Institiota
Lesona 9 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miravoravo amin’ny fahaterahana masin’i Jesoa Kristy


“Lesona 9 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miravoravo amin’ny fahaterahana masin’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 9 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 9 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Miravoravo amin’ny fahaterahana masin’i Jesoa Kristy

Araka ny nambaran’ny anjely iray, ny fahaterahan’i Jesoa Kristy dia anton’ny “fifaliana lehibe” (Lioka 2:10). Mandritra ity fotoam-pianarana ity dia hanana fahafahana ny mpianatra hanazava ny antony maha-manan-danja ny fananan’i Jesoa Kristy ray aman-dreny miavaka amin’ny fahatongavany ho Mpamonjy antsika. Hasaina ihany koa ny mpianatra hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny fitiavan’ Andriamanitra naseho tamin’ny alalan’ny fiambanian’ Andriamanitra sy ny fomba ahafahan’izany fitiavana izany miantraika amin’ny safidy ataon’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nampahafantarina i Maria fa izy no ho renin’ny Zanak’Andriamanitra.

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity, ary manasà mpianatra maromaro hizara toetra nolovain’izy ireo avy amin’ny ray aman-drenin’izy ireo.

Sary
kisary maneho ny ray aman-dreny niaviana

Asao ny mpianatra handinika ny Lioka 1:30–35 ary hitady ny fomba namaritan’ny anjely Gabriela ilay zanakalahy haterak’i Maria.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Sorohy ny fanehoan-kevitra tsy mari-pototra. Fadio ny miresaka amin’ny mpianatra mombana lohahevitra ara-potopampianarana tsy nosafidin’ny mpaminany sy ny apôstôly hampianarina na tsy nanaovan’izy ireo fanambarana ôfisialy. Ohatra hoe nampitandrina ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba tsy hanehoana hevitra tsy marim-pototra mikasika ny fomba nanorontoronina ny Mpamonjy (jereo ny The Teachings of Harold B. Lee, natontan’i Clyde J. Williams [1996], 14). Amina toe-javatra toy izany dia TSY MANINONA ny manaiky fotsiny fa tsy mahalala isika na hoe tsy nahazoana fanambarana izany fampahalalana izany. Mifantoha amin’ny zavatra fantatsika sy ny zavatra azon’ny Fanahy Masina hamafisina ho fahamarinana ao am-pon’ny mpianatra.

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary nampiarahana amin’ny lesona ity:

Sary
kisary maneho ny ray aman-dreny niavian’i Jesoa Kristy

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny lanjan’ny fananan’i Jesoa Kristy ray aman-dreny miavaka, dia hevero ny hanontany ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no toetra miavaka nolovain’i Jesoa Kristy avy amin’i Maria? avy amin’ny Ray any An-danitra?

  • Inona no ifandraisan’ny ray aman-dreny niaviana miavaka nananan’i Jesoa Kristy amin’ny Sorompanavotana nataony sy ny Fitsanganany tamin’ny maty? (Azonao atao ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny mamerina mamaky miaraka amin’ny mpianatra ny Jaona 10:17–18 sy sy ny teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Ampio hahita fahamarinana toy izao manaraka izao ny mpianatra: Noho ny ray aman-dreny miavaka nananan’i Jesoa Kristy, dia nanana hery hanavotana antsika amin’ny fahotantsika Izy sy nanolotra ny ainy ary naka izany indray Izy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina kokoa momba io fotopampianarana io, dia azonao atao ny manasa azy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreritra sy fahatsapana ananan’izy ireo momba ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no azon’io toetra mandray roa ananan’i Jesoa Kristy io ampianarina anao momba ny fahafahany mahatakatra ny zavatra mahazo anao eto amin’ny fiainana an-tany?

  • Inona no ifandraisan’ireo andian-teny ao amin’ity fehezan-teny avy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) ity amin’izy samy izy sy aminao: “[i Jesoa Kristy] no Voalohan-teraky ny Ray, ilay Zanakalahy tokana tao amin’ny nofo, ilay Mpanavotra izao tontolo izao.”?

Nahita ny fiambanian’ Andriamanitra tao anatina fahitana i Nefia.

Hevero ny hampiseho ireto sarin’i Jesoa manaraka ireto, amin’ny maha-Mpahary izao tontolo izao Azy, amin’ny maha-zaza tsy afa-manoatra Azy ary amin’ny maha-olona manirery Azy teo amin’ny hazofijaliana. Anontanio ny mpianatra ny zavatra ampianarin’ireo sary ireo momba ny fiambanian’i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia vakio ny famaritana ny fiambaniana izay hita ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.

Sary
I Kristy sy ny Fahariana, nataon’i Robert T. Barrett
Sary
i Jesoa zazakely mandry ao an-tranon’omby
Sary
Ny Fanomboana tamin’ny hazofijaliana, nataon’i Harry Anderson

Mba hanohizana io fifanakalozan-kevitra io, dia azonao alamina ho vondrona kely ny mpianatra ary omeo tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay.

Ny fiambanian’ Andriamanitra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 9

Zarao amin’ny vondrona misy anao ity vakiteny ampanaovina ity. Rehefa mamaky ianareo dia tadiavo ny fomba nidinan’ny Tompo an-tsitrapo avy amina toerana iray ambony kokoa mankamina sata iray ambany kokoa.

  1. Abrahama 3:24–25, 27; Filipiana 2:7–8

  2. 1 Nefia 11:14–22

  3. 1 Nefia 11: 26–27, 31–33

  4. Ireo teny nambaran’ny Filoha Tad R. Callister sy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ary ity teny nambaran’ny Rahavavy Wendy Ulrich, izay mpikambana tao amin’ny birao filankevitry ny mpanoro hevitry ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha:

Teraka toy ny zazakely tsy afaka manao n’inona n’inona tao anatina vatana mety maty [ny Mpamonjy] ary notezaina [ray aman-dreny] tsy tonga lafatra. Nila nianatra nandeha, niteny, niasa ary niaraka tamin’ny hafa Izy. Niaina hanoanana sy havizanana ary nahatsapa ireo fihetsehampon’ny olombelona Izy ary afaka narary, nijaly, nivoa-dra ary nandalo fahafatesana. (“Tsy fahotana ny fananana fahalemena,” Liahona, apr. 2015, 23)

Dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no ampianarin’ireo vakiteny ireo antsika momba ny fiambanian’i Jesoa Kristy?

  • Inona no ampianarin’ny fiambanian’i Jesoa Kristy antsika momba ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika sy ny Raintsika any An-danitra? Inona ny fiantraikan’ny fitiavan’izy ireo anao eo amin’ny fitiavanao azy ireo?

Ny fiambanian’ Andriamanitra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 9

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa ampy ny fotoana nanaovana fifanakalozan-kevitra, dia azonao atao ny mampiseho sy mizara ny fahatsapanao momba ity teny nambara manaraka ity: Ny fiambanian’i Jesoa Kristy dia maneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny tsirairay amintsika.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny ohatra nasehony amin’ny fiambaniana mba hanampiana ny kely indrindra amintsika? (Raha ilaina dia afaka mamerina mijery ny teny nambaran’ny Eveka Richard C. Edgley ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny misaintsaina ao anatin’ny iray minitra ny fomba mety hahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy rehefa mikatsaka ny hanao asa fanompoana sy hanompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra izy ireo.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana dia nasaina hamaky na hihaino ny tonon’ireo hira ao amin’ny fihirana izay miresaka momba ny fiambanian’ny Mpamonjy izy ireo. Afaka mamerina mijery ny iray amin’ireo hira ao amin’ny fihirana ireo ny mpianatra ary avy eo dia mizara amin’ny iray kilasy ny teny sy andian-teny avy amin’ilay hira ao amin’ny fihirana izay tena nanaitra azy ireo. Raha misy fotoana dia azonareo atao ihany koa ny miara-mihira andininy iray na roa amin’ireo hira ao amin’ny fihirana ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapany nandritra ny fotoam-pianarana, dia asao izy ireo hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity na anankiray izay safidinao:

  • Inona no azonao atao mba hanehoana amin’ny Mpamonjy ny fankasitrahanao ny fahavononany hiambany mba hahafahany manavotra sy mamonjy anao?

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hampahatsiahivana ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka, dia hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity na hafatra iray noforoninao: Inona no laharam-pahamehan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao tamin’ity herinandro ity? Hevero ny fomba ahafahan’ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ny lesona 10 manampy anao hamaly io fanontaniana io.