Institiota
Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manampy ny Tompo amin’ny fanavotana ny maty


“Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 19 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manampy ny Tompo amin’ny fanavotana ny maty

Ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia manome antoka fa ny olona rehetra izay niaina sy mbola hiaina eto ambonin’ny tany dia hanana ny fahafahana handre ny filazantsaran’ny Tompo sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena. Ato anatin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hizara izay azony hianarana momba ny Mpamonjy avy tamin’ny asa fanompoana nataony tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Hasaina ihany koa izy ireo handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana amin’ny asa fanavotany ny maty.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manompo ireo efa nodimandry any amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy.

Hanombohana ny fampianarana dia azonao aseho ireto sary manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hanazava izay zava-nitranga teo anelanelan’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. (Na azonareo atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny Loholona Spencer J. Condie any amin’ny fiandohan’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary manasa ireo mpianatra hamaly izany fanontaniana izany.)

Sary
The Burial of Christ [Ny Fandevenana an’i Kristy], nataon’i Carl Heinrich Bloch.
Sary
baraingo
Sary
Mary and the Resurrected Lord [I Maria sy ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty], nataon’i Harry Anderson

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fahafahana hanaovana fanazaran-tena mizara ny filazantsara ny mpianatra. Ny kilasin’ny institiota dia afaka manome toerana azo antoka ho an’ny mpianatra mba hampiharana ny fanazavana ireo fampianaran’ny Fiangonan’ny Tompo. Ohatra, amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra, ireo mpianatra dia afaka manatsara ny fahaizany miresaka momba ny filazantsara amin’ny fampiasana fiteny tsotra sy mazava.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa manana fahafahana hanazava ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy amin’ny olona iray tsy mitovy finoana amintsika izy ireo. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asaivo mifidy izay tiany hovaliana ny mpianatra:

  • Reko hoe ny fiangonanareo nampianatra fa mankany amin’ny paradisa na fonjan’ny fanahy ny olona rehefa maty. Mitovy amin’ny lanitra sy ny helo ve izany?

  • Nilazana aho rehefa nihalehibe fa ny olona maty tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy azy dia very mandrakizay ary tsy afaka mankany an-danitra. Izany ve no ampianarin’ny fiangonanareo?

  • Vao haingana aho no nandre ny fiangonanareo nanao zavatra iray antsoina hoe batisa ho an’ny maty. Toa hafahafa izany. Inona koa izany batisa ho an’ny maty izany?

Omeo fotoana ny mpianatra hamerenana mijery ireo soratra masina hita ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy hanomanana valiny tsotra sy mazava ary marina ara-potopampianarana ho an’ilay fanontaniana nosafidiany.

Avy eo dia asao ny mpianatra hilalao an-tsehatra miaraka amin’ny namana iray ary hamaly ireo fanontaniana nofidin’izy ireo. Rehefa vita izany dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany avy amin’ny tsirairay avy.

Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny asa fanompoana nataon’ny Tompo tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia azonao atao ny mametraka ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny fanompoana ireo izay any amin’ny tontolon’ny fanahy? Avereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–19, 23–24, ary tadiavo ireo teny izay mamaritra ny fomba namalian’ireo mahatoky ny fitsidihan’ny Mpamonjy. Zarao amin’ny namana iray ny mety ho tsapanao raha nanatrika izany tranga izany ianao.

  • Inona no nianaranao momba ny faniriana sy ny toetran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataony tany amin’ny tontolon’ny fanahy? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–35. Ny valiny dia mety ahitana fahamarinana mitovitovy amin’ireto manaraka ireto: Ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia maneho ny fitiavany sy ny faniriany hanolotra famonjena ho an’ny olona rehetra. Ny Mpamonjy dia mamela antsika rehetra hanampy amin’ny asany lehibe ho an’ny maty.)

  • Inona no eritreritra na fahatsapana anananao momba ny Mpamonjy rehefa mieritreritra ianao fa mipaka amin’ny olona rehetra ny asa fanompoana nataony—anisan’izany ireo razambenao izay maty kanefa tsy nahalala ny filazantsara?

Afaka manampy ny Mpamonjy amin’ny fanavotana ny maty isika.

Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy nampiarahana eto sy ity fanambarana avy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ity: “Natolony ny ainy mba ho sorona noho ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra. Fanomezana lehibe tamin’ny alalan’ny fisoloana tena no nataony ho an’izay rehetra niaina na mbola hiaina eto an-tany” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa ny hoe fisoloana tena dia midika hoe manao zavatra ho an’ny olona iray na eo amin’ny toeran’ny olona iray hafa.

Sary
Christ Praying in the Garden of Gethsemane [I Kristy mivavaka ao amin’ny Sahan’i Getsemane], nataon’i Hermann Clementz

Dia asehoy ity sary manaraka ity ary manontania hoe:

  • Ahoana avy no mety hanahafan’ny asa ataontsika ho an’ny maty ny ny lamin’ny Mpamonjy? (Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Sary
Batisa tanterahana ao amin’ny tempoly

Araka ny valin-tenin’ny mpianatra dia azonao atao ny mampiseho fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity: Rehefa mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly isika dia maka tahaka ny ohatra nasehon’ ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana ho an’ny hafa ny zavatra izay tsy azon’izy ireo atao ho an’ny tenany manokana.

  • Ahoana no ahafahan’ny na nahafahan’ny fanaovana asa any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Filoha Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hamantatra ireo fitahiana efa niainany na tiany hiainana amin’ny alalan’ny fanaovana asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Avy eo dia omeo fahafahana ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy na ao anatin’ny vondrona kely ny fomba nitahiana azy ireo na ny olona iray fantany tamin’ny fanaovana asa ho an’ny maty.

Asehoy ity teny manaraka izay nambaran’ny Filoha Nelson ity:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Manasa anareo aho mba hieritreritra ombam-bavaka ny karazana fahafoizantena, tsara kokoa raha fahafoizana fotoana, azonareo atao mba hanaovana asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana bebe kokoa. (Russell M. Nelson, in “Make Sacrifices for Family History, President Russell M. Nelson Challenges,” Feb. 12, 2017, ChurchofJesusChrist.org)

Omeo fotoana hieritreretana sy hanoratana ny mpianatra ho valin’ny fanasan’ny Filoha Nelson. Afaka mampiasa ny fotoana sisa tavela izy ireo hanokafana ny FamilySearch ary hitadiavana anarana izay azony entina any amin’ny tempoly. Amporisiho ireo mpianatra izay efa nampiasa ny FamilySearch mba hanampy ireo izay tsy mahafantatra izany.

Na azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo hevitra ao amin’ilay lahatsoratra hoe “L’histoire familiale est pour tout le monde” (ChurchofJesusChrist.org) voaresaka ao amin’ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hamporisihana ny fiomanan’ny mpianatra amin’ny kilasy manaraka dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity na ny hafatra nosoratanao manokana: Rehefa mandalina ny lesona 20 ianao dia eritrereto hoe inona no hevi-baovao ara-panahy azonao raisina avy amin’ny teny hoe mpiandry ondry, mpikarama, valan’ondry, ondry hafa, kijana maitso, ary ondry very.