Institiota
Teny fanolorana ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (Fianarana ny filazantsara taranja 250)


“Teny fanolorana ny Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (Fianarana ny filazantsara taranja 250,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Teny fanolorana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Teny fanolorana ny Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (Fianarana ny filazantsara taranja 250)

Tongasoa ato amin’ny Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay! Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson fa, “Tsy mbola nisy velively fotoana teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao ka nahatonga ilay fahalalana ny Mpamonjintsika ho manan-danja manokana sy zava-dehibe ho an’ny olombelona tsirairay mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao (“Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6). Ity taranja ity dia hanome fahafahana miavaka ho an’ny mpianatrao hampitomboana ny finoany an’i Jesoa Kristy, hampitombo ny fahatakarany ny filazantsarany mandrakizay, ary hampitombo ny fahatokian’izy ireo hahazo ny heriny sy ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Inona avy ireo tanjon’ity taranja ity?

Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia “ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy fianarana ny filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara [2012], x).

Ity taranja ity dia narafitra mba hanampiana anao sy ny mpianatrao hanatanteraka izany tanjona izany amin’ny alalan’ny

  • fandraisana anjara amin’ny fahafahana mianatra izay mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny heriny mba hampatanjaka sy hanadio ary hahatanteraka anao amin’ny alalan’ny Sorompanavotany;

  • fampitomboana ny fahafahanao mandray fanambarana;

  • famantarana sy fanazavana ary fijoroana ho vavolombelona momba ny anjara asa masina izay tanterahin’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any An-danitra;

  • fanamafisana orina ny fanoloran-tena ho mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny sy ny fanajana ny fanekempihavanana nifanaovanao Taminy; ary

  • fampitomboana ny fitiavanao ny Mpamonjy sy ny fitadiavana fomba hanehoana fankasitrahana Azy sy ny Rainao any An-danitra.

Toy ny ahoana ny firafitr’ity taranja ity?

Ity taranja ity dia ahitana fizarana miisa enina, miaraka amina lesona miisa 28. Ny fizarana tsirairay dia mampianatra lafin-javatra manan-danja iray momba ny iraka notontosan’ny Tompo talohan’ny nahaterahany, sy nandritra ny fiainany an-tany, ary taorian’ny fiainany teto an-tany.

Ny lesona tsirairay dia namboarina mba hampianarina ao anatina fotoam-pianarana maharitra 50 minitra. Ho an’ireo kilasy izay mianatra indray mandeha isan-kerinandro mandritra ny 90 minitra, dia azon’ny mpampianatra atambatra ny lesona anankiroa satria ireo lesona ao anatin’ny fizarana tsirairay dia mifandray akaiky araka ny lohahevitra.

Ny lesona tsirairay dia ahitana tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra. Ireo lesona ireo dia natao hiteraka fiomanana ombam-bavaka, hamporisihana ireo mpianatra hirotsaka amin’ny fianarana lalindalina kokoa ary hiteraka fanaovana asa izay manampy ireo mpianatra ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.

Rehefa mandalina ny fandaharam-pampianarana ianao dia mivavaha mba hahazo ny fanampian’ny Tompo mba hahafantatra ny fomba tsara indrindra hanomezana ireo zavatra ilain’ny mpianatrao. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Mahaiza mihaino, mahaiza mihaino ny Fanahy indrindra indrindra. Asio fotoana azo ivalamparana ny drafitry ny lesonareo. Raha mila somary manafohy lesona iray ianareo mba hahafahana mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo sy mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny olana iray mitranga amin’izao fotoana izao dia ataovy izany rehefa tarihin’ny Fanahy sy ambarany fa izany no tokony hatao.

… Tsarovy fa ny mpianatra iray dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Ny mpianatra dia afo ilaina arehitra. (“Anjely sy fahagagana” [lahateny natao nandritra ny fampitana ny fivorian’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, 12 jona 2019], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia natao mba hohalalininao sy ny mpianatrao mba hanomanana ny fotoam-pianarana. Tafiditra ao anatin’izany ireo fampianarana avy amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, horonan-tsary sy ilay fizarana manao hoe “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” izay manolotra loharanom-pitaovana fanampiny mifandray amin’ny lohahevitry ny lesona.

Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ihany koa dia mirakitra fanontaniana sy sahanasa izay mamporisika ny mpianatra hampitombo ny fianarany sy hiomana handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy. Ohatra, ao amin’ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 4, “Mahita tanjona sy fifaliana amin’ireo zavatra noharian’ny Tompo,” ireo mpianatra dia asaina mba hanao an’izao sahanasa manaraka izao:

Sary
lesona 4, sahanasa fanaovana fampiharana

Ny fampiasana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia hanampy ireo mpianatra “[hikatsaka] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. …

… Ny mpianatra iray dia tsy maintsy mampihatra finoana sy manao asa mba hahazoany fahalalana ho an’ny tenany. (“Seek Learning by Faith,” Ensign, Sept. 2007, 64)

Azonao atao ny mitady fotoana hanamafisana ny fampanantenan’ny Tompo amin’ireo mpianatra fa ireo izay mikatsaka fatratra ny fianarana ara-panahy dia hahazo izany (jereo ny Matio 7:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61; 88:63).

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ho hitanao ao amin’ny teny fanoloarana ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ho an’ny lesona tsirairay ny famariparitana ny vokatra andrandraina ho azo avy amin’ny mpianatra. Io teny fanolorana io dia arahin’ireo hevitra aroso mba hoenti-mampianatra izay manome rafitry ny lesona, fampianarana avy amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, fahamarinana tokony hohamafisina, fanampiana amin’ny fifanakalozan-kevitra ary hevitra entina hampiharana.

Eo am-pandalinanao ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra dia mifantoha tsara amin’ny fomba ampiasana izany zavatra izany ho an’ny fiomanan’ny mpianatra. Ny fianteherana tsy tapaka amin’ny fiomanan’ny mpianatra dia hanampy azy ireo hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana tsirairay. (Fanamarihana: Ataovy ao an-tsaina fa raha mampiditra votoatin-javatra fanampiny mandritra ny fotoam-pianarana ianao dia mety hanakana ny mpianatra tsy hizara ny zavatra nianarany sy tsapany teo am-pandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny fotoana lany hanaovana izany.)

Ny fanontaniana voalohany etsy ambany, avy amin’ny lesona 4, dia ohatra iray amin’ny fomba ampiasan’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ny tahirin-kevitra hoentin’ny mpianatra manomana ny fotoam-pianarana:

Sary
lesona 4, fanontaniana nohetezana
Sary
sary famantarana, saintsaino

Aoka ianao hisaintsaina eo am-piomanana amin’ny fampianarana ity taranja ity

Sahala amin’ny zavatra hataon’ny mpianatrao alohan’ny fotoam-pianarana, dia makà fotoana hisaintsainana rehefa miomana hampianatra ity taranja ity ianao. Voalohany, vakio iray manontolo ny lesona iray na roa mba hahafantarana tsara ny fiomanana amin’ny fotoam-pianarana sy ireo fitaovana ho an’ny mpampianatra. Mariho fa ireo fitaovana ireo dia natao hoampiasaina miaraka rehefa miomana hampianatra ianao. Dia hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona avy ireo fihetsika na fomba fanao azonao hampiharina mba hampiasana ireo fitaovana ireo amin’ny fomba mahomby amin’ny mpianatrao?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany mety hamporisihanao ireo mpianatra hiomanana mba hahafahan’izy ireo hanana traikefa tsara kokoa ao am-pianarana?

  • Inona no azonao atao mba hampandraisana anjara ireo mpianatra izay mety tsy nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana?

Ahoana no ahafahako miomana hampianatra amin’ny fomba mahomby?

Hanampy anao ny Ray any An-danitra rehefa miomana sy mampianatra ireo zanany ianao. Ny ezaka ataonao mba handalina ny soratra masina sy hiaina amim-pahazotoana ny filazantsara dia hanampy anao ho mendrika ny hanana ny fitarihan’ny Fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21).

Mety hanampy anao ny mametraka ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa miomana hianatra sy hampianatra ny mpianatrao ianao:

  • Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy hahatakatra ireo zavatra ilain’ireo mpianatro? Ahoana no ahafantarako ny zavatra izay tena manan-danja amin’izy ireo?

  • Moa ve aho mahatsapa fa manana fahatakarana mafy orina momba ny soratra masina sy ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra? Misy zavatra ilaiko amboarina ve mba hanomezana izay zavatra ilain’ny mpianatro?

  • Ahoana no ahafahako manampy ireo mpianatro hifantoka amin’ny Mpamonjy sy hianatra avy amin’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro tsirairay handray anjara feno? Ahoana no ahafahako mahazo antoka fa manana fotoana ilainy izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana mba hanaovana drafitra manokana hampiharana ny zavatra nianarany?

  • Ahoana no ahafahako manorina tontolo ahafahana mianatra izay ahatsapan’ny mpianatra fa omena lanja sy ekena ary voaro izy ireo rehefa mifampizara sy mianatra avy amin’izy samy izy? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:78, 122.)

Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona amin’izay ilain’ireo manana fahasembanana?

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Amboary ireo sahanasa sy ireo zavatra takina mba hampandraisana anjara ireo mpianatra ireo ary hanampiana azy ireo hahomby. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny loharanom-pitaovana ao amin’ny pejy mikasika ny fahasembanana ao amin’ny disabilities.ChurchofJesusChrist.org.

Inona no andrasana amin’ireo mpianatra mba hahazoany ny isa tratrarina?

Mba hahazoana ny isa tratrarina izay mitondra mankany amin’ny fahavitan’ny fianarana dia takina ny mpianatra mba

  1. handalina farafahakeliny ny 75 isan-jaton’ireo lesona ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,

  2. hanatrika ny 75 isan-jaton’ny fotoam-pianarana, ary

  3. hamita ny iray amin’ireto traikefa fianarana manaraka ireto: manoratra ao amin’ny diary fandalinana; manoratra ny valin’ny fanontaniana famoronan-dahatsoratra telo; mamolavola sy mamita tetikasa fianarana (miaraka amin’ny fankatoavan’ny mpampianatra) azy manokana izay mifandray amin’ny votoatin’ny fampianarana; na mirakitra an-tsoratra ny valin’ireo fanontaniana sy sahanasa rehetra ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoampianarana. (Fanamarihana: Tsy mila mandefa aminao ny valin-teniny ireo mpianatra; mila mampiseho anao ny zavatra vitany fotsiny izy ireo amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana.) Misy antsipiriany bebe kokoa ao amin’ny pejin’ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana Institiota.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Saintsaino ny karazana traikefa fianarana antenainao ho azon’ny mpianatrao amin’ity taranja ity. Tanisao ny vitsivitsy amin’ireo zavatra tonga ao an-tsainao mikasika ny fomba eritreretinao hanampiana ny mpianatra hianatra amin’ny fomba manan-danja.