Institiota
Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miezaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky


“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miezaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Miezaka ny ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky

Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky dia mendrika ny ezaka rehetra satria “Ny fampianarany no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy.” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ao amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hamantatra ny zavatra takin’ny Tompo amin’ireo mpianany. Handinika izay azony atao koa izy ireo mba ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena sy mahatoky kokoa.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manasa antsika ho mpianany i Jesoa Kristy.

Hevero ny hampiseho ny sarin’i Jesoa manasa ny tongotry ny Apôstôliny, ary angataho ny mpianatra iray na roa hizara ny mety ho tsapan’izy ireo raha manasa ny tongotr’izy ireo ny Mpamonjy.

Sary
Manasa ny tongotr’i Petera i Jesoa

Azonao atao ny mampiseho an’ireto fanontaniana manaraka ireto sy mangataka ny mpianatra hisaintsaina izany mandritra ny iray minitra:

  • Inona no azoko ianarana momba ireo toetran’ny Mpamonjy avy amin’ny zavatra nataony tamin’ireo Apôstôliny? Ahoana no ahafahako maka tahaka tsara kokoa ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo?

Hazavao fa ireo karazana fanontaniana ireo dia fanontaniana azontsika apetraka amin’ny tenantsika rehefa miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa isika. Ny mpianatr’i Kristy dia olona iray izay manaraka ny Mpamonjy sy miaina ny fampianarany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5). Rehefa avy nanasa ny tongotry ny Apôstôliny ny Mpamonjy dia nampianariny bebe kokoa momba ny maha-mpianatra izy ireo.

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Jaona 13:14–17, 34–35; 14:15 sy hameno izao fanambarana manaraka izao: Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia …

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny teniny feno, izay mety ahitana fehezan-teny toy ny hoe “manompo ny hafa,” “tia ny hafa,” ary “mitandrina ny didiny.” Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanombanana fahatakarana, toy ireto manaraka ireto:

  • Iza avy ao amin’ny soratra masina na eo amin’ny fiainanao manokana no maneho io karazana toetra maha-mpianatra io? Inona no fiantraikan’ny ohatra navelany taminao?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fahafahana hanombantombana ny tenany ny mpianatra. Ny fanombanana tena dia mety ho fitaovana manampy amin’ny fitomboan’ny tena manokana. Amin’ny toe-javatra sasany anefa dia mety hitarika ireo mpianatra hahatsiaro ho meloka na ho kivy izany. Ampahatsiahivo ny mpianatra eo am-panaovany ity fanombanan-tena manaraka ity ny mba hananany faharetana sy ho tsara fanahy amin’ny tenany. Ny Tompo dia nilaza hoe: “Ho feno famindram-po amin’ny fahalemenareo aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:14).

Azonao atao ny mampiseho na manome tahadikan’ity fanombanan-tena manaraka ity ho an’ny mpianatra.

Fanombanan-tena momba ny maha-mpianatra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 25

Eritrereto ny teny tsirairay ary tombano ny tenanao amin’ny fampiasana izao maridrefy manaraka izao: 1 = tena tsy miombon-kevitra, 2 = somary miombon-kevitra, 3 = sady tsy miombon-kevitra no tsy mandà, 4 = somary miombon-kevitra, ary 5 = tena miombon-kevitra.

  1. Miezaka amin-kitsim-po ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy aho.

  2. Miezaka ny mitandrina ny didin’ny Mpamonjy isan’andro aho.

  3. Miezaka ny mitia sy manompo ireo manodidina ahy tahaka izay ho nataon’i Jesoa Kristy aho.

  4. Miezaka ny mamoy ny fanirian’izao tontolo izao aho mba hanarahana ny Mpamonjy.

Fanombanan-tena momba ny maha-mpianatra

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 25

Sary
Taratasy zaraina momba ny fanombanan-tena momba ny maha-mpianatra

Rehefa nomena fotoana niraketana an-tsoratra ny valin-teniny ny mpianatra dia asao izy ireo haka minitra vitsivitsy hisaintsainana ny zavatra nianarany avy tamin’io fanombanan-tena io.

Zarao amin’ny mpianatra fa nanasa tovolahy mpanankarena iray ny Mpamonjy mba hanao ny fanombanana ny tenany manokana. Asao ny mpianatra iray mba hamintina ny tantaran’io tovolahy io (jereo ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana).

  • Inona no zava-dehibe amin’ilay fanontaniana hoe “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” (Matio 19:20). Nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra ny mametraka io fanontaniana io?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Marka 10:21 sy hikaroka ny fomba namariparitan’i Marka ny fihetseham-pon’ny Mpamonjy momba io tovolahy mpanankarena io.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy manampy anao rehefa mahita zavatra ilainao ovaina ianao?

  • Inona no dikan’ny hoe “mitondra ny hazofijalia[nao]” ary manaraka an’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny mamerina mijery ny Dikantenin’ i Joseph Smith, Matio 16:25–26 [ao amin’ny TDikantenin’i Joseph Smith—Tovana] sy ny teny nambaran’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Avy eo dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitrahoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asehoy avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra mba hirakitra an-tsoratra ny eritreriny mikasika ilay fanontaniana izay hitany fa manan-danja indrindra:

  • Inona no misakana anao tsy handroso ara-panahy?

  • Ahoana no ahafahanao maneho amin’ny Tompo ny fanirianao hitondra ny hazo fijalianao sy hanaraka Azy?

  • Misy zavatra ve tsapanao fa tokony hataonao amin’izao fotoana izao mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa ianao?

Mampahery ny mpianany ny Tompo.

Azonao atao ny mampiseho izao teny manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust izao ary asao ireo mpianatra hitady ireo fitahiana nampanantenaina ireo izay vonona ny hanefa ny saran’ny maha-mpianatra:

Sary
Filoha James E. Faust

Maro no mihevitra fa lafo sy mavesatra loatra ny saran’ny maha-mpianatra. Ho an’ny sasany, izany dia midika hoe mahafoy zavatra be loatra. Tsy mavesatra araka ny fahitana azy anefa ilay hazo fijaliana. Amin’ny alalan’ny fankatoavana no hahazoantsika hery lehibe kokoa hitondrana izany.

“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako” (Matio 11:28–30). (James E. Faust, “Être disciple,” Liahona, nov. 2006, 22)

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hiara-hiasa amina olona iray na ao anatin’ny vondrona kely ary ataovy mamerina mijery ny Romana 8:16–18, 28, 35, 38–39 izy ireo. Asao izy ireo hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo eo am-piatrehana ireo fanambin’ny maha-mpianatra. (Mety hahita fahamarinana toy izao manaraka izao ny mpianatra: Raha toa ka mpianatra mahatoky isika dia afaka ny ho lasa mpiara-mandova amin’i Jesoa Kristy ary hiaraka hahazo voninahitra Aminy. Raha tia an’ Andriamanitra isika, dia hiara-hiasa ny zava-drehetra ho tombontsoantsika.)

Eo am-pizaran’ny mpianatra ireo fahamarinana hitan’izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana ny finoana fa ho lasa mpiray lova amin’i Jesoa isika no hanampy antsika hitoetra ho mpianatra mahatoky? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny 2 Nefia 9:18. Mety ho zava-dehibe ny manamarika fa ny mpiray lova iray dia mahazo lova mitovy amin’ny iray hafa [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50, 55–59; 84:38].)

  • Ahoana no nanohanan’ny fitiavanao an’ Andriamanitra sy ny fitiavany anao tamin’ny fotoana nampananosarotra ny lalan’ny maha-mpianatra?

Mba hamaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitsipiky ny maha-mpianatra izay noresahinao tamin’ny iray kilasy. Na azonareo atao ny mijery ny “Miaina ny filazantsara amim-pifaliana” (1:40) ahitana ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ho an’ny fotoana manaraka