Institiota
Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy


“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy

Nandritra ity taranja ity dia nanana fahafahana nandalina sy nisaintsaina ary nifanakalo hevitra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany mandrakizay ireo mpianatra. Nasaina izy ireo mba hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy hanao asa amim-pinoana mba ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Ao amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hisaintsaina ny zavatra tsapany sy nianarany ary niainany. Hasaina izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Mijoro ho vavolombelona momba Azy ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

Fanamarihana: Mba hanomezana fotoana betsaka ny mpianatra hisaintsainana sy hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy mandritra ny fotoam-pianarana dia vitsy kokoa ny hevitra enti-mampianatra ato amin’ity lesona ity.

Azonao atao ny mizara ity rafi-tantara manaraka ity rehefa manomboka ny kilasy ianao:

Alaivo sary an-tsaina hoe manatrika ny fivoriana ifadian-kanina sy ijoroana ho vavolombelona voalohany nataony ny namana akaiky iray na niverina nandeha niangona taorian’ny taona maro nialany. Raha mizara ny fijoroanao ho vavolombelona ianao, dia inona no holazainao? Inona no zavatra antenainao mba hozarain’ny hafa?

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra mba handraisany an-tsoratra ny zavatra mety holazainy ao amin’ny fijoroany ho vavolombelona. Azonao atao avy eo ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra noraketin’izy ireo. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao atao ny mametraka ny iray na vitsivitsy amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ho tsapanao raha tsy nisy olona nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany mandrakizay? (Rehefa mifanakalo hevitra ny mpianatra dia azonao atao ny mampiseho an’izao teny manaraka nataon’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf izao: Ny fototra mandrakarivan’ny ny fijoroana ho vavolombelona [ananantsika] dia ny finoana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy sy ny iraka masina notanterahiny” [“The Power of a Personal Testimony,” Liahona, Nov. 2006, 38].)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny mamerina mijery ny Almà 5:46–48 sy ny teny faharoa nambaran’ny Loholona Uchtdorf ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Raha tianao dia azonao atao ny manampy ny mpianatra hamantatra fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity: Afaka manana fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.) Inona no anjara asan’ny’ Fanahy Masina teo amin’ny fahatakaranao sy ny fitiavanao ny Mpamonjy?

Hevero ny hanasa ny mpianatra iray na roa alohan’ny fotoam-pianarana mba hiomana hizara ao an-dakilasy ny fomba nitahiana ny fiainan’izy ireo tamin’ny fihainoana ny hafa nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Avy eo dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana faharoa ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no antony mety haha-zava-dehibe ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy, na dia tsapantsika aza fa tsy dia matanjaka loatra izany? (Hevero ny hamerina hijery ny teny voalohany nambaran’ny Filoha Uchtdorf ao amin’ny fizarana voalohany ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ny fotoam-pianarana.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Asao ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny iraka masina notanterahiny. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fizarana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny hoe mitahy ilay olona mijoro ho vavolombelona fa afaka manamafy orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa ihany koa. Ny fijoroana ho vavolombelona dia mety ho fanehoana tsotra ny zavatra inoan’ny olona iray, na antenaina, na fantany fa marina.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina hiomana ho amin’ny kilasy izy ireo tamin’ny alalan’ny fisafidianana sahanasa fianarana iray mba hanampiana azy ireo hisaintsaina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany mandrakizay. Omeo fotoana ny mpianatra hamerenana ny taratasiny sy hanomanana zavatra hozaraina.

Raha maro ny isan’ny mpianatrao dia azonao atao ny manasokajy ireo mpianatra ho anatina vondrona kely mba hanampy tsiraray hanana fahafahana. Amporisiho ireo mpianatra mba hitandrina ny fotoana ampiasainy mba hananan’ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy na vondrona fahafahana hizara raha te hanao izany izy ireo. Na dia tokony hamporisihina hizara aza ny mpianatra rehetra, dia tsy misy tokony hahatsiaro ho voatery.

Farano ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny famporisihana ireo mpianatra hanohy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy sy hikaroka fahafahana hizara izany fijoroana ho vavolombelona momba Azy izany.

Alohan’ny hifaranan’ny fotoam-pianarana dia amporisiho ireo mpianatra hanohy hisoratra anarana amin’ny institiota.