Institiota
Lesona 10 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaraka ny ohatry ny fanoavana nasehon’i Jesoa Kristy


“Lesona 10 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaraka ny ohatry ny fanoavana nasehon’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 10 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 10 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manaraka ny ohatry ny fanoavana nasehon’i Jesoa Kristy

Tonga tety an-tany hanao ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 5:19). Amin’ity lesona ity ny mpianatra dia ho afaka handinika ny fomba ifandraisan’ny ohatry ny fanoavana tonga lafatry ny Mpamonjy amin’ireo toetra masina dia ny fanetrentena sy ny halemem-panahy. Hieritreritra ihany koa ny zavatra azon’izy ireo atao hamelana an’ Andriamanitra hanjaka feno kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manoa ny sitrapon’ny Ray any An-danitra amin’ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy.

Hevero ny hizara ity rafi-tantara manaraka ity:

Vao avy nantsoina ho filohan’ny kôlejin’ny loholona i Lucas. Rehefa avy nanaiky ilay antso izy dia nanontany an’ilay eveka hoe: “Inona no azoko atao mba hahatonga ahy ho mpitarika tena mahery izay tian’ny olona harahina?” Niato kely nandritra ny fotoana fohy ilay eveka ary avy eo dia nilaza hoe: “Manetre tena dia manàna halemem-panahy.” Nisaotra ilay eveka noho ny toroheviny i Lucas, saingy nanahy izy rehefa niala teo fa mety hahatonga azy ho toy ny mpitarika malemy ny fanetrentena sy ny halemem-panahy.

  • Inona no mety ho fahadisoan-kevitra nananan’i Lucas momba ny toetran’ny fanetrentena sy halemem-panahy?

  • Raha tsy raharahain’i Lucas ny torohevitry ny eveka, dia mety ho tonga karazana mpitarika toy ny ahoana izy?

Hevero ny hampiseho ireto famaritana ny fanetrentena sy ny halemem-panahy avy amin’ny Loholona David A. Bednar manaraka ireto, ary ifanakalozy hevitra ny fomba ifandraisan’izy ireo amin’ny fanoavana ny sitrapon’ Andriamanitra:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Ny Fanetrentena amin’ny ankapobeny [dia] maneho fiankinan-doha amin’ Andriamanitra sy filàna ny fitarihany sy ny fanohanany tsy tapaka. …

Ny halemem-panahy [dia] … miavaka amin’ny fiaikena hanao zavatra amim-pahamarinana sy ny fanoavana an-tsitrapo, ary ny fahaizana mifehy tena. (“Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018, 32)

Sary
I Jesoa nivavaka tao Getsemane

Hevero ny hampiseho sarin’i Jesoa Kristy mivavaka ao amin’ny Sahan’i Getsemane. Asao hamaky ny Lioka 22:39–44 ny mpianatra ary hitady ny zavatra ampianarin’io zavatra niainana io antsika momba ny fanoavana. Afaka manontany koa ianao hoe:

  • Inona avy ireo ohatra hafa avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay mampianatra antsika momba ny fanetrentena, ny halemem-panahy ary ny fanoavana? (Raha mety hanampy ny mpianatra dia azonao atao ny mampiseho sary fanampiny avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay misy ifandraisany amin’ny fanoavana. Azonareo atao ihany koa ny mamerina mijery sy mifanakalo hevitra momba ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no efa nitahiana antsika rehetra satria nanoa ny sitrapon’ny Ray i Jesoa? (Azonao aseho ity fahamarinana manaraka ity: I Jesoa Kristy dia “[niaritra] ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana” (3 Nefia 11:11).)

  • Ahoana no mety hitahiana anao sy ireo olona eo amin’ny fiainanao raha manoa kokoa ny sitrapon’ Andriamanitra ianao? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra haka minitra vitsy hamantarana manokana sy hanoratana zavatra iray azon’izy ireo atao mba hahatonga azy ireo ho mpanoa kokoa ny sitrapon’ Andriamanitra.)

Mety hanampy ny miresaka vetivety indray ilay rafi-tantara momba an’i Lucas ary manasa ny mpianatra mba hizara ny fomba ahafahan’i Lucas sy ny kôlejiny mahazo fitahiana raha manaraka ny torohevtr’ilay eveka hanetry tena sy halemy fanahy izy.

Ny olon’ny fanekempihavanana dia mamela an’ Andriamanitra hanjaka amin’ny fiainan’izy ireo.

Afaka mamerina mijery ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ny mpianatra ary mifanakalo hevitra fohifohy momba ny lanjan’ny teny hoe vonona. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa lasa vahoakan’ Andriamanitra isika rehefa misafidy an-tsitrapo ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka amin’ny fiainantsika.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho hizara ny zavatra ianarany ny mpianatra. Rehefa omena fahafahana hizara amin’ny hafa ny eritreriny, ny zavatra tsapany, ary ny bitsika voarainy ny mpianatra, dia mety hanampy azy ireo izany hampitombo ny fahatakaran’izy ireo manokana, hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona, hampitombo ny fahaizan’izy ireo milaza fahamarinana ara-pilazantsara ary mampitombo ny fahatokian-tenan’izy ireo hiresaka momba ny filazantsara amina sehatra hafa.

Mba hanampiana ny mpianatra hihevitra fomba hafa ahafahantsika mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika, dia azonao atao ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto na manome azy ireo taratasy zaraina.

Aoka Andriamanitra no hanjaka

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 10

Ampiasao ny minitra vitsy manaraka hanomanana hevitra fohifohy momba ny fanoavana ny sitrapon’ Andriamanitra. Tokony hahitana ohatryny fanoavana iray avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainanao na ny fiainan’olona iray fantatrao ny hevitrao. Mety hahitana ny fomba ahafahantsika mampihatra izany ohatra izany eo amin’ny fiainantsika ihany koa izany. Hevero ny hampiasa ny iray amin’ireto loharanon-kevitra manaraka ireto rehefa manomana ianao:

Aoka Andriamanitra no hanjaka

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 10

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nahazo fotoana ampy hanomanana ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hizara ho vondrona kely maromaro. Tokony hifanaraka amin’ny fotoana sisa tavela amin’ny fotoam-pianarana ny habetsahan’ny olona ao amin’ny vondrona. Arakaraka ny hafohin’ny fotoana tavela no maha-vitsy kokoa ny olona ao amin’ny vondrona. Izany dia hanampy mba hahazoana antoka fa ho afaka hizara ny heviny daholo ny mpianatra.

Mialoha ny hifaranan’ny fotoam-pianarana, dia azonao atao ny manome minitra vitsy ny mpianatra mba hisaintsainana mangina sy hiraketana an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo momba ity fanontaniana hita ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ity: Inona no zavatra tsapanao fa tokony hatombokao atao na ajanona mba hamelana an’ Andriamanitra hanjaka feno kokoa eo amin’ny fiainanao?

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hamporisihana ny fanomanan’ny mpianatra ny lesona ho an’ny fotoam-pianarana manaraka, dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity mandritra ny herinandro: Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Manampy antsika ho lasa olona tsara kokoa sy ho fitaomana tsara kokoa eo amin’ny fiainan’ny hafa ny fanatrehana sy ny fahazotoana ao amin’ny fiangonana iray” (“Ny ilàna Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 24). Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ny lesona 11 ianao, dia mitadiava fomba samihafa ahafahan’ny fanatrehana fotoam-piangonana mitahy ny fiainanao sy ny fiainan’ny fianakavianao ary ny namanao.