Institiota
Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita fanantenana amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana


“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita fanantenana amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mahita fanantenana amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny fitsanganana amin’ny maty no andry azo antoka ho an’ny tena manokana iankinan’ny finoantsika. Izany dia mampisy lanja ny fotopampianarantsika, hery mandrisika ny fitondran-tenantsika, ary fanantenana ho an’ny hoavintsika” (“Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75). Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hifanakalo hevitra momba ny fisian’ny Fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty sy hizara ny fomba anomezan’izany fanantenana azy ireo rehefa miatrika ireo fanamby izay tsy afala-miala amin’ny vatana mety maty.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Maro ireo vavolombelona nanatri-maso nijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hanoratra fehezan-teny vitsivitsy momba ny antony maha-manan-danja amin’izy ireo manokana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Avy eo dia omeo fotoana ny sasany mba hizara izany ao anatina vondrona kely na indray miaraka. Azonao atao ny manontany ny iray na nyy mihoatra izany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanombanana ny zavatra mety ilain’ireo mpianatra ifanakalozana hevitra amin’ny antsipiriany bebe kokoa mandritra ny lesona:

Hevero ny hampiseho ny sarin’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty niseho tamin’i Maria teo am-pasana. Iaraho mamaky ny Jaona 20:14–18 ary angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny zavatra tsapan’i Maria raha nahita ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty. Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny na ny fahatsapany na ny heviny.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia nasaina hisafidy ny tantarana vavolombelona iray nanatri-maso an’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty sy nirakitra ny eritreritra sy ny fahatsapan’izy ireo momba io tranga io izy ireo. Omeo fotoana ireo mpianatra hijerena ny andinin-tsoratra masina nosafidian’izy ireo na mba hisafidy iray raha ilaina. Avy eo dia asaivo manorina vondrona kely izy ireo ary asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ireo tantara nohalalinin’izy ireo. Avy eo dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Misy fiantraikany amin’ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ireo tantara momba ny Fitsanganana amin’ny maty ireo?

Azonao atao ihany koa ny mampiseho izao toe-javatra manaraka izao: Eritrereto ny fomba azonao hamaliana ny namana iray izay miteny toy izao: “Mino aho fa i Jesoa Kristy dia mpampianatra lehibe sy mpitarika ara-pivavahana iray. Ekeko ireo fitsipi-pitondrantena ao amin’ny fampianarany, saingy tsy mino aho hoe tena nitranga ny Fitsanganana tamin’ny maty.”

Mety hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ianao ho isan’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo:

  • Inona no mety ho navalin’i Paoly Apôstôly an’io teny io? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny 1 Korintiana 15:14, 17–22. Mety hahita fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Ny Fitsanganana amin’ny maty dia manan-danja tokoa amin’ny filazantsaran’ny Tompo. Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra.)

  • Nahoana no manan-danja amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Fitsanganany tamin’ny maty? Inona avy ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay voaporofo fa marina satria nitsangana tamin’ny maty Izy? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny loholona Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona avy ireo eritreritra sy fahatsapana anananao noho ny fahafantarana fa noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olon-drehetra, anisan’izany ianao? (Raha tianao dia azonao atao ihany koa ny mizara ny fahatsapanao momba io fanontaniana io.)

Mampianatra i Paoly fa afaka mifaly isika noho ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Resaho amim-pitandremana sy amim-pangorahana ireo lohahevitra mahakasika ny tena manokana. Rehefa miresaka momba ireo lohahevitra izay mety hiteraka fihetseham-po be ianareo dia mitandrema tsara mba hahatsapanao ireo toe-javatra iainan’ireo mpianatrao sy ny zavatra tsapan’izy ireo. Fantaro ny fiainan’ireo mpianatrao mba hahafahanao mahafantatra ny fomba tsara indrindra hitondrana ireo lohahevitra saro-pady. Mandritra ny fotoam-pianarana dia jereo ny fihetsik’ireo mpianatra ary hevero izay mety ho fiantraikan’ny fifanakalozan-kevitra atao ao am-pianarana amin’ny mpianatra.

Zarao ity tantara manaraka momba an’i Alisa, zanakavavin’ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy ity:

Sary
Ny Loholona Paul V. Johnson

Teo amin’ny herintaona lasa teo ho eo, dia nodimandry i Alisa zanakay vavy. Niady tamin’ny homamiadana nandritra ny valo taona latsaka izy, ary nodidiana imbetsaka, nanaraka fitsaboana maro isan-karazany, niaina fahagagana mampientanentana ary fahadisoam-panantenana lalina. Nahita ny toe-batany niharatsy izahay rehefa nihananakaiky ny faran’ny fiainany an-tany. Tena mafy ny nahita ny nitrangan’izany tamin’ny zanakavavy maminay— ilay zazakely miramiran’endrika izay nihalehibe mba ho lasa vehivavy sy vady ary reny manan-talenta sy mahafinaritra. Nieritreritra aho hoe ho vonton’alahelo tanteraka ny foko. (“Ary tsy hisy fahafatesana intsony,” Liahona, mey 2016, 121)

  • Efa nanana fahatsapana nitovitovy tamin’izany ve ianao na ny olona iray fantatrao? Raha izay no izy, inona no zava-nitranga?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ilay teny nambaran’ny Loholona Johnson ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy ny 1 Korintiana 15:52–55. Azonao atao ny mandroso hevitra amin’izy ireo mba hitady ireo fampianarana izay afaka mitondra fampiononana sy fanantenana. Avy eo dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty mitondra fampiononana sy fanantenana ho an’ireo olona miady amin’ny aretina miteraka fahavoazana na ratra manova fiainana na fahasembanana hatrany am-bohoka na fahafatesan’ny olona akaiky ny fo iray? (Tokony hahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Isika dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana tsy iharan’ny fahalovana sy vatana tsy mety maty.)

  • Oviana ny fahatakarana ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty no nanampy anao na ny olona iray fantatrao?

Hevero ny hizara misimisy kokoa momba ny zavatra niainan’i Alisa:

Sary
Ny Loholona Paul V. Johnson

Nanadihady ny taham-pahavelomana ho an’ny olona izay nanana ny karazana homamiadana nananany i Alisa, ary nahakivy ny salan’isa hitany. Nanoratra izy hoe: “Kanefa misy fanasitranana iray, noho izany tsy matahotra aho. Efa nanasitrana ny homamiadako sy ny anao i Jesoa. … Hihatsara aho. Mahafaly ahy ny mahafantatra izany.”

Azontsika soloina amin’izay aretina ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetsehampo hafa atrehantsika ny teny hoe homamiadana. Noho ny Fitsanganana amin’ny maty dia efa nositranina ihany koa izy ireny. (“Ary tsy hisy fahafatesana intsony,” Liahona, mey 2016, 122)

  • Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Alisa sy ny Loholona Johnson?

Hevero ny hihira ilay fihirana manao hoe “Chantons tous, pleins d’allégresse” (Cantiques, no. 121)  .

Avy eo dia asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, na ny sasany izay tsapanao fa mifandray kokoa amin’ny mpianatrao, ary asao ny mpianatra hisaintsaina sy hanoratra ny eritreritra sy ny zavatra tsapan’izy ireo ary ny hevitr’izy ireo.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty fiadanana sy fanantenana ho anao teo am-piatrehanao ireo fanambin’ny fiainana an-tany, na amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izany manao izany?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa ny zavatra nianaranao androany momba ny Fitsanganana amin’ny maty mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ny an’ny olona hafa?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra mba hanoratana sy hisaintsainana dia entano ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hamporisihana ny fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka dia azonao atao ny mandefa ity hafatra manaraka ity amin’ireo mpianatra: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 18 ianao dia eritrereto ny anjara toeran’ny fahasoavana eo amin’ny fiainanao.