Institiota
Lesona 14 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy


“Lesona 14 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)

“Lesona 14 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay

Lesona 14 Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Mpamonjy

Nanambara toy izao i Jesoa Kristy hoe “Andriamanitry ny fahagagana Aho ” (2 Nefia 27:23). Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fahagagana natanterahiny nandritra ny fanompoany teto amin’ny fiainana an-tany. Hieritreritra izay azon’izy ireo atao ihany koa ny mpianatra mba handraisana ireo fahagagana ataon’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ary hamantatra ireo fahagagana efa noraisin’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manasitrana ny olona ara-batana sy ara-panahy i Jesoa Kristy.

Hevero ny hampiseho mialoha ny fotoam-pianarana ireto sary manaraka momba ny fahagagana izay mifandray amin’ny asa “Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao” ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ireto. Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia sariho ho any amin’ireo sary ny sain’ny mpianatra, ary manasà mpianatra iray na roa hizara fohifohy ny fahatsapan’izy ireo amin’ny ankapobeny momba ireo fahagagana nataon’i Jesoa.

Nanova ny rano ho tonga divay

Sary
Marriage at Cana (Fampakaram-bady tao Kana), nataon’i Carl Bloch

Nampitony ny tafio-drivotra

Sary
Stilling the Storm (Mampitsahatra ny tafio-drivotra), nataon’i Ted Henninger

Nanangana ny maty

Sary
lehilahy natsangana tamin’ny maty

Mamahana 5000

Sary
Famahanana ireo 5000

Nampahiratra ny jamba

Sary
I Jesoa mampahiratra lehilahy jamba iray

Azonao atao ny manasa ny mpianatra handeha any amin’ny sahanasa “Raketo an-tsoratra ny Eritreritrao” ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ary hamerina hijery ny fahagagana nohalalinin’izy ireo hanomanana ny fotoam-pianarana. Raha tsy nanomana izy ireo dia asao izy ireo hisafidy fahagagana iray hohalalinina. Omeo minitra vitsy hamerenana mijery na handalinana ilay fahagagana nofidiny ny mpianatra ary hieritreretany ny valintenin’izy ireo amin’ ireo fanontaniana roa avy ao amin’ilay sahanasa ny mpianatra.

Rehefa avy nomena fotoana ampy nanaovana famerenana ny mpianatra, dia asao izy ireo hamorona vondrona kely miaraka amina mpianatra hafa izay nandalina fahagagana iray hafa. Ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona dia tokony homena fahafahana hamintina fohifohy ilay fahagagana nodinihiny ary hiresaka ny valinteniny amin’ny iray amin’ireo fanontaniana roa miaraka amin’izany.

Sary
Manasitrana lehilahy iray i Jesoa

Azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra iray hamintina ny fitantarana ny fanasitranan’ny Tompo ilay lehilahy mararin’ny paralysisa, voarakitra ao amin’ny Marka 2:5–12, izay noresahina tao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.

Avy eo dia azonao atao ny mampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fametrahana ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

  • Inona no ianarantsika momba ny hery manasitran’ny Mpamonjy avy amin’io fahagagana io? (Ampio ny mpianatra hahita fahamarinana toy ny hoe Manana hery hanasitranana antsika ara-panahy sy ara-batana i Jesoa Kristy.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no niainanao na ny olona iray fantatrao fanasitranana na ara-panahy na ara-batana? (Hevero ny hanasa mpianatra iray na roa mialoha ny fotoam-pianarana mba ho tonga hianatra sady efa vonona hizara ny valintenin’izy ireo amin’io fanontaniana io. (Ampahatsiahivo izy ireo fa tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara zavatra mahakasika loatra ny tenany manokana izy ireo.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Manasà mpianatra maromaro mialoha ny fotoam-pianarana mba ho tonga hianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara. Azo hatsaraina ny fianarana ao an-dakilasy rehefa asaintsika ho tonga efa nivonona hitondra ny valinteniny amina fanontaniana manokana avy amin’ny lesona ny mpianatra vitsivitsy, hizara zavatra niainana mifandraika amin’izany na hijoro ho vavolombelona mombana fitsipika manokana. Io karazana fanomanana io dia afaka manampy amin’ny fampivoarana ny fifanakalozan-kevitra, fanatevenana ny fianarana ary fanomezana fahafahana ireo izay mahatsapa ho mahazo aina kokoa hizara rehefa nanana fotoana nanomanana ny zavatra tonga tao an-tsainy izy ireo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana, ary hevero ny hametraka ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatrao hianatra lalina kokoa:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no azo raisina ho fahagagana lehibe kokoa noho ny fahagagana ara-batana ny fiovam-po mahery vaika? Nahoana no tena ilaina ny hoe miandrandra ny Mpamonjy isika amin’io fahagagana io?

  • Ahoana no mety hanazavanao ny maha-fahagagana izany hoe fo miova izany amin’olona iray tsy mahafantatra tsara ny hevitr’izany?

  • Inona avy no zavatra azon’ny olona atao mba hanehoana amin’ny Tompo fa maniry io fahagagana io izy ireo? Inona no asa manokana azonao atao mba hanehoana amin’ny Tompo fa maniry ny hiovan’ny fonao bebe kokoa ianao? (Mety mila mampahatsiahy ny mpianatra ianao fa ny fiovan’ny fo dia dingana fa tsy tranga iray. Mety hanampy ny fanomezana fotoana ny mpianatra mba hiraketany an-tsoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.)

Miseho araka ny finoantsika sy ny sitrapon’ Andriamanitra ny fahagagana.

Ampahatsiahivo an’ny mpianatra fa fahagagana iray nataon’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany tamin’ny fiainany tety ambonin’ny tany ny fanasitranana boka iray. Manasà mpianatra iray hizara fohifohy hoe mety ho toy ny ahoana ny fiainan’ny boka iray tamin’ny fotoanan’ny Testamenta Vaovao ary ahoana no mety ho niovan’ny fiainany noho ny fahasitranany.

Iaraho mamaky ny Marka 1:40–42, ary asao ny mpianatra hitady ny fomba nanatonan’ilay boka ny Tompo mba hitrangan’ny fahagagana iray.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io momba ny fomba anatonana ny Tompo rehefa mitady fahagagana iray? (Azonao atao ny mamerina mijery ny teny nambaran’ny Loholona Jorge F. Zeballos ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Ampio ny mpianatra hahita fitsipika iray toy ity iray ity: Rehefa mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainantsika araka ny sitrapony Izy.)

  • Ahoana no ahafahantsika manana ilay finoana hatokiana ny sitrapon’ny Tompo rehefa mitady fahagagana iray? (Hevero ny hamerina hijery ny teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.)

Mety hanampy ny fanasana mpianatra maromaro mialoha ny fotoam-pianarana mba hamerina hamaky ireo tantara nozarain’ny Filoha Oaks na ny Loholona David A. Bednar izay hita eo ambanin’ilay fanontaniana hoe “Ahoana no ahafahako manana ilay finoana hatokiana ny sitrapon’ny Tompo rehefa mitady fahagagana iray aho?” ao amin’ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny tahirin-kevitra fanomanana. Mandritra ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra ireo hizara ny iray amin’ireo tantara sy ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fahagagana sy ny fatokiana ny sitrapon’ny Tompo.

Hevero ny hamaky ny teny nambaran’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra fanomanana.) Asao ny mpianatra hizara ohatra amin’ireo fahagagana kely sy tsotra hitan’izy ireo maso. (Azon’ny mpianatra atao ny miresaka fahagagana toy ny fandraisana fanambarana, fandresena fahazarana manimba, fandraisana hery hamela olona iray, fahazoana hery rehefa niatrika zava-tsarotra, fiainana fahatsapana fitomboan’ny fahaiza-manao mba hamitana asa sarotra, sy ny sisa.)

  • Manambara inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fahitana matetika ireo “fahagagana kely” ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’io lesona io, dia hevero ny hanome azy ireo fotoana hisaintsainana sy hiraketana an-tsoratra ny eritreriny syny fahatsapany momba ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no azoko atao mba hahafantarako kokoa sy hahaizako mandray kokoa ireo fahagagana ataon’ny Tompo eo amin’ny fiainako?

Hevero ny hizara fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy dia Andriamanitry ny fahagagana, na azonao atao ny manasa mpianatra iray na maromaro hanao toy izany.

Ho an’ny fotoana manaraka

Mba hamporisihana ny mpianatra hiomana amin’ny fotoam-pianarana manaraka, dia hevero ny handefa ity sary sy hafatra manaraka ity: Toy ny ahoana ny zavatra niainanao farany tamin’ny fanasan’ny Tompo? Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra fanomanana ny lesona 15 ianao, dia saintsaino ny hoe nahoana no tian’i Jesoa Kristy handray anjara isan-kerinandro amin’io ôrdônansy masina io ianao.

Sary
mofo kely sy kaopin-drano kely