2020
Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany
Aprily 2020


Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manomana izao tontolo izao amin’ilay andro izay hahatonga “ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah” (Isaia 11:9).

Sary
painting of the Savior’s hand

Afaka ny ho azontsika, nataon’i Jay Bryant Ward, tsy azo adika

Mandray anjara amin’ilay Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo an-dalam-pitohizana izaho sy ianao. Mahatalanjona ilay izy! Tsy noforonin’olombelona izy io! Fa avy amin’ny Tompo izay nilaza hoe: “Hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73). Io asa io dia mahazo vahana noho ny fanambarana iray nataon’ Andriamanitra 200 taona lasa izay. Nahitana teny enina monja izany: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17).

Io fanambarana izay notononin’ Andriamanitra io dia nampahafantatra an’i Joseph Smith kely tamin’i Jesoa Kristy Tompo. Ireo teny enina ireo no nanomboka ny Famerenana ny filazantsarany tamin’ny laoniny. Nahoana? Satria Andriamanitra feno fitiavana ny Andriamanitsika velona! Tiany ireo zanany hahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay! Ilay asa lehiben’ny andro farany izay andraisantsika anjara dia natomboka tamin’ny fotoana maha-mety izany mba hitahiana tontolo iray feno fahoriana izay niandry izany.

Tsy afaka ny hiresaka momba ny Famerenana amin’ny laoniny aho ka hoe tsy hientanentana. Io tranga teo amin’ny tantara io dia tena mahavariana tokoa! Tsy mampino! Mahatalanjona! Tena mahatalanjona tokoa izany hoe iraky ny lanitra no tonga hanome fahefana sy hery ho an’ity asa ity izany.

Ankehitriny dia mandroso haingana dia haingana ny asan’ny Tompo ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hanana ho avy tsy mbola nisy toy izany sy tsy manam-paharoa ny Fiangonana. “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, … na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’izay tia Azy” (1 Korintiana 2:9; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:10).

Tadidio fa ny fahafenoan’ny fanompoan’i Kristy dia tanteraka any amin’ny hoavy. Mbola vao hotanterahina ireo faminaniana momba ny Fiaviany fanindroany. Mihamizotra mankany amin’ny fotoana manan-danja indrindra amin’ity fotoampitantanana farany ity isika, dia ilay fotoana tena hitrangan’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany.

Manangona an’i Isiraely eo amin’ny lafiny roan’ny voaly

Zavatra iray tsy maintsy mitranga alohan’io Fiaviana fanindroany io ny fanangonana an’i Isiraely naely patrana izay efa nandrasana hatry ny ela (jereo ny 1 Nefia 15:18; jereo koa ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Ity fotopampianaran’ny fanangonana ity no iray amin’ireo fampianarana manan-danjan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nanambara ny Tompo hoe: “Omeko famantarana iray ianareo … fa Izaho dia hanangona ny oloko avy amin’ny fielezany ela, Ry mpianakavin’i Isiraely, ary haoriko indray eo anivony i Zionako” (3 Nefia 21:1).

Tsy mampianatra fotsiny izany fotopampianarana izany isika fa mandray anjara amin’izany koa. Manao izany isika rehefa manampy amin’ny fanangonana ireo voafidin’ny Tompo eo amin’ny lafiny roan’ny voaly. Ao anatin’ny tanjona izay efa napetraka fa hiafaran’ny tany sy ny mponina eo aminy, dia ilaina ny hanavotana ireo havantsika efa nodimandry (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15). Noho ny famindram-po, ilay fanasana mba “hanatona an’i Kristy” (Jakôba 1:7; Môrônia 10:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:59) dia azo atolotra ihany koa an’ireo izay maty kanefa tsy nahafantatra ny filazantsara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:6–8). Ny ampahany amin’ny fiomanan’izy ireo anefa dia mitaky ireo ezaka ataon’ny hafa ety an-tany. Manangona ny sarin’ny rohim-pianakaviana isika, mamorona ireo taratasy ahitana ny vondrom-pianakaviana, ary manao ny asa atao any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fisoloan-tena mba hanangonana ireo olona tsirairay ho ao amin’ny Tompo sy ho ao amin’ny fianakavian’izy ireo (jereo ny 1 Korintiana 15:29; 1 Petera 4:6).

Sary
painting of Salt Lake Temple

Hamasinina ho an’i Jehovah nataon’i Jay Bryant Ward, tsy azo adika

Ny fianakaviana dia tokony hofehezina miaraka ho mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2–3; 49:17; 138:48; Joseph Smith—Tantara 1:39). Tokony hisy rohy matanjaka mampifandray an’ireo ray amin’ny zanaka. Amin’izao androntsika izao dia ilaina ny hisian’ny fifamatorana eo amin’ny firaisana feno sy tanteraka eo amin’ireo fotoampitantanana sy ny fanalahidy ary ny hery rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18). Noho ireo tanjona masina ireo dia hita maneran-tany ankehitriny ireo tempoly masina. Antitranteriko indray fa mety tsy hampiova ny fiainanareo ny fananganana ireo tempoly fa ny asa fanompoana ataonareo ao amin’ny tempoly kosa anefa dia hampiova izany.

Ho avy ny fotoana izay hampisarahana ireo izay tsy mankatò ny Tompo amin’ireo izay mankatò Azy (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7). Ny antoka tsara indrindra ananantsika dia ny manohy ho mendrika ny ho tafiditra ao amin’ny tranony masina. Ny fanomezana tsara indrindra azonao omena ny Tompo dia ny mitandrina ny tenanao mba tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao, ary mendrika ny hiditra ao amin’ny tranony masina. Ny fanomezana hatolony anao dia ny fiadanana sy ny fiarovana noho ny fahafantarana fa mendrika ny hihaona Aminy ianao, na rahoviana na rahoviana no hahatongavan’izany fotoana izany.

Ankoatra ny asa atao any amin’ny tempoly, ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana iray ho an’izao tontolo izao manontolo fa manomboka manangona an’i Isiraely ny Tompo ary manatontosa ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama, Isaka ary Jakôba (jereo ny Genesisy 12:2–3; 3 Nefia 21; 29). Ny Bokin’i Môrmôna dia manambara ny fotopampianaran’ny fanangonana (jereo ohatra ny 1 Nefia 10:14). Izy io dia mahatonga ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hino ny filazantsarany ary hikambana ao amin’ny Fiangonany. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina.

Manan-danja lehibe amin’izany fanangonana izany koa ny asa fitoriana ny filazantsara. Mandeha mitory ny Famerenana amin’ny laoniny ny mpanompon’ny Tompo. Efa nandeha nikaroka tany amin’ny firenena maro ireo izay isan’ny Isiraely naely patrana ireo mpikambana sy ireo misiônerantsika. Nihaza azy ireo “[tany] an-tsefatsefaky ny harambato” (Jeremia 16:16) izy ireo, ary efa nanjono azy ireo tahaka ny tamin’ny andro fahiny.

Mampifamatotra ny olona amin’ilay fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama fahiny ny asa fitoriana.

“Ianao dia ho fitahiana ho an’ny taranakao any aorianao, ka eo an-tanany no hitondrany ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra;

“Ary Izaho hitahy azy ireo amin’ny anaranao; fa izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia hantsoina araka ny anaranao ary hisaina ho isan’ny taranakao, ka hitsangana sy hitso-drano anao ho toy ny rainy” (Abrahama 2:9–10).

Fiantombohan’ny fitahiana fotsiny ihany ny asa fitoriana. Ny fahatanterahan’ireo fitahiana ireo sy ny fahatontosany dia tonga eo amin’ireo izay niditra ny ranon’ny batisa sy mandavorary ny fiainany araka ny tokony ho izy mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly masina. Ny fahazoana ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia mamatotra ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama.

Ny safidy mba hanatona an’i Kristy dia tsy resaka toerana fa resaka fanolorantena manokana. Ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana dia afaka mianoka ny fotopampianarana, ny ôrdônansy, ny fanalahidin’ny fisoronana, ary ireo fitahian’ny filazantsara, na aiza na aiza toerana misy azy. Ny olona dia azo “hoentina ho amin’ny fahalalana ny Tompo” (3 Nefia 20:13) kanefa tsy mila mandao ny tanindrazany.

Marina fa tany am-piandohan’ny Fiangonana dia matetika nidika hoe fifindra-monina koa ny fiovam-po. Saingy ankehitriny dia any amin’ny firenena tsirairay no isehoan’ny fanangonana. Nandidy ny mba hanorenana an’i Ziona ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:6; 11:6) any amin’ny fanjakana tsirairay izay natokany mba hahaterahan’ireo Olomasiny sy nanomezany azy ireo ny zom-pireneny. Ny toerana hiangonan’ny Olomasina Bireziliana dia any Birezila; ny toerana hiangonan’ny Olomasina Nizeriana dia any Nizerià; ny toerana hiangonan’ny Olomasina Kôreana dia any Kôre. I Ziona dia “ny madio am-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21). Ny toerana rehetra ahitana ny Olomasina izany.

Hiankina mandrakariva amin’ny fomba hiainan’ny olona ny fahazoana fiarovana ara-panahy fa tsy amin’ny toerana hipetrahan’ny olona. Mampanantena aho fa raha manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy handray ny herin’ny Sorompanavotany amin’ny alalan’ny fibebahana, dia hanana ny fahalalana sy ny herin’ Andriamanitra isika mba hanampy antsika hitondra ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny manerana ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra mba hanampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany.

Ny Fiaviana fanindroany

Hiverina any amin’ny tany izay nohamasininy tamin’ny alalan’ny iraka notontosainy tany nandritra ny fiainany an-tany ny Tompo. Ho avy indray ao Jerosalema toy ny mpandresy Izy. Hiverina ao amin’ilay Tanàna Masina Izy, manao akanjo mena fanaon’ny mpanjaka mba ho tandindon’ny rany, izay nitete teo amin’ny mason-koditra rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133: 46–48). Any Jerosalema sy any amin’ny toeran-kafa dia “hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany” (Isaia 40:5; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23). “Ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, [Ny Ray Maharitra Mandrakizay], Ny Andrian’ny Fiadanana” (Isaia 9:5).

Hanapaka avy ao amin’ny renivohitra roan’izao tontolo izao Izy: ao Jerosalema fahiny ny iray (jereo ny Zakaria 14) ary ao Jerosalema Vaovao ny iray hafa izay “haorina eo amin’ny kaontinanta Amerikana” (Ireo Fanekem-pinoana 1:10). Hotarihiny avy any amin’ireo ivon-toerana ireo ny raharahan’ny Fiangonana sy ny fanjakana. Mbola hisy tempoly iray hafa haorina ao Jerosalema. Hanjaka mandrakizay amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka Azy avy ao amin’izany tempoly izany Izy. Hisy rano hiboika avy ao ambanin’ilay tempoly. Hositranina ny ranon’ny Ranomasina Maty. (Jereo ny Ezekiela 47:1–8.)

Amin’izay andro izay dia hitondra anarana vaovao maro Izy ary ho voahodidin’ Olomasina miavaka. Izy dia ho fantatra amin’ny anarana hoe “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka … , ary haharesy azy koa izay homba Azy, dia [ho ireo] olona voantso sy voafidy ary mahatoky” (Apokalypsy 17:14) noho ny fahatokiany eto amin’ny fiainana an-tany. Dia “hanjaka mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 11:15) Izy.

Haverina amin’ny toetran’ny paradisany sy hohavaozina ny tany. Hisy lanitra vaovao sy tany vaovao (jereo ny Apokalypsy 21:1; Etera 13:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:23–24).

Andraikitsika sy voninahitra ho antsika ny manampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’izany andro izany.

Sary
Jesus with little boy

Fahano ny ondriko, nataon’i Jay Bryant Ward, tsy azo adika

Atreho amim-pinoana ny hoavy

Ankehitriny, amin’izao fotoana izao indrindra, dia miaina ao anatin’ny fotoan’ny korontana isika. Ny horohoron-tany, ny tsunami mpandravarava, ny firodanan’ireo fitondram-panjakana, ny fitontonganan’ny toe-karena dia mahery vaika, voahozongozona ny fianakaviana ary miakatra ny tahan’ny fisaraham-panambadiana. Tena manana antony goavana isika hiasana saina. Kanefa tsy tokony havelantsika handresy ny finoantsika ny tahotsika. Afaka miady amin’ny tahotra isika amin’ny alalan’ny fampatanjahantsika ny finoantsika.

Nahoana isika no mila finoana tsy voahozongozona toy izany? Satria efa ho avy ny andro sarotra. Tsy ho fahita firy any amin’ny hoavy ny hahamora na hampalaza izany hoe ho tonga Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izany. Hotsapaina avokoa ny tsirairay avy amintsika. Ny Apôstôly Paoly dia nampitandrina fa amin’ny andro farany, ireo izay manaraka amin’ny zotom-po ny Tompo “dia henjehina” (2 Timoty 3:12). Izany fanenjehana izany dia na mety hahalavo anao amin’ny fahalemena tsy re tsaika, na mandrisika anao ho lasa ohatra sy be risi-po eo amin’ny fiainanao andavanandro.

Ny fomba fiatrehanao ny fitsapana eo amin’ny fiainanao dia hampivelatra ny finoanao. Tonga aminao ny hery rehefa tsaroanao fa ianao dia manana ny toetra araka an’ Andriamanitra, izay lova sarobidy tsy manam-petra. Nampahatsiahy anao, ny zanakao ary ny zafikelinao ny Tompo, fa ianareo dia taranany, ary efa voatokana hatrany an-danitra ny fotoana marina sy ny toerana hahaterahanao, ho lehibe ary ho tonga solontenany sy ho olon’ny fanekempihavanana. Rehefa mamakivaky ny lalan’ny fahamarinan’ny Tompo ianao, dia ho voatahy hanohy hatrany amin’ny hatsarany ary ho hazavana sy ho mpamonjy ny olony (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:8–11).

Ataovy izay ilaina na inona izany na inona mba hanamafisana orina ny finoanareo an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatakaranareo momba ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny sy amin’ny alalan’ny fikatsahana tsy tapaka ny fahamarinana. Noho ianareo miorim-paka mafy ao amin’ny fotopampianarana tsy misy pentina, dia ho afaka ny handroso amim-pinoana sy faharetana tsy tapaka ianareo ka hanao amim-pifaliana ireo zavatra rehetra izay tratry ny herinareo mba hanatanterahana ireo tanjon’ny Tompo.

Hisy ireo andro izay hahakivy anareo. Koa, mangataha risi-po mba tsy hilavo lefona! Mampalahelo fa hamitaka anareo ny sasany amin’ireo izay noheverinareo ho namanareo. Ary ho tsy rariny tsotra izao ny zavatra sasany.

Na izany aza anefa dia mampanantena anareo aho fa rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy ianareo dia hahita fiadanana mitohy sy fifaliana marina. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavananareo amin’ny antsakany sy andavany hatrany ianareo, sy rehefa miaro ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany amin’izao fotoana izao, dia hanome anareo tanjaka sy fahendrena ny Tompo mba hanatontosana ny zavatra izay tsy hisy hahavita afa-tsy ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany irery ihany.

Tokony ho mpanorina ny finoan’ny olona tsirairay an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompo ary ny Fiangonany isika. Tokony hanorina fianakaviana isika ary hofehezina any amin’ny tempoly masina. Tokony hanorina ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany isika (jereo ny Matio 6:33). Tokony hiomana amin’ny anjarantsika masina isika: dia ny voninahitra, ny tsy fahafatesana, ary ny fiainana mandrakizay (jereo ny Romana 2:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:5).

Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena aminareo aho fa, araka izay nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny “dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandra-panenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe hoe vita ny asa” (History of the Church, 4:540).

Mirotsaka amin’ny fanaovana ny asan’ilay Andriamanitra Tsitoha isika. Mivavaka aho mba ho amin’ny tsirairay avy aminareo ny fitahiany.