Institiota
Lesona 6 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy


“Lesona 6 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 6 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 6 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mampiasa fanehoana an’ohatra mba hahatakarana kokoa ny hery manavotra ananan’i Kristy

Feno sariohatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny soratra masina. Na dia talohan’ny nahaterahany aza, ny Mpamonjy dia nanampy ny olony hahatakatra ny hoe iza Izy ary nahoana no mila Azy izy ireo. Ity lesona ity dia hijery ireo sariohatra ao amin’ny soratra masina izay afaka manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo vahana ny fifanakalozan-kevitra manan-danja. Afaka manome vahana ny fifanakalozan-kevitra manan-danja ny mpampianatra rehefa mamorona tontolo fianarana anjakan’ny fitiavana sy fahatokiana mba hahatonga ny mpianatra hahatsapa ho tsy misy atahorana raha hametraka ny fanontaniany, hiresaka momba ny ahiahiny sy ny tahony, hizara zavatra niainana manokana ary haneho ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Nampahafantatra ny fanaovana sorona biby ny Tompo mba hanamarinany ny hery manavotra ananany.

Manaova na mampisehoa sarina fo iray (na sariohatra hafa mahazatra anankiray) eny amin’ny solaitrabe. Angataho hamantatra zavatra azon’ny fo aseho an’ohatra ny mpianatra. Asongadino fa mampiasa sariohatra ny soratra masina mba hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4). Azonao ampitadiavina ohatra vitsivitsy amina sariohatra mampianatra momba an’i Kristy ihany koa ny mpianatra.

Avereno jerena fohifohy na asaovy fintinin’ny mpianatra iray ny sehatra misy ny sary manohana maneho an’i Adama sy i Eva. Asao hamerina hijery ny Mosesy 5:4–8 ary hamantatra ny sariohatra ao amin’ity sary ity ny mpianatra.

Sary
Fitoviana, nataon’i Walter Rane

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra momba ny fanehoana an’ohatra ao amin’io sary io, dia hevero ny hanontany ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja nampianarina momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny sariohatry ny zanak’ondry, alitara, ary ny fandatsahan-drà? (Azonao atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Ampio hahita fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Ny fanaovana sorona ny zanak’ondry voalohan-teraka dia naneho an’ohatra ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

  • Inona avy no tandindona ampiasaintsika amin’izao andro izao mba hampahatsiahivana antsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Fanamarihana: Raha maneho tsy fahazoana aina amin’ny fanaovana sorona biby ny mpianatrao, dia ampahatsiahivo izy ireo fa ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny Testamenta Taloha dia niaina tamina fiarahamonina mpiandry ondry, izay nahazatra ny hoe miompy biby izay hovonoina hatao sakafo. Asongadino fa nampiasa ny zavatra niainan’ny olona isan’andro ny Tompo mba hampianarana lesona mahery vaika momba ny sorompanavotany.

Ny soratra masina dia ahitana sariohatra be dia be izay mijoro ho vavolombelona momba ny iraka masina ataon’i Jesoa Kristy?

Fanamarihana: Ity fizarana ity dia ahitana safidy roa amin’ny fampianarana. Fantaro hoe inona amin’ireo safidy no ho tsara indrindra amin’ny mpianatrao. Ny Safidy 1 dia manome fianarana misy torolalana kokoa.

Safidy 1: Ny Fanehoana an’ohatra ny Paska

Miankina amin’ny fahalalan’ny mpianatrao dia mety ho zava-dehibe ny hamerenana mijery ny trangan-javatra nitarika ho amin’ny Paska ary avy eo dia iaraho mamaky ny Eksodosy 12:3–13.

Mba hanomezana ny mpianatra fahafahana hifanakalo hevitra momba hevitra fonosin’ireo sariohatry ny Paska, dia azonao asaina miara-miasa anaty vondrona kely izy ireo ary hamita na hifanakalo hevitra momba ilay fizarana hoe “Ny Mety ho Heviny” amin’ny tabilao “Fanehoana an’ohatry ny Paska” izay hita ao amin’ny fizarana faharoa amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Na azonao atao ny manome sariohatra ny vondrona tsirairay ary mangataka azy ireo hamaky ny soratra masina manohana izany, sy hirakitra an-tsoratra izay mety ho hevitry ny sariohatr’izy ireo, ary avy eo dia hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany.

Rehefa mizara ny fahatakarany momba ny sariohatry ny Paska ny mpianatra, dia hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso izay afaka manampy azy ireo hampihatra ny hevitr’ireo sariohatra amin’ny fiainan’izy ireo. Azo atomboka toy izao ireo fanontaniana fanaraha-maso ireo:

  • Inona no ampianarin’io sariohatra io antsika momba ny …

  • Ahoana no ahafahana mampihatra ny hevitr’io sariohatra io …

  • Oviana no nahitanao …

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany momba ny Mpamonjy, na ny fifandraisan’izy ireo Aminy, avy amin’ny sariohatry ny Paska. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nosoratany.

Mba hanovozan’ny mpampianatra hevitra

Sariohatry ny Paska

Andinin-tsoratra masina

Sariohatra

Ny mety ho heviny

Soratra masina manohana izany*

Andinin-tsoratra masina

3

Sariohatra

Nanao sorona zanak’ondry ny trano tsirairay

Ny mety ho heviny

Ho an’ny rehetra ny hery manavotra ananan’i Jesoa Kristy.

Soratra masina manohana izany*

2 Nefia 26:25–28, 33

Andinin-tsoratra masina

5

Sariohatra

Zanak’ondry lahy tsy misy kilema

Ny mety ho heviny

Ny Mpamonjy no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, tonga lafatra sy tsy nisy ota.

Soratra masina manohana izany*

Jaona 1:29; Hebreo 5:8–9

Andinin-tsoratra masina

7

Sariohatra

Nafafy tamin’ny tolam-baravaran’ny trano tsirairay ny rà

Ny mety ho heviny

Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana dia afaka mamafy ny ran’i Kristy handresena ny fahafatesana ara-panahy isika. Manavotra sy miaro antsika ny ràn’i Kristy.

Soratra masina manohana izany*

Môzià 4:2; Almà 5:21

Andinin-tsoratra masina

8

Sariohatra

Mofo tsy misy masirasira (mofo tsy asiana lalivay ka mahatonga ny mofo ho simba sy bobongolo)

Ny mety ho heviny

Izaho no mofon’aina. Tsy misy loto ao Aminy.

Soratra masina manohana izany*

Jaona 6:35, 48, 57–58; 1 Korintiana 5:7–8

Andinin-tsoratra masina

8

Sariohatra

Anana mangidy

Ny mety ho heviny

Miaina amina tontolo nirodana isika ary iharan’ny ngidin’ny ota.

Soratra masina manohana izany*

Almà 41:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18

Andinin-tsoratra masina

11

Sariohatra

Valahana voasikina, kapa eny amin’ny tongotra, tehina eny an-tànana, mihinana faingana

Ny mety ho heviny

Tokony hampiharina tsy misy hataka andro ny hery manavotra ananan’i Kristy.

Soratra masina manohana izany*

Almà 34:32–33

  • Fanamarihana: Ny andinin-tsoratra masinaenti-manohana dia natao hanomezana fahatakarana fanampiny momba ny sariohatra ampiasaina amin’ny Paska fa tsy natao hanomezana fanazavana raikitra azy ireo.

Safidy 2: Sariohatra maneho an’i Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana. Manontania avy eo hoe:

  • Nanamafy na afaka manamafy ny finoanao an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fitadiavana sariohatra maneho an’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy isika rehefa mahavita mamantatra sary, fambara ary sariohatra izay mijoro ho vavolombelona momba Azy.

Avereno jerena ny andininy efatra ao amin’ny Testamenta Taloha voalaza ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Asao ny mpianatra mba hamorona vondrona kely miaraka amina mpianatra hafa izay te hifanakalo hevitra amin’ny andininy tian’izy ireo ifanakalozana hevitra indrindra. Avy eo dia asao ny vondrona tsirairay hiaraka hamaky ny andininy nofidin’izy ireo ary hifanakalo hevitra amin’ny fanontaniana enti-mandalina hita ao amin’ny fizarana 3.

Rehefa avy manome fotoana ampy hanaovana fifanakalozan-kevitra manan-danja ianao, dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara izay zavatra nianarany na tsapany momba an’i Jesoa Kristy vokatry ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny vondrona kely nisy azy.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mialoha ny fotoam-pianarana manaraka dia afaka mandefa hafatra any amin’ny mpianatra ianao ary manontany hoe: Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no fomba hampifandraisana ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ny fitiavany sy ny famindram-pony? Rehefa mamaky ny tahirin-kevitra fanomanana ny lesona 7 ianao, dia hevero ny fifandraisana misy eo amin’ny fahamarinana sy ny famindram-po ary ny fitiavana izay samy toetran’Andriamanitra.