Institiota
Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mankamamy ny sorona fanavotana lehibe nataon’ny Mpamonjy


“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mankamamy ny sorona fanavotana lehibe nataon’ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 16, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mankamamy ny sorona fanavotana lehibe nataon’ny Mpamonjy

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Mandritra ity lesona ity, ny mpianatra dia afaka mampitombo ny fankasitrahany ny sarany nefain’i Jesoa Kristy “ho sorona noho ny fahotan’ny zanak’ olombelona rehetra” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Hasaina izy ireo handinika ny zavatra azony atao mba hahatonga ny fibebahana ho ampahany mifantoka kokoa amin’i Kristy sy mahafaly kokoa eo amin’ny fiainany.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Noho ny Fahalavoana dia mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mikolokoloa tontolo mitondra ho amin’ny fianarana ara-panahy. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa “tonga mora kokoa ao anatin’ny toerana milamina ny fanentanam-panahy” (“Reverence Invites Revelation,” Ensign, Nov. 1991, 21). Milamina sy madio ary ahazoana aina ve ny tontolo ianaranareo? Inona no zavatra mety hanelingelina ny mpianatra amin’ny fizotry ny fianarana, ary ahoana no ahafahanao manamaivana izany? Mahatsiaro ho voaray tsara ve ny mpianatra rehefa tonga? Ahoana no ahafahan’ny mozika masina na sary mifandray amin’ny filazantsara manampy amin’ny fanomanana ireo mpianatra amin’ny fianarana?

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana izao rafi-tantara izao:

Mankasitraka ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Logan, saingy tsy mahatsapa fa mila ny Mpamonjy eo no ho eo foana izy eo amin’ny fiainany. Mino izy fa satria olona tsara izy, mitandrina ny didy amin’ny ankapobeny, manompo ao amin’ny Fiangonana, ary tsy meloka amin’ny fahotana lehibe rehetra, dia tsy dia misy dikany loatra amin’ny toe-javatra iainany ny Sorompanavotan’ny Tompo.

  • Ahoana no hamaritanao ny fomba fijerin’i Logan ny Sorompanavotan’ny Tompo? Inona no hevi-diso mety ho ifikiran’i Logan mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandalinana ny Fahalavoana manova ny zavatra tsapan’i Logan momba ny Sorompanavotan’i Jesoa?

Asehoy ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Tsy misy olona tena mahafantatra tsara ny antony ilany an’i Kristy raha tsy rehefa takany sy ekeny ilay fotopampianaran’ny Fahalavoana sy ny vokany eo amin’ny olombelona. (A Witness and a Warning: A Modern-Day Prophet Testifies of the Book of Mormon [1988], 33)

Asao ny mpianatra mba hanao lisitra samirery na miaraka amin’ny namana iray ny sasany amin’ireo vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. (Afaka mijery ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra mba hahazoana fanampiana.) Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra hitany amin’ny iray kilasy. Rehefa avy mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hampitombo ny fahatakarany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ny olona rehetra, anisan’izany ny olona “tsara” sy “mankatò” toa an’i Logan, no mila ny Sorompanavotan’ny Tompo eo no ho eo sy hatrany hatrany? (Raha manampy dia vakio ny 2 Nefia 9:7–9. Mety hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika mandresy ireo fepetran’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy.)

  • Inona no dikan’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy? (Raha ilaina dia avereno jerena ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Araka ny hevitrao, nahoana i Jakôba no namaritra ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy ho toy ny “biby mahatsiravina”? (2 Nefia 9:10).

  • Inona no fahatsapana anananao ho an’ny Mpamonjy, noho ny fahafantaranao fa Izy no hany lalana ahafahanao mandresy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy? (jereo ny Môzià 3:17).

Nijaly tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mibebaka sy ho voavotra.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ho fanomanana ny fotoam-pianarana dia nasaina izy ireo hamaky ny Marka 14:33–37, Lioka 22:43–44, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18 sy hirakitra ny eritreriny ary ny zavatra tsapany. Omeo fotoana ny mpianatra hamerenana mijery ireo andinin-tsoratra masina ireo. Avy eo dia ataovy mamorona vondrona kely izy ireo ary omeo azy ireo ity taratasy zaraina manaraka ity.

Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 16

Vakio ireto fanontaniana manaraka ireto ary mifantoha amin’ireo izay tena tian’ny vondrona misy anao horesahina.

  1. Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny Mpamonjy rehefa mandinika ny fijaliany ho anao ianao? Mampianatra antsika inona momba Azy ny fahavononany hijaly? (Hevero ny hamaky ny 1 Nefia 19:9.)

  2. Nahoana ny Ray any An-danitra no nanaisotra ny Fanahiny rehefa nijaly teo amin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy? (Hevero ny hamerina hijery ny Marka 15:34 sy ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Ahoana no hanampian’izany antsika hahatsiaro ny zavatra niainan’ny Tompo teo amin’ny hazo fijaliana rehefa mahatsiaro ho irery isika, na adino, na nafoy?

  3. Ahoana no ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’ny Tompo manampy antsika rehefa misalasala ny amin’ny lanjan’ny tenantsika manokana isika? (Azonareo atao ny mamerina mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11.) Ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hisy fiantraikany amin’ny fomba fijerintsika ny tanjona azontsika tratrarina sy ny hoavintsika?

  4. Inona no hafatra alefantsika ho an’ny tenantsika sy ny Mpamonjy rehefa misafidy ny hibebaka isika? Nahoana no mety hahatsapa fifaliana ny Tompo rehefa mibebaka isika? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13).

  5. Raha misy olona tsy mahazo antoka ny amin’ny fisian’ny Sorompanavotan’ny Tompo dia inona no azony atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba izany?

Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay—Lesona 16

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Miankina amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra nanaitra azy ireo nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo. Na azonao atao ny mifantoka amin’ny fotopampianaran’ny fibebahana amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto teny roa manaraka ireto. Asao ny mpianatra hieritreritra hoe iza amin’ireo matetika no misy ifandraisany indrindra amin’izy ireo raha mandinika ny filan’izy ireo mibebaka manokana izy ireo.

  1. Ny fibebahana dia toy ny sazy tokony hohalavirina.

  2. Ny fibebahana dia toy ny fanomezana masina natao horaisina amim-pifaliana.

Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny fihetsik’izy ireo manoloana ny fibebahana dia azo atao ny mamaky ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao atao avy eo ny manampy ireo mpianatra hamantatra ity fahamarinana ity: “Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67). Manontania avy eo hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny finoana sy ny fibebahana manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azontsika atao mba handraisana ny fibebahana ho toy ny fanomezana masina sy handraisana izany amim-pifaliana kokoa?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia azonao omena fotoana izy ireo hanoratana zavatra izay hataony mba hahatonga ny fibebahana ho ampahany mahafaly sy manan-danja kokoa eo amin’ny fiainany.

Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa mpianatra sasantsasany hizara ny fomba nanampian’ny fibebahana azy ireo hahazo ny hery manadion’ny Mpamonjy. Ampahatsiahivo ny mpianatra mba tsy hanambara ny fahotana vitany taloha eo am-pizaran’izy ireo izany.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hamporisihana ny mpianatra hiomana amin’ny lesona 17 dia hevero ny handefa ireto hafatra sy sary manaraka ireto: Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 17 ianao dia saintsaino ny lanjan’ny fasana foana nisy ny Mpamonjy.

Sary
Fasana foana nisy an’i Kristy