Institiota
Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy


“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy

Mangataka antsika amin’ny maha-mpianany antsika i Jesoa Kristy mba ho tonga tahaka Azy (jereo ny 3 Nefia 27:27). Ao amin’ity lesona ity, ireo mpianatra dia handinika ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga kokoa tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampivelarana bebe kokoa ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Hanana fahafahana hisafidy toetra iray manokana tahaka ny an’i Kristy koa izy ireo ary hamaritra izay azony atao mba hampivelarana izany amin’ny fomba feno kokoa. 

Soso-kevitra enti-mampianatra

Nampianatra ny mpianany i Jesoa Kristy mba ho tonga tahaka Azy.

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia asehoy na asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no maha-samy hafa ny mahafantatra zavatra iray amin’ny manao zavatra iray, sy ny lasa zavatra iray?

Fintino ny sahan-kevitry ny 3 Nefia 27, ary vakio miaraka ny 3 Nefia 27:27 avy eo. Na koa azonareo atao ny mijery ny horonan-tsary mifanaraka amin’izany ao amin’ny Book of Mormon Videos (ChurchofJesusChrist.org). Hevero ny hampiseho izao fahamarinana manaraka izao: Nangataka ny mpianany i Jesoa Kristy mba ho tonga tahaka Azy.

Azonao atao ny mampiseho sary vitsivitsy izay maneho ny toetran’i Kristy. Avy eo dia asao ny mpianatra hisafidy iray na roa amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hovakiana ka hitady ireo toetra tahaka ny an’i Kristy:

  • Inona avy ireo toetran’i Jesoa Kristy sasany izay tianao hananana bebe kokoa? (Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo toetra hitan’ny mpianatra.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny fiezahana ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa? (Azonareo atao ny mamerina mijery ilay teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson ao amin’ny Fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hevero ny hizara zavatra tahaka izao rafi-tantara manaraka izao:

Rehefa nijery ny lisitr’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy i Eliza, dia nahatsapa ho difotra izy. Nanontany tena izy hoe ahoana no ahafahany mampiditra ireo toetra rehetra ireo eo amin’ny fiainany. Toa tsy azo heverina izany.

  • Efa nahatsapa toa an’i Eliza ve ianao? Inona no mety ho torohevitra homenao azy?

  • Inona ireo fanamby hafa mety atrehantsika rehefa mikatsaka ny hampivelatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy?

  • Inona avy ireo fitsipiky ny filazantsara afaka manampy antsika hahatsapa fanantenana bebe kokoa rehefa miezaka ny hanana toetra tahaka ny an’i Kristy isika? (Raha ilaina dia azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana na soratra masina toy ireto manaraka ireto: Môzià 4:27; Etera 12:27 ; na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18; 93:13.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mampiasà tantara. Ny tantara dia afaka mamorona fahalianana, mampitombo ny fahatakarana ary maneho ny fampiharana. Miaraka amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina, ireo tantara mampitombofinoana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia afaka mampiseho ny fomba hampiharana ireo fitsipika ao anatin’ny sahan-kevitra maoderina. Afaka mizara tantara manentana fanahy avy amin’ny fiainany ihany koa ny mpampianatra sy ny mpianatra.

Mba hanehoana ny hevitra hoe tonga tahaka ny Tompo tsikelikely dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny Tendrombohitra Fuji ary mamaky ity zavatra niainan’ny Loholona Scott D. sy Rahavavy Whiting manaraka ity. (Na azonareo atao ny “mijery ny horonan-tsary na mihaino an’ny Loholona Whiting mizara ny traikefany” nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany [ manomboka avy amin’ny mari-potoana faha- 2:35 ka hatramin’ny 3:09].)

Sary
Tendrombohitra Fuji
Sary
Loholona Scott D. Whiting

Taona vitsivitsy lasa izay no nijoroanay mivady teo amin’ny fiantombohan’ny lalana kely mananika ny tendrombohitra farany avo any Japana, dia ny vohitra Fuji. Rehefa nanomboka ny fiakaranay izahay dia niandrandra ny tendrony izay tena lavitra ka nanontany tena raha toa ka ho tonga eny.

Raha nandroso izahay dia nanomboka nahatsapa harerahana sy fanaintainana teo amin’ny hozatra ary ny vokatry ny haavo. Raha ny ara-tsaina dia lasa zava-dehibe taminay ny tsy mifantoka afa-tsy amin’ny dingana manaraka. Niteny izahay hoe: “Mety tsy ho tonga haingana eny an-tampony aho, saingy azoko atao ity dingana manaraka ity izao ankehitriny izao.” Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa azo tratrarina ihany ilay zavatra nahasadaikatra—dingana iray isaky ny mandeha. (Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 12)

  • Inona no ifandraisan’ny zavatra niainan-dry Whiting amin’ny fahatongavana kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy?

Rehefa avy mizara ny eritreriny ny mpianatra dia asehoy ity teny manaraka nataon’ny Loholona Whiting ity:

Sary
Loholona Scott D. Whiting

Ny fahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy dia mitaky ny fanovana ny fontsika sy ny saintsika, eny, ny toetrantsika mihitsy, ary tsy ho azo tanterahina izany raha tsy noho ny fahasoavana feno fanavotan’i Jesoa Kristy. …

Mba hahitana fivoarana tena marina dia mila manao ezaka tsy tapaka ianao. Mitovy amin’ny fianihana tendrombohitra iray izay mitaky fiomanana mialoha ny fianihana ary fitozoana sy faharetana mandritra ny fianihana, ity fiezahana ho tonga tahaka Azy ity ihany koa dia mitaky fiezahana marina sy fahafoizan-tena. Ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay hiezahantsika ho tonga tahaka ny Tompontsika dia nitaky hatrany ny ezaka tsara vitantsika. (Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 13,14)

Asao ireo mpianatra hijery ilay sahanasa atao hoe “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Avy eo dia fidio hoe iza amin’ireto sahanasa manaraka ireto no mety hanome ny filan’ny mpianatrao:

  1. Asao ny mpianatra mba haka fotoana hamitana ny “Fampiharana momba ny toetra” hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako na hisaintsaina ny zavatra izay nianarany na afaka hianarany avy tamin’ilay traikefa.

  2. Omeo fotoana ny mpianatra mba hisafidianana sy hamakiana (na hanombohana hamaky) ny iray amin’ireo lahateny ao amin’ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Mety hahita ny loharanon’izy ireo manokana mba hoentiny mandalina koa izy ireo amin’ny alalan’ny fitadiavana toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  3. Asao ny mpianatra sasany hizara avy ao amin’ny soratra masina ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ohatra ilay toetra nosafidiany hianarana. (Jereo ny Dingana 2 ao amin’ny sahanasa “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 3 amin’ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  4. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tamin’ny alalan’ny firesahana amin’ny olona iray fantany momba ny fahatongavana kokoa tahaka ny Mpamonjy. (Jereo ny sahanasa “Ifanakalozy hevitra ho fanomanana ny fotoam-pianarana” ao amin’ny fizarana 1 na ny dingana 3 amin’ny sahanasa “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hamaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary manasa ny mpianatra hisaintsaina sy hanoratra ny zavatra tsapan’izy ireo:

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hampisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao sy ny fifandraisanao ny fambolena na ny fanamafisana orina ilay toetra tahaka ny an’i Kristy izay nosafidinao?

  • Inona avy ireo dingana kely sy tsotra azonao atao amin’ity herinandro ity mba hikolokoloana io toetra io?

  • Ahoana no hikatsahanao ny fanampian’ny Tompo mba hambolena na hanamafisana orina io toetra io?

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara zavatra izay tsapany, na nianarany, na nosoratany nandritra ny fifanakalozan-kevitra androany. Azaonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona.

Ho an’ny lesona manaraka

Mba hamporisihana ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny kilasy manaraka dia hevero ny handefa izao hafatra manaraka izao na hafatra noforoninao manokana: Rehefa mandalina ny lesona 27 ianareo dia tadiavo ny fifandraisana misy eo amin’ireo teny hoe fanantenana, fahazavana, ary fiainana.