Institiota
Lesona 1 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy


“Lesona 1 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 1 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 1 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy

Ity fandaharam-pianarana ity dia manome fahafahana mahafinaritra ho anao sy ny mpianatrao mba hampitombo ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay. Amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hijery ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanekena feno kokoa ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy. Hojeren’izy ireo ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fianarana fahamarinana ara-panahy amin’ny alalan’ny fandalinana sy finoana.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho ny fampiasana ny tahirin-kevitra fanomanana mba hanatsarana ny fianarana. Ny tahirin-kevitra fanomanana dia natao hanampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hiomana amina fiaraha-mianatra manome hery. Eritrereto ireto torohevitra manaraka ireto:

  • Raha azo atao dia mifandraisa amin’ireo mpianatra izay nisoratra anarana hanao ity fianarana ity mialoha ny andro voalohany hianaran’izy ireo, ary asao izy ireo hamaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mialoha ny hanatrehany ny fotoam-pianarana.

  • Satria ny sasany amin’ny mpianatra dia mbola tsy haharay ilay tahirin-kevitra mialoha, dia asehoy azy ireo ny fomba fidirana amin’ny tahadika nomerika na omeo tahadika voatonta amin’ilay tahirin-kevitra izy ireo alohan’ny hanombohanao ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny kilasy misy anao. Omeo ny mpianatra tsirairay izay miditra ao amin’ny kilasy misy anao aoriandriana kokoa izany fanampiana izany.

  • Mandritra ny fifanakalozan-kevitry ny kilasy dia ampiasao miaraka amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ny traikefan’ny mpianatra. Mitadiava ihany koa fomba hampiasana ny tahirin-kevitra fanomanana mandritra ny fotoam-pianarana ho an’ireo izay tsy nanomana mialoha.

  • Manasà mpianatra tsindraindray hizara ny fomba hitahiana azy ireo amin’ny alalan’ny fandinihana ny tahirin-kevitra fanomanana.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manasa ny olona rehetra hianatra Aminy i Jesoa Kristy.

Fanamarihana: Zava-dehibe indrindra amin’ny iraka tontosain’ny institiota ny fanomezana vahana ny tontolo iray ahatsapan’ny rehetra ho voaaro amin’ny loza, mahazo fanohanana ary omen-danja. Mba hampisiana fahatsapana ho tsy vahiny dia hevero ny handany fotoana kely any am-piandohan’ny fotoam-pianarana mba hifankahalalana. Mandritra ilay fampianarana dia afaka mitady fomba hanampiana ny mpianatra rehetra hahatsapa ho voaray tsara sy tiana ianao ao amin’ny kilasy misy anao.

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hampiseho sarin’i Jesoa Kristy ary hizara fohifohy ny zavatra tsapanao momba Azy. Afaka manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy ihany koa ianao.

Vakio miaraka amin’ny kilasy ny Matio 11:28–30 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23 ary anontanio izay zavatra hitany fa miavaka momba ireo fanasana sy fitahiana ampanantenaina ireo ny mpianatra. Azonao antitranterina ny toetra manokana sy be fitiavana ananan’ireo fanasana ireo rehefa mamantatra fahamarinana iray toy izao manaraka izao ny mpianatra: Manasa antsika tsirairay hianatra Aminy sy hanandrana ny fiadanany i Jesoa Kristy.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mianatra amin’i Jesoa Kristy? (Raha ilaina dia asao ny mpianatra handinika ny fanambarana nataon’ny Loholona Kim B. Clark ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ho an’ ny mpianatra.)

  • Inona no antony iheveranao fa ny fampanantenana fiadanana sy fitsaharana ary entana nohamaivanina dia mifandray amin’ny fianarana amin’i Jesoa Kristy? Tamin’ny fomba ahoana no niainanao ireny karazana fitahiana ireny?

Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny hoe Filazantsara = Vaovao Mahafaly. Avy eo dia manasà mpianatra hamaky ny 3 Nefia 27:13–16, 20–21 ary hifanakalo hevitra amina namana iray na vondrona kely amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Araka ny filazan’ny Mpamonjy, inona avy ireo fahamarinana fototry ny filazantsarany? Nahoana no vaovao mahafaly toy izany ireo fahamarinana ireo? (Azonao atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara anao hianatra amin’ny Mpamonjy ary tonga tahaka Azy bebe kokoa?

Nampianatra antsika ny fomba fianarana fahamarinana ara-panahy ny Tompo.

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny lanjan’ny hoe ahoana no ahafahantsika mianatra fahamarinana ara-panahy momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, dia azonao aseho ity rafi-tantara manaraka ity:

Manana saina siantifika i Chloe namanao. Toa ohatra ny mila manaporofo foana izy alohan’ny hinoany zavatra. Noho ny fahafantarany fa mino an’i Jesoa Kristy ianao dia anontaniany ny fomba ahafahany mahalala fa tena misy Izy. Ahoana no ho fihetsikao?

Azonao atao ny manasa mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo amina namana iray, ary avy eo dia hifanakalo hevitra amin’ny iray kilasy momba ny maha-voafetra ny fianteherana amin’ny fomba siantifika raha hianatra momba ny Mpamonjy. (Mety ho azonao zaraina ny fanambaran’ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Mba hampitomboana ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia hevero ny hanontany ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fomban’ny Tompo amin’ny fianarana fahamarinana ara-panahy? (Hevero ny hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118.)

  • Inona no dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana? (Mety hanampy ny mijery ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana. Azonao atao koa ny manampy ny mpianatra hamantatra fahamarinana mitovitovy amin’izao: Rehefa mikatsaka ny hianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny fanaovana asa amim-pinoana isika, dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.)

  • Inona avy ireo ohatra mombana olona ao amin’ny soratra masina na olona fantatrao izay nianatra tamin’ny alalan’ny fanaovana asa amim-pinoana? Makà fotoana fohy hieritreretana fotoana iray nianaranao zavatra momba an’i Jesoa Kristy satria nanao asa tamim-pinoana ianao. Inona no zavatra nianaranao momba Azy?

Azonao omena minitra vitsy ny mpianatra hieritreretany sy hiraketany an-tsoratra ny zavatra tian’izy ireo ianarana indrindra momba ny Mpamonjy mandritra ity fianarana ity sy ny fomba ahafahan’izy ireo manatsara ny fahafahan’izy ireo mianatra Aminy. Amporisiho hanoratra ny tanjony izy ireo. Mitadiava fotoana hampandinihana ny mpianatra ny tanjon’izy ireo amin’ireo herinandro ho avy.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mifandraisa amin’ny mpianatra rehefa ivelan’ny fotoam-pianarana. Mba hanombanana ny filan’ny mpianatra sy hanentanana azy ireo handinika ny tahirin-kevitra fanomanana, dia mety ho afaka mahita fomba hifandraisana amin’izy ireo amin’ny alalana fandefasana hafatra ianao. Azonao atao ny mampiasa ny soso-kevitra eo amin’ny fizarana antsoina hoe “Ho an’ny fotoana manaraka” na mandrafitra ny hafatrao manokana.

Ho an’ny fotoana manaraka

Amporisiho ny mpianatra rehefa mianatra ho an’ny fotoam-pianarana manaraka mba hitady ny zavatra ampianarin’ireo anarana samihafan’i Jesoa Kristy antsika momba Azy. Na mety ho azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny antony iantsoantsika ny Mpamonjy hoe “Kristy velona.”