Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40


Fizarana 40

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao Fayette, New York, ny 6 janoary 1831. Talohan’ny niraketana ity fanambarana ity, dia milaza izao ny tantaran’ny Mpaminany hoe: “Noho i James [Covel] nitsipaka ny tenin’ny Tompo ary niverina amin’ny fitsipika nananany teo aloha sy ny olony, dia nomen’ny Tompo ahy sy an’i Sidney Rigdon izao fanambarana manaraka izao” (jereo ny fizarana 39).

1–3, Ny fahatahorana ny fanenjehana sy ny fiahiahiana izao fiainana izao no mahatonga ny fitsipahana ny filazantsara.

1 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, fa nahitsy teo anoloako ny fon’i James Covel mpanompoko, satria nifanaiky Tamiko izy fa hankatò ny teniko.

2 Ary noraisiny tamim-pifaliana ny teny, saingy nalain’i Satana fanahy niaraka tamin’izay izy; ary ny fahatahorana ny fanenjehana sy ny fiahiahiana izao fiainana izao no nahatonga azy hitsipaka ny teny.

3 Koa nivadihany ny fanekempihavanako, ary andraikitro ny manao aminy araka izay heveriko ho mety. Amena.