Institiota
Lesona 12 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita fahamarinana madioao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy


“Lesona 12 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahita fahamarinana madio ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 12 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 12 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mahita fahamarinana madio ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany” (“Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6). Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hizara ny fiantraikan’ny fampianaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Hifanakalo hevitra momba ny dikan’ny filazantsara ihany koa izy ireo ary hasaina hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahatonga azy ireo hifantoka kokoa amin’ny fiainana izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mampianatra fahamarinana manova fiainana i Jesoa Kristy.

Azonao atao ny mampiseho ilay sary nampiarahana amin’ny lesona, na sary iray hafa nosafidìnao izay maneho an’i Jesoa Kristy mampianatra ary manasa ny mpianatra hizara izay mety ho antony mahatonga ny hoe “[i Jesoa Kristy] no mpampianatra lehibe indrindra tamin’izay efa niaina sy mbola hiaina rehetra” (Jeffrey R. Holland, “Teaching, Preaching, Healing,” Ensign, jan. 2003, 33).

Sary
Ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny maha-mpianatra, nataon’i Justin Kunz

Mba hamporisihana fifanakalozan-kevitra manan-danja, dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fiantraikan’ny fampianaran’ny Mpamonjy tamin’ireo izay naheno Azy nampianatra? (Azonao averina jerena ny ohatra hita ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Inona no fiantraikan’ny fampianarany teo amin’ny fiainanao?

  • Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika hisy fiantraikany lalina sy maharitra eo amin’ny fiainantsika ny fampianaran’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny mamerina mijery ny Jaona 3:21; 7:17; 13:17 sy ny teny nambaran’ny Loholona Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Avy eo dia azonao asaina hamantatra fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mampihatra ny fampianaran’ny Tompo isika, dia afaka mahalala ny fahamarinan’izany, sy mahazo fahatakarana bebe kokoa, ary miaina fahasambarana.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana dia nasaina hisafidy fampianaran’ny Mpamonjy iray izay nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’izy ireo izy ireo. Mety ho nijery fampianarana izay heverin’izy ireo ho manan-danja eo amin’ny fiainany ihany koa izy ireo. Omeo minitra vitsy hamakina indray ny andinin-tsoratra masiny sy ireo fanontaniana telo mifanaraka amin’izany ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra tsy mbola nanao ilay sahanasa mba hijery fampianarana iray nataon’ny Mpamonjy izay azon’izy ireo zaraina.

Asao ny mpianatra hizara ny fampianaran’i Jesoa Kristy nosafidìny sy ny valintenin’izy ireo amin’ny iray amin’ireo fanontaniana telo avy ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana farafahakeliny. Azonareo iarahana manao ao an-dakilasy io sahanasa io na zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra dia angataho izy ireo hifandimby hizara.

Mampianatra ny Nefita ny hevitry ny filazantsarany i Jesoa Kristy.

Iaraho mamaky ity rafi-tantara manaraka ity:

Niverina navitrika tao amin’ny Fiangonana i Amelia taorian’ny taona maro nialany tao. Na dia tsara fanahy aminy aza ny olona, dia matetika izy no mahatsapa ho very sy kivy mandritra ny lahateny sy ny lesona. Ao anaty fahasorenana no ilazany aminao indray andro any hoe: “Indray andro iny aho naheno olona nilaza fa midika hoe ‘vaovao mahafaly’ ny filazantsara. Tena tsy izany mihitsy no fahatsapako azy. Ohatra an’ny manahirana be izany ny filazantsara sady misy zavatra andrasana be dia be. Tsapako kokoa ho toy ny enta-mavesatra izany fa tsy fitahiana.”

  • Inona no mety hitranga mandritra ny lahateny, na ny lesona, na ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara ka mety hahatonga ny olona iray hahatsapa ho toa an’i Amelia?

  • Inona no mety ho tsy fahazoan-kevitra nisy teo amin’i Amelia momba ny hevitry ny filazantsara sy ny tanjon’izany?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Miaraha mianatra amin’ny mpianatra. Rehefa avy niaina ny vokatra mahatsiravina nateraky ny komiberaky ny mpisorona ireo mpikambana izay nijanona ho mahatoky tamin’ny andron’i Almà, dia “niorina mafy … sady tsy niova” (Almà 1:25) tamin’ny finoan’izy ireo ary nanaiky fa “fa ny mpitory dia tsy tsaratsara kokoa noho ny mpihaino, ary ny mpampianatra dia tsy tsaratsara kokoa noho ny mpianatra; ary dia toy izany no nitovian’izy rehetra” (Almà 1:26). Rehefa raisinao ho mitovy aminao ny mpianatra, dia hisokatra kokoa amin’ny fianarana miaraka amin’izy ireo sy avy amin’izy ireo ianao. Saintsaino ny mety ho fahatsapan’ny mpianatrao rehefa maneho fahalianana marina amin’ny zavatra eritreretin’izy ireo sy tsapan’izy ireo ianao.

Asao hamerina hijery ny 3 Nefia 27:13–14, 19–21 ny mpianatra ary hitady ireo singa fototry ny filazantsara araka ny ampianaran’ny Mpamonjy izany.

Mba hanomezana vahana ny fifanakalozan-kevitra manan-danja, dia afaka mametraka fanontaniana mitovitovy amin’ity manaraka ity ianao:

  • Araka ny filazan’ny Mpamonjy dia inona avy ireo singa fototra sy fitahiana faratampony amin’ny fiainana ny filazantsarany? (Ampio hahita ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, mibebaka, atao batisa, mandray ny Fanahy Masina ary maharitra hatramin’ny farany, dia afaka mijoro tsy misy pentina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.)

  • Mety ho afaka manova ny fahitan’i Amelia ny filazantsara sy ny fahatsapany momba izany amin’ny fomba ahoana ny fametrahana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny filazantsara? Inona no fiantraikan’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy amin’ny fomba ieritreretanao ny filazantsara sy ny fiainanao izany?

  • Inona avy ireo olana mety ho tojo antsika rehefa tsy mifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ireo singa fototry ny filazantsarany intsony isika? (Azonao atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny Rahalahy Daniel K Judd ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Inona ny zavatra nahatonga anao tsy nifantoka intsony tamin’ireo fototry ny filazantsara? Inona no tena nanampy anao indrindra hanohy hifantoka amin’ireo fototra?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ary hirakitra an-tsoratra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hifantohana kokoa amin’ny fitsipika fototra sy ny fampiharana ny filazantsara.

Azonao atao ihany koa ny manontany raha misy mpianatra sasany vonona hizara ny zavatra mety hataon’izy ireo mba hifantohana amin’ireo zavatra manan-danja indrindra rehefa miezaka miaina ny filazantsara izy ireo.

Hamaranana azy dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fahatsarana sy herin’ny fiainana ny filazantsara maharitra mandrakizain’i Jesoa Kristy ianao na ny mpianatra iray.

Ho an’ny fotoana manaraka