Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87


Fizarana 87

Fanambarana sy faminaniana momba ny ady, nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao an-tanàna na tao akaikin’i Kirtland, Ohio, ny 25 desambra 1832. Nibahana tamin’izany fotoana izany ny fifandirana tany Etazonia mikasika ny fanandevozana sy ny fandavan’i South Carolina handoa ny vola tokony haloany amin’ny fanjakana foibe. Milaza ny tantaran’i Joseph Smith fa “Nanomboka niharihary kokoa” tamin’ny Mpaminany “ireo endrika adiady nanerana ireo firenena noho izay nisy hatrizay nanombohan’ny Fiangonana ny diany nivoaka avy tao an-tany foana.”

1–4, Voalaza mialoha ny hisian’ny ady eo amin’ireo Faritany Tavaratra sy ireo Faritany Tatsimo; 5–8, Antambo lehibe no hanjo ny mponina rehetra eto an-tany.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo momba ireo ady izay hitranga tsy ho ela, izay manomboka amin’ny fikomian’i South Carolina ka hiteraka ny fahafatesana sy ny fahorian’ny olona maro;

2 Ary ho avy ny fotoana izay handatsahana ady amin’ny firenen-drehetra, manomboka eo amin’ity toerana ity.

3 Fa indro, hisaraka sady hanohitra ny Faritany Tavaratra ny Faritany Tatsimo, ary ny Faritany Tatsimo dia hangataka ny fanampian’ireo firenena hafa, dia ny Firenena Britanika araka izay iantsoana azy, ary izy ireo koa dia hangataka ny fanampian’ireo firenena hafa mba hiarovany ny tenany amin’ireo firenena hafa; ary amin’izany dia harotsaka amin’ny firenen-drehetra ny ady.

4 Ary ny zava-hitranga rehefa afaka andro maromaro, dia hitsangana hanohitra ny tompony izay homanina sy halamina ho amin’ny ady ireo andevo.

5 Ary ny zavatra hitranga koa, dia hanomana ny tenany ny ambiny izay tavela eo amin’ny tany ary ho tezitra izaitsizy tokoa ka hampijaly ny Jentilisa amin’ny fampijaliana mivaivay.

6 Ary dia toy izany no hitolokoan’ny mponin’ny tany noho ny sabatra sy ny fandatsahan-dra; ary amin’ny alalan’ny mosary sy ny areti-mandringana ary ny horohoron-tany sy ny kotro-baratra eny an-danitra ary ny tselatra mitsoriaka sady mahajambena koa no anaovana izay hahatsapan’ny mponin’ny tany ny fisafoahana sy ny fahavinirana ary ny tanam-pamaizan’ilay Andriamanitra tsitoha, ambara-pahatongan’ny fandringanana voatendry hanafoana tanteraka ny firenen-drehetra;

7 Ka ny antsoantson’ny olomasina sy ny an’ny ran’ny olomasina dia hitsahatra tsy hiakatra avy amin’ny tany ka hatrany an-tsofin’ny Tompon’ny Sabaota mba hamaliana ny fahavalony.

8 Koa mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo; fa indro avy faingana tokoa izany hoy ny Tompo. Amena.