2020
Mitondra fanampiana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny
Aprily 2020


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Mitondra fanampiana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny

Notsoahina avy tamin’ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018), 19, churchofjesuschrist.org/study/broadcasts/worldwide-devotional-for-young-adults/2018/06/hope-of-israel?lang=mlg.

Sary
Helping with the Restoration

Tamin’ny 1820 dia niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hoy ny Ray any An-danitra hoe: “Ity ny Zanako Malalako. Henoy Izy!” Nanomboka tamin’izay andro iray 200 taona lasa izay ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Mbola mitohy izany ankehitriny!

Mbola hiverina eto an-tany indray i Jesoa Kristy indray andro any. Ireto misy fomba efatra azonao hitondrana fanampiana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy hiomanana amin’ny fotoana izay hiverenan’i Jesoa:

  • Aoreno ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

  • Fantaro ny momba ny fianakavianao dia manampia mba hamitana asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo.

  • Miomàna handeha any amin’ny tempoly.

  • Manampia olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

Ny fanaovana ireo zavatra ireo dia hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ilay andro iray mahatalanjona izay hiverenan’i Jesoa indray! ●

Sary nataon’i Katie McDee