Institiota
Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo


“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo

Nampianatra ny Lolohona Peter M. Johnson ao amin’ny Fitopololahy fa: “Misy fahazavana ara-panahy miaraka amin’ny fanasan’ny Tompo, an’ny tena manokana izany, mahery vaika izany, ary ilaina izany” (“Hery handresena ny fahavalo,” Liahona, nôv. 2019, 112). Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hizara ny fomba ahafahan’ny fanasan’ny Tompo ho hery mitaona azy ireo manokana sy mahery vaika eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izy ireo ihany koa dia hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanatonana kokoa ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo ary miezaka ny hahatsiaro Azy mandrakariva.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Nanao ny fandraisana ny fanasan’ ny Tompo i Jesoa Kristy ho fahatsiarovana ny sorona fanavotana lehibe nataony.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny alina nialoha ny Fanomboana Azy, ny Mpamonjy dia nihinana ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ireo mpianany. Nandritra io sakafo io ny Mpamonjy no nampahafantatra ny fanasan’ny Tompo.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina ireo andinin-tsoratra masina sy ireo tantara niseho. Izany dia afaka hanampy azy ireo hanana fahatakarana lehibe kokoa ho an’ireo izay ianarany ny momba azy ary hiombom-pihetseham-po amin’izy ireo. Izany ihany koa dia afaka hanampy azy ireo hahatsapa ny maha marina sy ny maha-manan-danja an’ireo fitsipika izay alalinin’izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny lanjan’ny Fanasana Farany, dia azonao atao ny mampiseho sary iray maneho ilay tranga sy manasa mpianatra iray hamaky amin’ny feo mafy ny Matio 26:19–20, 26–30. Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe mety toy ny ahoana izany nanatrika ny fotoana nanamasinan’ny Mpamonjy ny fanasan’ny Tompo voalohany izany. Entano ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra neritreretiny na tsapany.

Hevero ny hanasa ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe tsy Kristiana izy ireo ary sambany nanatri-maso fanamasinana ny fanasan’ny Tompo nandritra ny fivoriam-piangonana iray. Mandritra ilay fivoriana ny mpiangona dia mihira ilay fihirana mitondra ny lohateny hoe “Jésus de Nazareth, Sauveur et Roi” (Cantiques, no. 105) ary nohamasinina sy nifanolorana ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo. (Mety hanampy ny mampamaky ny mpianatra ireo tonon’io fihirana io.) Asao ny mpianatra hanoratra ireo fanontaniana vitsy izay mety hananan’izy ireo momba ny fanasan’ny Tompo raha toa ka tsy Kristiana izy ireo.

Rehefa voasoratr’ireo mpianatra ny fanontanian’izy ireo dia angataho izy ireo mba hizara ho vondrona kely maromaro. Asao ireo olona ao amin’ny vondrona mba hifandimby hametraka ny fanontanian’izy ireo sy hamaly izany.

Mandritra ny fotoana ifanakalozan’ireo mpianatra hevitra dia mandehandehana eran’ny efitrano ary henoy ny zavatra zarain’izy ireo. Miainga avy amin’izay zavatra renao, fantaro raha toa ny fametrahana ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ka hanampy ireo mpianatrao hianatra lalina kokoa amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitry ny iray kilasy:

  • Inona no asehon’ireo mofo sy ranon’ny fanasan’ny Tompo? (Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Ny mofo sy ny divay, na rano, dia maneho ny vatana sy ny ran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany nataony ho antsika.)

  • Inona no ampianarin’ireo soratra masina momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny tandindon’ny mofo sy divay ary rano? Nahoana no manan-danja ny fanapotehana ny mofo mialoha ny ihinanantsika izany?

  • Nahoana no mety hoe manan-danja ny ihinanantsika ny mofo sy hisotroantsika ilay rano, fa tsy hoe mijery izany fotsiny? (Azonao atao ny mijery ireo teboka manan-danja ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hampavesa-danja ny fifakalozan-kevitrareo.)

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hisaintsaina ny dikan’ny mofo sy ny rano ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo sy ny fomba ahafahafan’ireo manampy amin’ny fampahatsiahivana antsika ny maha-natao ho an’ny tena manokana ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Manakaiky kokoa ny Mpamonjy isika rehefa mandray amim-pandinihana ny fanasan’ny Tompo.

Asehoy ity rafi-tantara manaraka ity.

Na dia tsy fanahy inian’i Julia aza dia matetika izy no monamonaina mandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Fantany fa manan-danja izany saingy sahirana izy amin’ny fahatsapana ny fanahin’ny fanasan’ny Tompo. Eo am-panomezana ny fanasan’ny Tompo an’ireo mpiangona dia matetika izy no lasa mieritreritra momba ny zavatra toy ny asa, ny enti-mody amin’ny fianarana, sy ny fiainany ara-piarahamonina, ary ny zavatra hataony aorian’ny fotoam-bavaka. Indraindray izy dia mamaky ny tambajotran-tserasera ao amin’ny telefaoniny.

  • Ahoana no hamariparitanao ny fomba fiatrehan’i Julia ny fanasan’ny Tompo? Inona avy ireo fahafahana sy fitahiana mety tsy ho azon’i Julia noho fomba fiatrehany ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona amin’ny zavatra iainan’i Julia araka ny hevitrao no mety hiova raha ny Mpamonjy Izy Tenany mihitsy no nizara taminy ny mofo sy ny rano?

Asao ny mpianatra sasany hamaky mangina ny 3 Nefia 18:7, 10–12; 20:8–9, ny sasany hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79, ary ny hafa handalina ny teny nambaran’ny Rahavavy Cheryl A. Esplin ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hitady ireo fitsipika sy fihetsika ary fitahiana samy hafa mifandray amin’ny fanasan’ny Tompo. Azonao na izy ireo atao ny manoratra izay zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe.

Rehefa mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra dia azonao asaina ihany koa izy ireo mba hizara ny zavatra niainany manokana na ny ohatra mifandray amin’ny hevi-baovao voarain’izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ohatra na zavatra niainana avy tamin’ireo olona noresahan’izy ireo ho fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana (jereo ny “Mifanakaloza hevitra ho fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana” ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Eo am-pifanakalozan’ny mpianatra hevitra momba ny dikan’ny hoe mahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Misy fiantraikany toy ny ahoana eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny fahatsiarovana ny Mpamonjy mandrakariva? Ahoana no ahafahanao manao izany tsaratsara kokoa mandritra ny herinandro?

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra mba hisaintsainany sy hanoratany momba ny fandraisan’izy ireo anjara manokana amin’ny fanasan’ny Tompo. Azon’izy ireo saintsainina ny fomba hampivoarana ny zavatra iainany mandritra ny fanasan’ny Tompo sy ny ezaka ataon’izy ireo mba “hahatsiaro Azy mandrakariva” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).

Raha toa ny mpianatra ka manana fanontaniana ny amin’ny hoe mendrika handray ny fanasan’ny Tompo, na raha toa mahatsapa ho entanim-panahy ianao ny hifanakalozan’ny iray kilasy hevitra momba io lohahevitra io, dia jereo ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Afaka manontany toy izao ianao:

  • Nahoana no manan-danja ho antsika ny “[m]amantatra” ny tenantsika eo am-piomanantsika handray ny fanasan’ny Tompo? (jereo ny 1 Korintiana 11:27–29).

  • Inona avy ireo zavatra tsapanao momba ny teny nataon’ny Loholona John H. Groberg momba ny hoe mendrika ny handray amin’ny fanasan’ny Tompo (avy ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana)? Ahoana no mety hanomezan’io torohevitra io fanantenana an’ireo izay miady mafy amin’ny fahalemena, na fahotana, na olana hafa?

Hamaranana ny fotoam-pianarana dia azon’ireo mpianatrao na ianao atao ny mizara fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fomba anampian’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo antsika mba hanatona ny Mpamonjy. Na azon’ireo mpianatra atao ny mizara ny zavatra tsapany sy nianarany avy tamin’ny lesona.

Ho an’ny fotoana manaraka

Entina hamporisihana ny fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity (na hafatra iray nosoratanao manokana) mandritra ny herinandro: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ianao dia saintsaino ny antony mahatonga ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho ny tranga manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny zanakolombelona.