Institiota
Lesona 7 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandray am-pankasitrahana ny fahamarinana sy famindram-po ary fitiavan’ Andriamanitra


“Lesona 7 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandray am-pankasitrahana ny fahamarinana sy famindram-po ary fitiavan’ Andriamanitra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 7 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 7 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mandray am-pankasitrahana ny fahamarinana sy famindram-po ary fitiavan’ Andriamanitra

Ao amin’ny Lectures on Faith dia mianatra isika fa ny fanehoana finoana an’ Andriamanitra dia mitaky antsika hanana “fiheverana marina momba ny toetrany” ([1985], 38). Amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny maha-fisehoan’ny fitiavana masin’ Andriamanitra ny toetrany tia fahamarinana sy famindram-po. Hihevitra ihany koa ny zavatra azon’izy ireo atao hanehoany ny fankasitrahany ny fitiavana tanterak’ Andriamanitra sy ny sorompanavotan’ny Mpamonjy izy ireo.

Soso-kevitra enti-mampianatra

I Enoka sy i Almà dia mampianatra momba ny toetra masin’ny fahamarinana sy famindram-po ary fitiavana.

Azonao atao ny manomboka ity lesona ity amin’ny alalan’ny fampisehoana ity fanambarana manaraka ity:

  • Ao amin’ny Testamenta Taloha, i Jehovah dia nampihatra fahamarinana hentitra sy henjana. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Jesoa Kristy dia mamela heloka sy mamindra fo. Aleoko mino ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao toy izay ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.

  • Inona avy no olana hitanao ao amin’io fanambarana io?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra sy manaiky ny fahamarinana sy ny famindram-po ho toetran’ Andriamanitra?

  • Inona no olana mety hoforonintsika ho an’ny tenantsika sy ny hafa raha mifantoka amin’ny fahamarinana ka tsy miraharaha ny famindram-po na mifantoka amin’ny famindram-po ka tsy miraharaha ny fahamarinana isika?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe fahamarinana, famindram-po, ary fitiavana. Asao hamorona vondrona kely ireo mpianatra. Hazavao fa izy ireo dia homena taratasy zaraina misy torolalana izay hanampy azy ireo hampitombo ny fahatakarany ny fifandraisana misy eo amin’ny fahamarinana sy famindram-po ary fitiavan’ Andriamanitra.

Ny fahamarinana sy ny fitiavan’ Andriamanitra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 7

Mialoha ny hanombohanareo ny fifanakalozan-kevitra anaty vondrona, dia iaraho mamaky ity soso-kevitra hoenti-mifanakalo hevitra ity:

Manatsara ny fifanakalozan-kevitra anaty vondrona

Ezaho ny hisian’ny fandraisana anjara mifandanja. Mianatra kokoa isika rehefa maheno avy amin’ny olona rehetra ao amin’ny vondrona fa tsy iray na roa fotsiny. Raha efa toetranao mihitsy ny fahaizana mifandray amin’ny olona sy tia miresaka, dia mitandrema mba tsy hifehy ny fifanakalozan-kevitra, na hanapaka na hanindry ny hafa azafady. Raha efa toetranao mihitsy ny hoe mangingina sy tsy dia be resaka, dia manàna fahasahiana ary mitenena mafy mba hahafahan’ny hafa mianatra aminao azafady. Avelao anyny eritreritra hoe tsy manan-danja ny hevitrao.

Iaraho mamaky mafy ity rafi-tantara manaraka ity:

Mahatsiaro ho tototry ny lalàna sy didin’ Andriamanitra i Zane. Nandritra ny fotoana ela dia nahatsapa ho tsy dia mendrika loatra izy ary solafaka foana. Noho ny fahakiviany tamin’ny tsy fisian’ny “fandrosoana” dia lavo nanaraka endrika fandikan-dalàna goavana izy tato ho ato. Mahatsapa fahaverezan’ny Fanahy izy. Tsy mendrika ny hanana fahazoan-dàlana hiditra ny tempoly intsony izy. Manontany tena izy raha mbola tia azy Andriamanitra noho ny safidy ratsy nataony. Vao haingana izy no niteny tamin’i Maia namany hoe: “Tsy misy dikany ny fiainako. Tena azoko antoka fa niala tamiko Andriamanitra.” Hoy i Maia namaly azy: “Aza manahy ny amin’izany. Tia antsika tsy misy fepetra Andriamanitra ary hamonjy anao Izy na inona na inona no nataonao. Izany no ilana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Avereno jerena vetivety ny toe-javatra nialoha ny safo-drano. Avy eo dia avereno jerena ny Mosesy 7:28–29, 32–33, 37, ary tadiavo ny zavatra nianaran’i Enoka momba ny toetran’ Andriamanitra avy amin’ny fandinihana Azy mijereyireo zanany mijaly noho ny tsy fankatoavana. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy an’i Zane hahatsapa fa tia azy ny Ray any An-danitra na dia nandika ny didy aza izy? Ahoana no ahafahan’io fahalalana io manampy amin’ny fanatsarana ny fifandraisan’i Zane amin’ny Ray any An-danitra? (Azonareo atao ny mamaky ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana, ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fahamarinan’ Andriamanitra, izay indraindray miseho amin’ny alalan’ny fahatezerana na fahavinirana, ho porofon’ny fitiavany? (Hevero ny hamaky miaraka ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Raha tsy marina Andriamanitra, ahoana no mety handemen’izany ny finoantsika Azy?

  • Inona no mety hamitaka amin’ny fomba fijerin’i Maia momba ny fitiavan’ Andriamanitra? (Mety hanampy ny famakiana ny fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson’s ao amin’ny fizarana 1.) Inona no mety ho fomba tsara kokoa hamaritana ny fitiavan’ Andriamanitra? Tamin’ny fomba ahoana no niainanao ny fitiavan’ Andriamanitra?

Ny fahamarinana sy ny fitiavan’ Andriamanitra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 7

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy manome fotoana lava hanaovana fifanakalozan-kevitra anaty vondrona ianao, dia azonao atao ny manasa mpianatra hizara fahamarinana na hevitra tsapan’izy ireo fa manan-danja manokana tamin’ny fifanakalozan-kevitra anaty vondrona nataon’izy ireo.

Azonareo atao ny manohy mifanakalo hevitra momba ny fomba fijerin’i Zane sy i Maia momba an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny firesahana vetivety ireo safidy nataon’i Kôriantona raha teo am-pitoriana ny filazantsara izy (jereo ny Almà 39:1–5). Avereno jerena ny Almà 42:15, 22, 24–25 mba hianarana ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantona momba ny fahamarinana sy famindram-po ary i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana marina momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy an’i Zane hanova ny fomba fahitany ny tsy fahamendrehany sy ny fahadisoany ary ny otany? Ahoana no ahafahan’ny fihetsika sy ny zavatra ataon’i Zane miova raha mahafantatra ny hevitry ny hoe “mivalo marina” izy? (jereo ny Almà 42:24).

  • Inona no mety holazainao fa mamitaka amin’ny fomba fijerin’i Maia momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Inona no mety hahitsinao amin’ny fomba fijeriny mba hampifanarahana izany kokoa amin’ny fampianaran’i Almà?

  • Ahoana no mety hiovan’ny fiainan’i Zane raha toa ka tsy maintsy mampihena ny fifantohany amin’ny tsy fahombiazany izy ary mifantoka kokoa amin’ny fanirian’ny Mpamonjy hanome azy fahafahana hiova indray? (Afaka mamerina mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf sy ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ianao.) Ahoana no fomba nitahian’ny fifantohana amin’ny fahari-po sy famindram-pon’ny Mpamonjy ny fiainanao?

Hamaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mampiseho ireto fahamarinana manaraka ireto miaraka amin’ny fanontaniana mifandray amin’izany. Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireto fahamarinana ireto ary avy eo dia hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany mba hamaliana ireo fanontaniana:

  • Mahatsapa alahelo lalina Andriamanitra rehefa mijaly noho ny tsy fankatoavantsika isika. (Jereo ny Mosesy 7:37.)

  • Inona no tonga ao an-tsainao sy ny zavatra tsapanao rehefa mieritreritra ny Ray any An-danitra mitomany ianao amin’ny fotoana hijalianao noho ny tsy fankatoavanao? Inona no azonao atao mba hanehoana ny fankasitrahanao ny fiahiany sy ny fitiavany lavorary?

  • Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, i Jesoa Kristy dia nahatanteraka ny fitakian’ny fahamarinana mba hahafahantsika mibebaka sy mandray famindram-po. (Jereo ny Almà 42:24.)

  • Inona no tonga ao an-tsainao sy ny zavatra tsapanao rehefa mieritreritra momba an’i Jesoa Kristy nahatanteraka ny fitakian’ny fahamarinana mba hahafahanao mibebaka sy mandray famindram-po ianao? Inona no azonao atao mba hanehoana ny fankasitrahanao ny sorompanavotana nataony ho anao?

Ho an’ny fotoana manaraka

Mandritra ny herinandro dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity, na anankiray foroninao, ho an’ny mpianatrao: Rehefa mamaky ny tahirin-kevitra fanomanana ny lesona 8 ianao, dia eritrereto ireo karazana fomba samihafa ahafahan’i Jesoa Kristy mamonjy (manampy na manohana) anao sy ireo olona tianao.