Institiota
Lesona 2 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ilay Kristy velona


“Lesona 2 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ilay Kristy velona,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 2 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 2 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ilay Kristy velona

Tamin’ny 1 janoary 2000, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy tao amin’ny tahirin-kevitra iray antsoina hoe “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Ao amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hanazavana ny lanjan’ny fiantsoana masina hoe Kristy ny mpianatra ary hizara ny fomba ahafahan’ny finoan’izy ireo ho mafy orina amin’ny alalan’ny fandalinana amim-bavaka ny “Ilay Kristy Velona.”

Soso-kevitra enti-mampianatra

I Jesoa no Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mifantoha amin’ny fiovam-po fa tsy amin’ny fahavitana ny tahirin-kevitra manontolo. Matetika no mahatsiaro ho mitaintaina amin’ny tsy maintsy ampiasana ny tahirin-kevitra iray manontolo mandritra ny lesona iray isika. Rehefa mahatsapa izany ianao, dia hevero ny mandrafitra ny eritreritrao mba hifantoka amin’ny zavatra tsapan’ireo mpianatrao ao anatin’ny sain’izy ireo sy ny fon’izy ireo. Manana ny fotoana ilainy hieritreretana sy hahatsapana ny lanjan’ireo fahamarinana ianarany ve ireo mpianatra? Ataovy an-tsaina ny torohevitra feno fahendrena avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks, “Tsy afaka manery ny zavatra ara-panahy isika” (“In His Own Time, In His Own Way,” Ensign, aog. 2013, 24).

Asao ny mpianatra hitady ohatra vitsivitsy ana mpitarika lehibe nanana fitondrantena tsara sy ara-panahy ao anatin’ny tantara. (Na koa afaka mizara ohatra izay hitanao ianao.) Resaho fohifohy ny fomba nitaoman’ireo olona ireo izao tontolo izao ho amin’ny tsara. Afaka mampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy ianao avy eo ary manontany hoe:

  • Inona no mampiavaka an’i Jesoa Kristy amin’ireo mpitarika nanana fitondrantena tsara sy ara-panahy teo amin’izao tontolo izao ireo?

Asao handinika ny Matio 16:13–17 ny mpianatra ka hitady andian-teny nampiasain’i Petera izay manavaka an’i Jesoa amin’ny olona rehetra efa niaina teto an-tany.

  • Inona no manan-danja mandrakizay amin’ny tenin’i Petera tamin’i Jesoa hoe: “Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona”? (Matio 16:16). (Mety hanampy ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Mety afaka maneho fahamarinana toy izao manaraka izao ny mpianatra: Jesoa no Kristy, ilay Voahosotra na Mesia. Misolo tena ny Ray Izy ary lalan-tokana ahafahantsika ho voavonjy.)

  • Inona avy no eritreritrao momba ny maha-zava-dehibe ny fahazoana sy ny fanamafisana orina ny fijoroanao ho vavolombelona manokana fa i Jesoa no Kristy? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra sasany hizara ny fomba nahazoan’izy ireo ny fijoroany ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mampiasà fanampiana ho an’ny fandalinana. Ny Fanampiana ho an’ny Fandalinana, izay hita ao amin’ny fizarana Soratra Masina ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile, dia ahitana loharanom-pitaovana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, torolalana ahitana andalan-tsoratra masina ho an’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia notsoahina avy amin’ireo soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana mba hanampiana ny mpamaky hianatra mombana lohahevira iray manokana. Rehefa mandalina lohahevitra ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ireo andinin-tsoratra masina mba hanampiana azy ireo hahita ny tanjon’ny mpanoratra izay nentanim-panahy.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mba hanomanana ny fotoam-pianarana dia nasaina nitady ny “Jesoa Kristy” tao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina izy ireo ary hitady anarana, fiantsoana, ary anjara asa masina izay nomena ny Tompo. Omeo minitra vitsy handinihana ny zavatra hitany ny mpianatra. Avy eo dia afaka mizara amin’ny iray kilasy na anatina vondrona kely ny zavatra hitany ny mpianatra. Raha heverinao fa mety hanatsara ny fianaran’ny mpianatrao izany dia azonao atao ny mampiseho izany ary manasa azy ireo hamaly ny iray na ny anankiroa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fahatsapana tonga ao am-ponao rehefa mieritreritra an’i Jesoa Kristy ho [atsofohy ny anarana, fiantsoana, na anjara asa] ianao?

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantaranao fai Jesoa Kristy dia [atsofohy ny anarana, fiantsoana, na anjara asa] amin’ny finoanao Azy?

Azonao amporisihina ny mpianatra mba hisafidy ary handalina anarana, fiantsoana, na anjara asa iray an’i Jesoa Kristy izay tian’izy ireo hianarana misimisy kokoa.

Ny Apôstôlin’ny Tompo dia vavolombelona manokana fa Izy no Kristy.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny fahazoan’ny finoana an’i Jesoa Kristy vahana eo anivon’ireo olona manodidina anao. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ihany koa ny zavatra henon’izy ireo vao haingana momba ny Mpamonjy ao amin’ny tambajotra ifaneraserana na ao anatin’ireo fialamboly ankafizin’ny maro.

Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23, ary hevero ny hanoratra izao fanambarana manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: i Jesoa Kristy dia niantso Apôstôly ho vavolombelony manokana manerana izao tontolo izao. Manontania avy eo hoe:

  • Araka ny fijerinao, nahoana no mety ho tena zava-dehibe amin’izao androntsika izao ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo Apôstôly nantsoin’ny Tompo?

  • Amin’ny fomba ahoana no nanamafisan’ireo vavolombelona manokana ireo orina ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?  .

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny 1 janoary, 2000, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy tao amin’ny “Ilay Kristy Velona.” Omeo tahadikan’ilay tahirin-kevitra ny mpianatra na asao hanokatra izany amin’ny fitaovana elektrônikan’ izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny tahirin-kevitra “Ilay Kristy Velona,” dia ataovy mandray anjara amin’ity fiaraha-mientana ity izy ireo. Asao hiara-miasa amin’ny namana iray izy ireo ary omeo ny mpianatra tsirairay ny iray amin’ireo taratasy zaraina etsy ambany. Maka antoka fa manana fotoana misimisy hijerena sy hifampizarana ny zavatra hitan’izy ireo tao amin’ny “Ilay Kristy Velona ny mpianatra.”

Hafatra ho an’ny androntsika ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 2

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia voaomana mialoha ny fotoana izay tena hilantsika izany indrindra. (“Fihaonamben’ny Fiangonana manerantany: Manamafy orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona,” Liahona, nôv. 2013, 7)

Diniho ny “Ilay Kristy Velona” mba hahitana hafatra izay tsapanao fa tena ilaina amin’izao androntsika izao. Miomàna hizara izay hitanao amin’ny namana mpiara-mandalina aminao.

Hafatra ho an’ny androntsika ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 2

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Miresaka misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 2

Hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Raha toa ka mihena ny firesahan’izao tontolo izao an’i Kristy dia ndeha isika hiresaka bebe kokoa momba Azy. Rehefa miseho ny tena maha-mpianany antsika, dia maro amin’ireo manodidina antsika no ho vonona hihaino. (“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 90)

Avereno jerena ny “Ilay Kristy Velona” mba hahitana hafatra IZAY tsapanao fa tena zava-dehibe ny hizarana azy amina tontolo tsy dia miresaka an’i Jesoa Kristy. Miomàna hizara izay hitanao amin’ny namana mpiara-mandalina aminao.

Miresaka misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 2

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Hamaranana ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra mba hizara ny fomba nanamafisana na mety hanamafisana orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny “Ilay Kristy Velona.” Omeo fotoana izy ireo hametrahana tanjona amin’ny zavatra hataon’izy ireo hampitomboana ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalana fandalinana fanampiny na fanaovana tsianjery io tahirin-kevitra nentanim-panahy io.

Ho an’ny fotoana manaraka

Hevero ny handefa amin’ny mpianatrao alohan’ny fotoam-pianarana manaraka ity teny manaraka ity na iray hafa izay tsapanao fa hanaitra ny fahalianan’izy ireo: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ny lesona 3 ianao, dia hevero ny antony nisafidiananao hanaraka an’i Jesoa Kristy tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.