2020
Inona no lazainao rehefa tsy mino ny namanao fa afaka ny hitranga ny zavatra tahaka ny Fahitana Voalohany?
Aprily 2020


Fanontaniana & Valiny

Inona no lazainao rehefa tsy mino ny namanao fa afaka ny hitranga ny Fahitana Voalohany?

Sary
Confused Caucasian girl laying on blanket texting on cell phone - stock photo

Manàna finoana

Raha mikasika ireo fanontaniana ara-panahy dia tsy ny ara-drafikevitra fotsiny ihany no ilaintsika fa ilaintsika koa ny manana finoana mba hahafantatra fa tena afaka nitranga tokoa ny Fahitana Voalohany. Afaka mahazo izany finoana izany isika amin’ny fangatahana izany amin’ny Ray any An-danitra sy amin’ny alalan’ny fihainoana ny Fanahy.

Julia B., 17 taona, Californie, Etazonia

Halalino ny Baiboly

Angataho ireo namanao mba handalina ny Baiboly. Raha mino izy ireo fa tenin’ Andriamanitra izany dia tokony hino izy ireo fa miteny amintsika Andriamanitra amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ireo fahitana toy ny Fahitana Voalohany satria nanao zavatra nitovy tamin’izany Izy tamin’i Adama, i Mosesy, i Isaia, ary ireo mpaminany hafa tamin’ny fomba maro hafa.

Elder Muanda, 22 taona, Misiônan’i Nairobi Kenya

Mangataha amin’ Andriamanitra

Raha naharitra an-jato taonany maro ny apôstazia dia tsy midika akory izany fa nampitsahatra ireo fahitana avy Aminy Andriamanitra. Mila manana fo manetry tena sy mangataka amin’ Andriamanitra amin-kitsimpo omban’ny tena finiavana toy ny nataon’i Joseph Smith isika.

Jeremi E., 19 taona, Kinshasa, Repoblika Demôkratikan’i Congo

Minoa an’ Andriamanitra

Hanontaniako ny namako hoe “Mino an’ Andriamanitra ve ianao? Mino ve ianao fa nahary ny zava-drehetra Izy? Mino ve ianao fa niseho tamin’ireo mpaminany fahiny izy? Ka raha mino izany ianao, dia nahoana no tsy mino ianao fa afaka ny hisy izany amin’izao fotoana izao? Afaka ny hisy izany.”

Sarah M., 16 taona, Utah, Etazonia

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny namako aho fa ny Ray any An-danitra dia manambara zavatra amin’ny zanany rehefa mangataka Aminy amin-kitsimpo mba hahafantatra ny fahamarinana izy ireo. I Joseph Smith dia nanana faniriana ny hahafantatra ny fahamarinana ary nandray andraikitra teo anatrehan’ny finoany izy. Ianao koa dia afaka miaina zavatra mahafinaritra raha toa ka mangataka ny Ray any An-danitra amin’ny fonao iray manontolo ianao.

Mara C., 20 taona, Lima, Pérou

Sary avy amin’ny Getty Images