mavitrika sy mieritreritra ary entanim-po izay mahay mihaino sy mamaly ny bitsiky ny Fanahy Masina izahay.”4

Mamaly izany antso avy amin’ny apôstôly izany ireo tanora any Nouvelle-Calédonie sy manerana izao tontolo izao. Tsapan’izy ireo fa izy ireo no hoavin’ny Fiangonana ary misafidy ny hanompo amin’ny fomba rehetra izay vitany izy ireo. Mifankahery izy ireo amin’ny antsony. Miara-miasa amin’ireo misiônera izy ireo. Mizara ny filazantsara ary manasa ireo namany ho any am-piangonana izy ireo. Manoro hevitra ireo zatovo ao amin’ny paroasy misy azy ireo izy ireo ary manentana azy ireo hanompo amin’ny fotoana feno. Manao dia lavitra izy ireo mba hahafahany mankany amin’ny Tempoly. Mampianatra ireo tsy mpikambana ao amin’ny fianakaviany izy ireo. Ary ireo ezaka rehetra ireo dia manorina ny fanjakana.

Manaiky i Syo fa rehefa manompo ny Tompo dia “fitaovany isika.” Amin’izao fotoana hiroboroboan’ny Fiangonana izao dia hiantso ireo Olomasina avy amin’ny sokajin-taona rehetra na aiza na aiza misy azy ireo ny Tompo mba hanaiky ny handray andraikitra amin’ny fanorenana sy fampatanjahana ny fanjakany. Vonona ny hamaly izany antso izany ve isika?

Fanamarihana

  1. Carl B. Cook, “Manompoa,” Liahona, nôv. 2016, 110.

  2. Russell M. Nelson ao amin’ny Marianne Holman Prescott, “Prepare for Future Church Leadership, President Nelson Tells Young Adults” 8 jan. 2017, news.ChurchofJesusChrist.org.

  3. Earl C. Tingey, “Three Messages to Young Adults,” Liahona, apr. 2007, 27.

  4. M. Russell Ballard, “Taranaka tanora tsara indrindra,” Liahona, mey 2015, 68.