2020
200 taona niposaham-pahazavana
Aprily 2020


200 taona niposaham-pahazavana

Sary
First Vision

200 taona lasa izay, ary tsara ery ny andro tamin’izay, dia niditra tao anaty ala kely iray ny tovolahy iray izay nanam-pikasana ny hikatsaka famelan-keloka sy hivavaka mikasika ny fiangonana izay tokony hidirany ho mpikambana. Fantany avy amin’ny fahitana mahagaga iray fa tsy nisy tamin’izy ireo izay tokony hidirany ho mpikambana. Izay no nanamarika ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay dingana miantoana eo an-dalam-pitohizana amin’izao andro iainantsika izao.

Mankalaza ny 200 taona niposaham-pahazavana isika ato amin’ity laharana ity:

  • Ny Filoha Russell M. Nelson dia mampianatra ny fomba hanomanan’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafiny roan’ny voaly antsika sy ny hafa amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany (pejy 6).

  • Ny Loholona LeGrand R. Curtis Zanany dia mampiseho ny fomba nitondran’ny Olomasin’ny Andro Farany anjara biriky tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana, sy ny fomba ahafahantsika tsirairay avy mitondra anjara biriky amin’izany (pejy 8).

  • Ho an’ny zatovo dia mizara fahamarinana dimy azontsika ianarana avy amin’ny Fahitana Voalohany ny Loholona Neil L. Andersen (pejy 52).

Eo am-pianarantsika lesona avy amin’ny tenin’ny mpaminanintsika sy ireo tantaran’ Olomasina mahatoky, dia enga anie isika mba hahazo ilay fahalalana azon’ny Mpaminany Joseph 200 taona lasa izay: fa misy ny Ray Any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary olona velona izay tia antsika Izy Ireo. Ary andeha isika hizara izany fahalalana izany amin’ireo namantsika sy ny mpiara-monina amintsika.

Amim-pitiavana,

Loholona Randy D. Funk ao amin’ny Fitopololahy

Mpamoaka ny gazetibokin’ny Fiangonana