Institiota
Lesona 4 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita tanjona sy fifaliana amin’ireo zavatra noharian’ny Tompo


“Lesona 4 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita tanjona sy fifaliana amin’ireo zavatra noharian’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 4 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 4 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mahita tanjona sy fifaliana amin’ireo zavatra noharian’ny Tompo

“Teo ambany fitarihan’ny Rainy, i [Jesoa Kristy] no mpahary ny tany” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hijery ny antony namoronan’ny Tompo ny tany sy ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahitana fifaliana lehibe kokoa amin’ireo zavatra nohariany.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Matokia ny fiomanan’ireo mpianatrao. Mitadiava fomba hamporisihana ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Avy eo dia asehoy amin’ny alalan’ny fampiasanao ny fanomanana nataon’izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana ny finoanao ny mpianatrao. Hitaona ireo mpianatra handray andraikitra lehibe kokoa ho an’ny fianarany manokana ny fanaovana izany.

Noforonin’ Andriamanitra ny tany mba hitondrana famonjena ho antsika.

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia afaka mampiseho ilay sary miaraka aminy ianao ary manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreritra, fahatsapana, na fanontaniana nananany teo am-pijerena ny kintana eny amin’ny lanitry ny alina. Na afaka mampiseho ny sary mety ho nentin’ny mpianatra na nalefany taminao ianao. Angataho hizara ny eritreriny momba izay zavatra manentana azy ireo ao amin’ilay sary izy ireo.

Sary
olona mijery kintana

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Mosesy dia nanana fahitana miavaka nahitany ny velarana midadasiky ny zavatra noharian’ Andriamanitra. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina kokoa momba ny Mpahary sy ny zavatra nohariany, dia asao hiasa amina vondrona kely izy ireo ary omeo azy ireo ity taratasy zaraina manaraka ity.

Nianatra fahamarinana manan-danja momba ny Fahariana i Mosesy

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 4

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity:

  • Tia siansa i Gretchen. Tamin’ny fianarana nataony dia nianatra be dia be momba ny hoe ahoana no fomba fiasan’ny tontolo voajanahary izy saingy tsy nahita valiny mahafa-po amin’ny hoe fa maninona no misy ilay tontolo. Manana fanontaniana maro momba ny tanjona ho an’ny tany sy ny fiainantsika izy.

  • Inona avy ireo fanamby mety hatrehin’ny olona iray raha tsy mahatakatra ny hoe fa maninona no nohariana ny tany?

Vakio miaraka ny Mosesy 1:27–39, ary mitadiava fahamarinana mety hampitombo ny fomba fahitan’i Gretchen ny Zavatra nohariana. Avy eo dia angataho ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba hisafidy iray amin’ny teboka eo ambany ary haka minitra vitsivitsy hanomanana valiny iray. Avy eo ny olona tsirairay dia afaka mizara ny eritreriny amin’ilay vondrona.

  • Inona no ianaranao momba ny toetran’ny Mpahary avy amin’ny Fahariana? Ahoana no iantraikan’ny fahafantarana fa nahary ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy amin’ny finoanao Azy?

  • Inona avy no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mihevitra fa “isika no antony namoronan’ [Andriamanitra] izao rehetra izao”? (Azonao atao ny mamerina mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

  • Inona no zavatra nataonao na azonao atao mba hanampiana ny hafa hahatratra izay azony hahatongavana amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra azy? (Azonao asaina ny mpikambana ao amin’ny vondrona mba hirakitra an-tsoratra izay zavatra rehetra tsapany fa asain’ny Fanahy ataony ho an’ny olona iray fantany.)

  • Karazana fahalalana inona no afaka ny ho azontsika avy amin’ny siansa? Karazana fahalalana inona no afaka ny ho azontsika avy amin’ny soratra masina? Nahoana no mila ireo endri-pahalalana roa ireo isika? (Afaka mamerina mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ianao.)

Nianatra fahamarinana manan-danja momba ny Fahariana i Mosesy

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 4

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Fanamarihana: Afaka misafidy ny hampanao tatitra ny vondrona kely ianao. Na raha tsapanao fa naharakotra tsara ny lohahevitra ny fifanakalozan-kevitra isam-bondrona, dia mety ho afaka misafidy ny hifindra amin’ny ampahany manaraka amin’ny lesona ianao.

Azonao atao ny mamarana ity ampahany amin’ny fotoam-pianarana ity amin’ny alalan’ny fanasongadinana na fijoroana ho vavolombelona fa teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra, i Jesoa Kristy dia nahary ny zavatra rehetra. Afaka mijoro ho vavolombelona ihany koa ianao fa ny Fahariana ny tany dia ampahany tena ilaina amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra mba hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ireo zanany.

Napetrak’ Andriamanitra ny zavatra rehetra eto an-tany mba hahazoantsika tombony sy fifaliana.

Azonao atao ny manomboka ity ampahany amin’ny fifanakalozan-kevitry ny kilasy ity amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe:

  • Inona avy ireo zavatra sasany noharian’ny Tompo tsapanareo fa ankasitrahinareo indrindra? Ahoana no nanehoanareo ny fankasitrahanareo an’ Andriamanitra noho ireo zavatra nohariana ireo?

Avy eo dia azonao ampahatsiahivina ny mpianatra fa nitsahatra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito ary nahita fa “tsara … ny zavatra rehetra natao[ny]” (Mosesy 3:2). Avy eo Izy dia “nitahy ny andro fahafito ary nanamasina izany” (Mosesy 3:3). Ary amin’izao androntsika izao, ny Mpamonjy dia mampahatsiahy antsika fa rehefa manaja ny andro Sabata isika dia ho antsika ny “fahafenoan’ny tany” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–16).

Miaraha mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–20, ary asao ny mpianatra mba hitady teny na andian-teny izay mamaritra ny fomba mety ho nampiainan’ny Tompo antsika ny zavatra nohariany. Rehefa avy miresaka ny lanjan’ireo teny sy andian-teny ireo (indrindra ireo ao amin’ny andininy 20), dia mety hanampy ny fampisehoana ity fahamarinana ity: Ny zavatra noharian’ny Tompo dia natao mba hahazoantsika tombony sy fifaliana ary tsy natao hampiasaina ho amina tanjona tsy marina.

Mba hanampiana ny mpianatra hisaina lalina momba io fahamarinana io dia afaka mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe ny fakana fotoana tsy tapaka hahitana fifaliana amin’ny zavatra noharian’ny Tompo? (Afaka mamantatra misimisy kokoa ilay fanasana “Hanao asa” ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ianao.) Inona no mety hilainao ovana amin’ny fahazaranao isan’andro mba hahazoana antoka fa manana fotoana tsy tapaka ankafizana ny zavatra noharian’ny Tompo ianao? (Mety hanampy ny fanomezana fotoana ny mpianatra hiraketany an-tsoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.)

  • Ahoana no nahazoanao tombony tamin’ny zavatra tsara avy eto an-tany? Ahoana no ahafahanao mampiseho fankasitrahana misimisy kokoa ny Tompo noho ireo zavatra ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no azo antsoina hoe zavatra faratampony noharian’ Andriamanitra ny vatantsika? (Jereo ny fanambarana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika manaja ny fahamasinan’ny vatantsika sy ny vatan’ny hafa? Inona no nanampy anao hahatsapa fankasitrahana kokoa ny vatanao?

Manomeza minitra vitsy any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana mba hijoroana ho vavolombelona sy hanasana ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Tompo ny tsirairay amintsika.

Ho an’ny fotoana manaraka

Hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity any amin’ny mpianatra mialoha ny fotoam-pianarana manaraka: Te hahatsapa hery fanampiny sy fiarovana eo amin’ny fiainanao ve ianao? Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ny lesona 5 ianao, dia mitadiava fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay mihazona am-pahatokiana ny fanekempihavanany amin’ny Tompo.