2020
Sarobidy kokoa noho ny haba volafotsy
Aprily 2020


Sarobidy kokoa noho ny haba volafotsy

Sylvie Houmeau

Quebec, Kanadà

Sary
bracelet

Sary nataon’i Emily Lui

Rehefa nangatahina hitarika fifanakalozan-kevitra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana aho momba ny fanasana nataon’ny Mpamonjy mba hamahana ny ondriny, dia nanapa-kevitra fa raha te hamporisika ireo rahavavy aho dia tokony hanao zavatra ho an’ny iray amin’ireo ondriny.

Nangoniko ny herim-poko dia nanasa rahavavy malaindaina iray aho hiaraka amiko hamonjy ny fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana. Nanaiky ny fanasako izy ary nahafinaritra ny fotoana niarahanay. Tsapako fa ohatra tsara izany, ary maika ery aho ny hizara ny zavatra niainako. Saingy mbola nanana zavatra maro hampianarina ahy ny Tompo.

Indray maraina raha iny aho niomana nisolo akanjo iny, dia hitako fa tsy teo ny haba volafotsiko. Fanomezana nomena ahy tamin’ny tsingerintaona nahaterahako io haba io fony aho nanao fitsidihana tany Frantsa, ka dia manan-danja manokana ho ahy izany. Nanomboka nikaroka ilay izy teny amin’ireo toerana tena tokony hisy azy aho, saingy tsy nahita. Niteny anakam-po aho hoe raha mivavaka fotsiny aho dia hahita haingana ilay habako.

Rehefa avy nivavaka aho dia nitady izany tamin’ny toerana rehetra. Nandritra ny roa andro aho dia nivavaka tamin’ny finiavana ary nitady mafy ilay izy. Nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hanampy ahy hitady izany, saingy tsy mbola nahita ihany. Nalahelo mafy aho satria sarobidy tamiko io haba io.

Indray alina dia niara-nivavaka tamiko teo an-tsisin’ny fandriako ny zanako lahy. Rehefa avy nivavaka izahay dia naka zavatra iray izy ary natolony ahy ilay izy. Ilay habako izany! Hitany tao ambany fandriana ilay izy. Mety tsy voajeriko tamin’ny fikarohana nataoko izany. Latsa-dranomasom-pifaliana aho fa hitako indray ilay izy.

Tampoka teo dia nisy fahatsapana tonga tato amiko hoe: “Moa ve ianao mivavaka mafy toy izany ho an’ireo rahavavinao ao am-piangonana? Sarobidy aminao tahaka ilay habanao ve izy ireo? Ary ahoana ny amin’ireo rahavavinao any ivelan’ny Fiangonana? Mivavaka ho azy ireny koa ve ianao?”

Rehefa nizara ny zavatra niainako tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana momba ilay haba tsy hita aho dia tsara ery ny fifanakalozan-kevitra nataonay. Nolazaiko an’ireo rahavavy fa izaho dia nianatra fa rehefa mangataka antsika hamahana ny ondriny ny Mpamonjy dia tokony hotadidintsika fa “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Tiany hiraharaha ireo olona manodidina antsika isika ary hitia sy hikarakara ary hivavaka amin’ny herintsika rehetra ho azy ireo. Rehefa manao izany isika dia ho hitantsika fa sarobidy lavitra noho ny haba volafotsy ny olona tsirairay.