Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miaina miaraka amin’ny fanantenana eo am-panomanantsika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany


“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miaina miaraka amin’ny fanantenana eo am-panomanantsika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Miaina miaraka amin’ny fanantenana eo am-panomanantsika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

“Hiverina eto an-tany indray [i Jesoa Kristy] indray andro any … [ary] hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy hanjaka amin’ny maha-Tompon’ny tompo Azy Izy” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ao anatin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanazava ny antony ahafahan’izy ireo miandrandra amim-panantenana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Handinika ny fomba ahafahan’izy ireo manomana ny tenany sy ny hafa amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy sy ny fanjakana mandritra arivo taona ihany koa izy ireo.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany no hanokatra ny Arivotaona.

Alohan’ny hahatongavan’ny mpianatra ao am-pianarana dia azonao atao ny manoratra izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Famantarana sasany momba ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany: Kristy sandoka, mpaminany sandoka, ady, tabataban’ady, mosary, areti-mandringana, horohorontany, faharatsiana, areti-mandripaka, herisetra, ary famantarana eny amin’ny lanitra. (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:22–23, 28–30, 33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26–27, 30–33, 40–42).

Mba hanombohana ny kilasy dia hevero ny hizara izao rafi-tantara manaraka izao:

Nandritra ny lesona iray momba ny andro faranydia nanao lisitr’ireo famantarana sy toe-java-tsarotra rehetra izay mialoha ny Fiaviana Fanindroany ny kilasy Sekoly Alahady iandraiketan’i Evan. Olona maro no naneho hevitra fa ratsy ny zava-drehetra ary vao mainka hiharatsy izany. Tena nanahy sy kivy i Evan rehefa nandao ny fiangonana.

  • Efa nahatsapa toa an’i Evan ve ianareo?

  • Inona no mety ho tsy ampy tamin’ity fifanakalozan-kevitra tao an-dakilasy ity?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:34–35, 38–39, ka hitady ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo izay sahiran-tsaina amin’ny famantarana ny fiaviany. Eritrereto avy eo hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no azonao apetraka mba hanampiana ireo mpianatrao hahatsapa fanantenana lehibe kokoa:

  • Inona no hafatry ny Mpamonjy ho an’ireo mpianatra izay sahiran-tsaina momba ny famantarana ny fiaviany? (Mety hahita fahamarinana toy izao manaraka izao ny mpianatra: Ny famantarana ny fiavian’ny Tompo dia maneho amin’ireo mahatoky fa akaiky ny Fiaviany Fanindroany.) Ahoana no hahatonga io fahamarinana io ho hafatry ny fanantenana?

  • Inona avy ireo tranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay famantarana fa efa akaiky ny Fiaviana Fanindroany? (Azonao averina jerena ny ohatra hita ao amin’ny fizarana 1 amin’ny Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao atao koa ny manampy ny lisitry ny famantarana eny amin’ny solaitrabe.) Inona no fiantraikan’ireo famantarana sy ireo tranga ireo eo amin’ny fahitanao ny andro farany?

  • Nahoana no zava-dehibe ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy rehefa miresaka momba ireo famantarana manahiran-tsaina kokoa mifandray amin’ny Fiaviana Fanindroany isika? (Hevero ny hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny fizarana1 amin’ny Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Inona no fiantraikan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy, na ahoana no mety hitondran’izany fiantraikany, eo amin’ny fomba fijerinao ireo fanamby amin’ny andro farany izany?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fiaviana Fanindroany dia hanokatra ny fanjakana arivotaonam-piadanana sy fahamarinan’ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:26–32, 35 ary hitady ireo toe-javatra hitranga mandritra ny Arivotaona. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe izay zavatra hitan’izy ireo.

  • Iza amin’ireto toe-javatra iainana ireto no tena andrandrainao? Nahoana?

Azonao atao ny mampiseho an’izao teny manaraka nataon’ny Loholona Neil L. Andersen izao:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Tsy misy zavatra manosika ahy hiresaka an’i Kristy mihoatra noho ny fakana sary an-tsaina ny fiverenany. … Izany traikefa mahatalanjona izany dia hanamarika ny fanahintsika mandrakizay. (Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 91)

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny Arivotaona. Rehefa maka sary an-tsaina izy ireo dia asao izy ireo mba hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ho valin’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no ahafahan’ny fieritreretana momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny Arivotaona manampy anao hiaina amim-panantenana sy fiadanana bebe kokoa?

Azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa hizara ny zavatra nosoratany.

Ny Tompo dia mampianatra antsika ny fomba hiomanantsika amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny fanoharana momba ireo virijiny folo ao amin’ny Matio 25:1–13 . Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra fa ireo virijiny dia maneho ny mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming [Fiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany],” Liahona, May 2004, 8).

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Matokia an’ireo mpianatrao. Rehefa miasa ao anatin’ny vondrona kely ny mpianatra dia matokia fa afaka manao fifanakalozan-kevitra entanim-panahy izy ireo na dia tsy manara-maso aza ianao. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny vondrona kely dia fantaro hoe fanaraha-maso toy ny ahoana no mbola ilain’ireo mpianatra. Ohatra, ho solon’ny hoe asaina mamerina fotsiny izay zavatra noresahiny ireo mpianatra dia mitadiava fomba hamelabelarana ny fifanakalozan-kevitry ny vondrona kelin’izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina momba ny maha-zava-dehibe ilay fanoharana dia azonao atao ny manangana vondrona kely hanaovana fifanakalozan-kevitra (olona roa na telo). Omeo ny vondrona tsirairay ny taratasy zaraina hoe “Ireo virjiny adala” na “Ireo virjiny hendry.” Ampahafantaro ny mpianatra fa aorian’ny fifanakalozan-kevitra ataony dia hitambatra amin’ny vondrona iray izay niresaka momba ilay lohahevitra hafa izy ireo ary hifampizara ny zavatra nianarany.

Ireo virijiny adala

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 23

  1. Miaraha mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no mety asehon’ireo fanala sy solika ao amin’ilay fanoharana? (Azonao atao ny mamerina mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57 sy ny teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

    • Inona no mety ho manan-danja momba ireo andian-teny hoe “ary raha naharitra ela ny mpampakatra” (Matio 25:5) sy ny hoe “ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe” (andininy 6)?

    • Nahoana no lazaina fa adala ny dimy tamin’ireo virjiny? (Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’ireo andian-teny hoe “tsy fantatro ianareo” [andininy faha-12] sy ny hoe “tsy mahafantatra ahy ianareo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 25:11 ) antsika momba ny fiomanana nataon’ireo virijiny ireo.)

  2. Mitadiava ohatra mahazatra iray na roa mikasika ny fomba mety hisafidianantsika mpikamban’ny Fiangonana ny hitovy amin’ireo virijiny adala. Miomàna hizara ny ohatra hitanao amin’ny vondrona iray izay niresaka momba ireo virijiny hendry.

Ireo virijiny adala

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 23

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Ireo virijiny hendry

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 23

  1. Miaraha mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  2. Mitadiava ohatra iray na roa mikasika ny fomba ahafahantsika mpikamban’ny Fiangonana misafidy ny hitovy amin’ireo virijiny hendry rehefa miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Miomàna hizara ny ohatra hitanao amin’ny vondrona iray izay niresaka momba ireo virijiny adala.

Ireo virijiny hendry

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 23

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa nanana fotoana ampy nifanakalozana hevitra momba ny lohaheviny ireo mpianatra dia asao ny vondrona tsirairay mba hitambatra amin’ilay vondrona iray izay niresaka momba ilay lohahevitra hafa mba hizara ireo ohatra izay hitan’izy ireo.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra mba hamitana ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny vondrona faharoa dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa hizara ny zavatra nianarany. Azonao atao ny manoratra na mampiseho fahamarinana iray izay hitan’izy ireo, toy izao manaraka izao: Afaka miomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany aho amin’ny alalan’ny fanamafisana orina ny fijoroako ho vavolombelona sy ny fananana ny fitaoman’ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana ahy.

Hamaranana ny fotoam-pianarana dia omeo fotoana kely ny mpianatra mba hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manomana farany izay tsara indrindra ny tenany sy ny hafa ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mandritra ny herinandro dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity na hafatra izay noforoninao manokana any amin’ny mpianatra: Rehefa mandalina ny lesona 24 momba ny Fitsarana Farany ianao dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hahatonga izany tranga izany ho fotoana be voninahitra.