Institiota
Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandray ny fanomezam-pahasoavana masin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy


“Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandray ny fanomezam-pahasoavana masin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mandray ny fanomezam-pahasoavana masin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy

Mampianatra ny soratra masina fa amin’ny alalan’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” ihany no ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay (2 Nefia 2:8). Mandritra ity lesona ity dia hanazava ny filan’izy ireo ny fahasoavan’ny Mpamonjy ny mpianatra, hizara ny fomba niainany ny fahasoavany ary hamaritra ny zavatra azony atao mba hianteherany bebe kokoa Aminy.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Mampianatra ny antony ilàna ny fahasoavana ny Tompo sy ny mpanompony.

Asao ny mpianatra mba hanao lisitra manokana ny sasany amin’ireo zavatra ilainy sy iriany lehibe indrindra mba hanampian’ Andriamanitra azy ireo. Ohatra, azony atao ny mitanisa ireo fakam-panahy na fahotana izay tian’izy ireo horesena, ireo fahalemena manahirana azy, ny fanamby na fanapahan-kevitra atrehany, ny asa lehibe ilan’izy ireo fanampiana ny hamitana azy, na ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay iriny hananana. Amporisiho ny mpianatra mba hitadidy ireo faniriana ireo rehefa miresaka momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy izy ireo mandritra ny lesona.

Mba hanombanana ny fahatakaran’ny mpianatra ny fahasoavana, dia azonao atao ny manasa azy ireo hanazava ny fahatakarany ny maha-zava-dehibe ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy hamantatra raha manana fanontaniana izy ireo. Raha azo atao dia asehoy ity famaritana ity:

Ny fahasovana dia hery na tanjaka avy amin’ Andriamanitra omena antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy. … Ny teny hoe fahasoavana, araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia manondro voalohany indrindra ny hery mampatanjaka sy manasitrana ara-panahy natolotra tamin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy. (Sujets de l’Évangile, “Grâce,” topics.ChurchofJesusChrist.org

Asehoy ity sarina foto-boaloboka manaraka ity. Hazavao fa i Jesoa Kristy dia nampianatra ny fanoharana momba ilay tena voaloboka fotoana fohy talohan’ny nandehanany tao amin’ny Sahan’i Getsemane mba hanatanteraka ny Sorompanavotany.

Sary
Foto-boaloboka

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Jaona 15:1–8 ka hitady ny zavatra ampianarin’ireo tandindon’ny voaloboka sy ny sampany ary ny voankazo amintsika momba ny fanomezan’ny Mpamonjy ny fahasoavana masina.

Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fifandraisan’ny fanoharana momba ny tena voaloboka sy ny fahasoavana:

  • Inona no mety asehon’ireo tandindon’ny voaloboka sy ny sampany ary ny voankazo? Inona no mety hampianarin’izy ireo antsika momba ny filantsika ny fahasoavan’ny Mpamonjy? (Azonao atao ny manampy ny mpianatra hamantatra fitsipika iray toy izao manaraka izao: Rehefa mitoetra ao amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mandray ny fahasoavany mba hanampy antsika hamokatra asa tsara.)

  • Mety ho toy ny ahoana izany hoe mitoetra na mijanona ao amin’i Kristy izany? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Inona no nanampy anao hifandray hatrany tamin’ny Mpamonjy? Inona no azon’ny olona iray atao izay mahatsapa fa tafasaraka amin’i Jesoa Kristy sy ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-pony?

Azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa hizara ny fahatsapany momba ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona manokana.

Afaka mandray ny fahasoavan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika isika.

Hevero ny hampiseho ireo sarina fanomezana sy fandoavam-bola hita ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hanazava ny zavatra fantany momba ny fahasoavan’i Kristy raha fanomezana izany na zavatra azo noho ny ezaka natao. (Afaka maka minitra vitsivitsy ny mpianatra hamerenana mijery ny fizarana 2 na ny sasany amin’ireo tahirin-kevitra “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” raha ilaina. Raha toa ka efa nanazava ireo hevitra ireo tany am-piandohan’ny lesona izy ireo dia azonao atao fotsiny ny manohy ny lesona amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto.)

Asehoy sy vakio mafy ireto rafi-tantara manaraka ireto.

Tsapan’i Sakura fa lavo foana izy ary tsy ampy ny hatsarana ananany mba ho mendrika ny fanampian’ny Tompo.

Mino i Tobias fa alohan’ny hahazoany ny fanampian’ny Tompo mba handresena ny fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia dia tsy maintsy manao izay rehetra azony atao aloha izy mba handresena izany.

Mino i Elena fa tsy misy dikany ny ezaka ataony ary tsy misy dikany raha ampitahaina amin’ny fahasoavana manavotr’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra hizara ny fomba mety hamalian’izy ireo an’i Sakura sy i Tobias ary i Elena. Eritrereto hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no azonao apetraka mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fianarany:

  • Inona no hevi-diso mety ananan’ity olona ity momba ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no mety hanakanan’ny hevi-diso toy izany ny fahafahany mandray na miantehitra amin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy?

  • Inona no fampianarana na fitsipika mifandray amin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy azonao zaraina amin’io olona io?

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra. Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’ireto manaraka ireto ny mpianatra: Ny fahasoavana dia fanomezana izay tsy azontsika noho ny ezaka ataontsika fa azontsika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy miezaka miaina ny filazantsara isika. Mety hahazo ny fahasoavan’ny Tompo isika mialoha sy mandritra ary aorian’ny ezaka tsara indrindra ataontsika.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo tao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba handalina tantara iray ao amin’ny soratra masina izay maneho ny fomba ahafahan’ny fahasoavan’ny Tompo miasa eo amin’ny fiainantsika. (Azonao omena fotoana ny mpianatra hamerenana mijery ny tantara ao amin’ny soratra masina nofidiny.) Arindrao ho ao anaty vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra. Asao ny mpianatra hanazava ny andinin-tsoratra masina nofidin’izy ireo ary hizara ny valin-teniny amin’ireo fanontaniana telo ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fotoana hisaintsainana ny mpianatra. Ny fomba iray ahafahantsika manampy ireo mpianatra hampifantoka kokoa ny fony amin’ny fahatakarana dia ny fanomezana azy ireo fotoana ao am-pianarana mba hisaintsainana na hanoratana momba ny zavatra azony sy tsapany. Afaka manasa azy ireo isika avy eo mba handinika ny asa manokana tokony hataony mba hampiharana ny zavatra nianarany eo amin’ny fiainany.

Azonao atao ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hamerina hijery ireo zavatra ilain’ny tena manokana sy ireo faniriana notanisainy tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Omeo fotoana izy ireo hieritreretana sy hiraketana ombam-bavaka ny zavatra azony atao mba hanasana bebe kokoa ny fahasoavan’ny Tompo eo amin’ny fiainany, handrosoana amim-pinoana, ary hianteherana tanteraka amin’ny heriny masina.

Ho an’ny fotoana manaraka

Hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity, na hafatra iray nosoratanao manokana, amin’ny mpianatrao alohan’ny kilasy manaraka: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 19 ianao dia eritrereto ny olona iray fantatrao fa hotahiana ny fiainany noho ny fananana fahatakarana tsara kokoa ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tamin’ireo tany amin’ny tontolon’ny fanahy.