Institiota
Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandre ny feon’ny Tompo amin’ny andro farany


“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mandre ny feon’ny Tompo amin’ny andro farany,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 21, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mandre ny feon’ny Tompo amin’ny andro farany

“Tao amin’izao tontolo iainantsika izao, dia niseho tamin’ilay zazalahy atao hoe Joseph Smith [i Jesoa Kristy] sy ny Rainy, mba hampiditra amin’ilay -andro voatendry hanangonana ny zavatra rehetra-” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Ato amin’ity lesona ity dia asaina ny mpianatra handinika ny fomba ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith momba an’i Jesoa Kristy hanamafy orina ny finoan’izy ireo Azy. Asaina koa ireo mpianatra mba hamaritra ny fomba ahafahan’izy ireo mampitombo ny fahafahany mandre ny feon’ny Mpamonjy.

Soso-kevitra enti-mampianatra

I Joseph Smith dia vavolombelona nahita maso an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity:

Sary
Ny Filoha Gordon B. Hinckley

Ny Mpaminany Joseph Smith no vavolombelona lehibe indrindra an’ilay Kristy velona. (Gordon B. Hinckley, “What Hath God Wrought through His Servant Joseph!,” Ensign, Jan. 1997, 2)

  • Inona no mahatonga an’i Joseph Smith ho “vavolombelona lehibe indrindra an’ilay Kristy velona”? (Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny hoe lehibe indrindra dia midika hoe mihoatra ny hafa rehetra.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezan-teny manaraka izao: Tamin’ny alalan’ny zavatra niainany nivantana no nianaran’i Joseph Smith fa …

Asao ny mpianatra tsirairay hisafidy sy hamerina hijery na ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17, na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24, na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:2–4, ka hitady fomba hamenoana ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia asao ny mpianatra hizara ny fehezan-teniny feno, izay mety ahitana ireto fahamarinana manaraka ireto: Misy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy; i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra dia olona samy hafa sy miavaka tsara; manana vatana be voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy; mahafantatra antsika amin’ny anarana i Jesoa Kristy; i Jesoa Kristy no Lahitokan’ny Ray; i Jesoa Kristy no ilay Mpahary; i Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika amin’ny Ray.

Rehefa mizara ny mpianatra dia mametraha fanontaniana izay afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahatakarany ireo fahamarinana hitany. Ohatra:

  • Nahoana izany no fahamarinana manan-danja tokony ho fantatra momba an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no hanamafisan’io fahamarinana io ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana io fahamarinana io hampitombo ny fanirianao hanaraka Azy?

Aorian’ny fotoana hanaovana fifanakalozan-kevitra dia manasà mpianatra iray na roa hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Joseph Smith amin’ny maha-vavolombelon’ny Mpamonjy azy.

Afaka mandre ny feon’ny Tompo isika.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Amporisiho ny traikefa amin’ny fianarana manan-danja. Mba hanampiana ireo mpianatra hanana traikefa amin’ny fianarana manan-danja kokoa dia mitadiava fomba hampifandraisana ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny toe-javatra iainany sy ny zavatra mahaliana azy ary ny fanontaniany. Ampiasao ireo loharano avy amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy ny zavatra niainan’ny mpianatra manokana mba hizahana ny fiantraikany na izay mety ho fiantraikan’ny fahamarinan’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Zarao ity rafi-tantara manaraka ity na ny rafi-tantara noforoninao manokana:

Nilaza tamin’ny namanao ireo misiônera fa raha mitodika amin’ny Tompo izy dia afaka mandray fanambarana sy mandre ny feony. Na dia te hino io fampanantenana io aza izy, dia miahiahy sao hampifangaro ny eritreriny amin’ny feony. Nanontany izy hoe: “Ahoana no ahafantaranao fa ny feon’ny Tompo no renao?”

Manasà mpianatra vitsy hanazava ny fomba hamaliany izany. Azonao atao ihany koa ny mangataka ny mpianatra hizara fanamby na olana hafa atrehan’izy ireo amin’ny fihainoana ny feon’ny Mpamonjy.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Oliver Cowdery dia nampianarina momba ny fihainoana ny feon’ny Mpamonjy rehefa nanana fanontaniana naharitra izy mikasika ny antso maha-mpaminany an’i Joseph Smith. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15, 22–23, ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Oliver Cowdery momba ny fihainoana ny feony.

  • Inona no azontsika ianarana momba ny fihainoana ny feon’ny Tompo avy amin’ny zavatra niainan’i Oliver? (Mety hahita fahamarinana toy izao manaraka izao ny mpianatra: Afaka mandre ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika. Ny feon’ny Mpamonjy dia manazava ny saintsika sy manome fiadanana antsika.)

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mikatsaka tsy tapaka ny hihaino ny feon’ny Mpamonjy—indrindra amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny fihainoana ny feon’ny Tompo?

Hevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity :

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Rehefa mikatsaka ny hihaino, tena hihaino, ny Zanany isika dia ho voatarika hahafantatra izay tokony hatao na inona na inona toe-javatra misy. …

Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy. (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89.)

Azonao atao ny mizara ohatra iray amin’ny fomba ihainoanao ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao. Na azonao atao ny mampiseho ohatra avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, hita ao amin’ny amboarana horonan-tsary “Hear Him” ao amin’ny Gospel Media (ChurchofJesusChrist.org).

Omeo tahadikan’ity taratasy zaraina ity ny mpianatra tsirairay.

Henoy Izy!

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 21

Alaivo sary an-tsaina hoe nomena fahafahana hamorona horonan-tsary fohy ianao izay maneho ny fomba andrenesanao ny feon’ny Mpamonjy. Manorata rindran-damina fohy momba ny zavatra hozarainao ho valin’ilay tari-dresaka hoe “Ny fomba andrenesako Azy.” Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy rehefa mamorona ny drafitrao ianao:

  • Inona no zavatra niainana ka nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fomba iresahan’ny Tompo aminao?

  • Inona no hevitra azonao ampidirina avy amin’ny teny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Rahavavy Michelle D. Craig ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana?

  • Ahoana no ahafahanao mizara ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao amin’ny fomba mora azon’ny hafa?

Miainga avy amin’ny drafitrao, mamorona hafatra fohy (andiam-pehezan-teny iray na roa) azonao zaraina amin’ny iray kilasy.

Ho solon’izany, raha tianao, dia azonao atao ny misaintsaina sy mirakitra ny zavatra tianao hatao mba hampitomboana ny fahafahanao mandre ny feon’ny Mpamonjy.

Henoy Izy!

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 21

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra sasany hizara ny hafatr’izy ireo amin’ny “Henoy Izy” amin’ny iray kilasy. Amporisiho ny mpianatra hizara ny hafatr’izy ireo amin’ny “Henoy Izy” any ivelan’ny kilasy. Izany dia mety ho amin’ny alalan’ny resaka mivantana, antso an-telefaonina, na hafatra an-tsoratra na amin’ny tamba-jotran-tserasera.

Raha ampy ny fotoana dia asao ny mpianatra mba hanana nahim-po bebe kokoa amin’ny ezaka ataony mba hihaino ny Tompo. Mety haka minitra vitsivitsy izy ireo handrafetana sy handaminana ny fomba mety hanaovany izany.

Ho an’ny fotoana manaraka

Hevero ny handefa ity hafatra manaraka ity, na ny hafatra iray nosoratanao manokana, andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana manaraka: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 22 ianao dia eritrereto ny dikan’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana ho anao.