Institiota
Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miara-misalahy amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana


“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miara-misalahy amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 22, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Miara-misalahy amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Manatri-maso ny fivoaran’ny famerenana amin’ny laoniny isika. Raha mihevitra ianareo fa efa naverina tamin’ny laoniny tanteraka ny Fiangonana dia tsy izay satria mbola ny fiantombohany ihany no hitanareo. Mbola maro ny ho avy” (“Latter-day Saint Prophet, Wife and Apostle Share Insights of Global Ministry,” Oct. 30, 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org). Ato anatin’ity lesona ity dia hamantatra ny zavatra ataony na azony atao ny mpianatra mba handraisana anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana. Izy ireo koa dia handinika ny fanampiana azony raisina avy amin’ny Mpamonjy rehefa manao ny asany izy ireo.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Mitarika ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana i Jesoa Kristy.

Asehoy ity teny manaraka nataon’ny Filoha Nelson ity :

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Na aiza na aiza toerana honenanareo na inona toe-javatra iainanareo, dia i Jesoa Kristy Tompo no Mpamonjinareo ary i Joseph Smith izay mpaminanin’ Andriamanitra no mpaminaninareo. Notendrena mialoha talohan’ny nanorenana ny tany izy mba ho mpaminanin’izao fotoampitantanana farany izao, izay fotoana “tsy hisy na inona na inona hotanana” ka tsy ho fantatry ny Olomasina. Mitosaka tsy tapaka avy any amin’ny Tompo ny fanambarana mandritra ity dingana mitohin’ny famerenana amin’ny laoniny ity.

Midika inona aminao ny hoe naverina amin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88; nampiana fanamafisana)

Asao ny mpianatra sasany hamaly ny fanontanian’ny Filoha Nelson ary hizara ny dikan’ny Famerenana amin’ny laoniny ho azy ireo. Azonao atao ny manontany hoe:

  • Midika inona aminao ny hoe dingana mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mametraha fanontaniana fanombanana fahatakarana izay mandrisika ny fianarana lalina kokoa. Rehefa mamaly fanontaniana ny mpianatra, na mizara fahatsapana, na manolotra hevi-baovao, dia henoy tsara ny zavatra lazainy sy ny fomba ilazany izany. Fantaro raha toa ka afaka manampy ny mpianatra hieritreritra lalina kokoa, na hisintona lesona avy amin’ny zavatra niainany manokana, na handinika ny fihetseham-pon’izy ireo ny fanontaniana fanombanana fahatakarana iray. Ireo fanontaniana fanombanana fahatakarana dia tokony ho mandeha ho azy fa tsy terena. Tokony ho mahasarika izy ireo, fa tsy manavesatra.

Asao ny mpianatra hizara ohatra momba ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana. (Mety hanampy ny famerenana mijery ny fanambarana nataon’ny Loholona LeGrand R. Curtis Jr. ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy mizara ny iray na roa amin’ireo ohatra hitanareo.) Rehefa mizara ny mpianatra dia azonao atao ny miato kely ary mametraka fanontaniana fanombanana fahatakarana, toy ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no nanampian’ny [ohatra nolazain’ny mpianatra] anao na ny olona iray fantatrao hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Araka ny hevitrao, ahoana no ahafahan’ny [ohatra nolazain’ny mpianatra] manampy antsika hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no hoe nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny [ohatra ho an’ny mpianatra] fa ity dia asan’ny Tompo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hankasitraka bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fanangonana an’i Isiraely ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana, dia asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Nelson ity: “[Ny] fanangonana [an’i Isiraely] no zavatra manan-danja indrindra mitranga eto an-tany ankehitriny” (Russell M Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora maneran-tany, 3 jona 2018], fanampin’ny New Era sy Ensign, 8, ChurchofJesusChrist.org).

Asao ireo mpianatra haka minitra vitsivitsy hamerenana mijery ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hitady ireo antony maha-zava-dehibe ny fanangonana an’i Isiraely. Avy eo dia azonao atao ny manasa azy ireo hilalao an-tsehatra miaraka amin’ny namana iray na ny iray kilasy ny fomba hamalian’izy ireo ny iray na maromaro amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  • Hazavao amin’ny kilasin’ny seminera any amin’ny lisea ny maha-zava-dehibe ny fanangonana an’i Isiraely.

  • Zarao amin’ny olona tsy mitovy finoana amintsika ny fomba ahafahan’ny fanangonana an’i Isiraely hitahy ny olona rehetra.

  • Hazavao amin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay tsy mahazo antoka ny fomba ahafahany manampy, ireo fomba ahafahantsika manampy ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely .

Aorian’ny filalaovana an-tsehatra dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra mba hiraketana ny eritreriny mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hamaritanao ny ezaka ataonao mba hampandrosoana ny asan’ny Tompo ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay eo an-dalam-pitohizana?

  • Inona no fandraisana anjara azonao atao ankehitriny mba hampandrosoana ny asany? (Hevero ny hamerina hijery ny teny nataon’ny Filoha Bonnie H. Cordon ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Miara-miasa amintsika ny Mpamonjy rehefa manao ny asany isika.

Azonao atao ny mizara izao rafi-tantara manaraka izao:

Nahazo antso vaovao tao amin’ny paroasiny i Maria ka nahatsapa ho sahiran-tsaina. Rehefa nandao ny biraon’ny eveka izy dia niteny anakampo hoe: “Ahoana no ahafahako manao io antso io? Tsy mahay tsotra izao aho. Misy olona maro hafa mahay kokoa. Angamba tokony hangataka amin’ny eveka aho mba hitady olon-kafa.”

  • Inona no torohevitra homenao an’i Maria?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Jakôba 5:70–72, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:7, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:27 ary hikaroka fitsipika iray izay afaka manampy an’i Maria. Mety hahita fitsipika toy izao manaraka izao ny mpianatra: Rehefa manao ny asan’ny Tompo isika dia eo afovoantsika Izy ary miara-miasa amintsika.

  • Afaka manampy an’i Maria amin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa miara-miasa amintsika ny Mpamonjy? Ahoana no mety hanampian’io fahalalana io anao?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny Ray dia niaraka tamin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny Loholona Kim B. Clark ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanampiana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana ity.)

  • Oviana ianao no nahatsapa fahatokiana fa niaraka taminao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nanao ny asan’Izy Ireo ianao?

Afaka misaintsaina momba ny fahavononan’ny Mpamonjy hiara-miasa amin’izy ireo ny mpianatra rehefa manao ny asany izy ireo. Eo am-pisaintsainan’izy ireo dia azonao atao ny mampiseho ity lisitra misy teboka manaraka ity ary asao ireo mpianatra hamaky ny andininy nofantenana ho an’ny hira tsirairay. Amporisiho ny mpianatra hirakitra ny eritreriny sy ny fahatsapany mikasika ny zavatra novakiny.

  • Ndao handroso hatrany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 20), andininy 3.

  • Nous voici tous enrôlés,” (Cantiques, no. 161), verset 3

  • Le temps est très court” (Cantiques, no. 172), verset 4

  • Ny làlanao no làlako” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 92), andininy 3

Entina hamaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa hizara ny zavatra niainany mifandray amin’ity fahamarinana ity: Rehefa manao ny asan’ny Tompo isika dia eo afovoantsika Izy ary miara-miasa amintsika.

Ho an’ny fotoana manaraka

Hevero ny hamporisika ny mpianatra andro vitsivitsy mialoha ny kilasy manaraka mba handalina ny Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 23. Azonao atao ny mandefa izao hafatra manaraka izao: Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana fotoam-pianarana ho an’ny lesona 23 manampy anao hiomana amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy.